“An’i Mia sy i Jehovah Irery Sisa Izao”
TAMIN’NY May 1991, dia efa nandefa famantarana ny vatako fa nisy zavatra tsy nety. Rehefa avy nandeha an-tongotra lavitra na nampiasa ny bisikiletiko nandeha lavitra aho, dia nahatsapa fanaintainana mafy teo amin’ny sandriko sy ny ranjoko, ary nivonto ny tonon-taolako. Rehefa nanatrika ny fampakaram-badin’ny zokiko lahy iray tamin’ny Jolay 1991 aho, dia narary. Nanaraka izany, dia voatana teo am-pandriana aho tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, ary nanjary nipoirana pentina mena hafahafa teo amin’ny tarehiko sy ny vatako.
Ny reniko dia nitondra ahy nankany amin’ny dokotera iray, izay nandefa ahy haingana nankany amin’ny hopitaly iray teo akaikin’ny tranonay tao Askim, eto Norvezy. Ny famantarana ilay aretina dia hoe nihena ny fiasan’ny voa ary ambony ny tosi-dra. Ny fatran’ny hemoglobininako dia 7,3 grama monja isaky ny desilitatra, raha nampitahaina tamin’ny fatra ara-dalàna 11,5 ka hatramin’ny 16. Rehefa afaka roa andro dia nafindra tany amin’ny hopitaly lehibe kokoa iray nisy efitrano manokana ho amin’ny fitsaboana ny aretin’ny voa, aho. Rehefa nahita ny valin’ny fitsapana ra maromaro ny dokotera, dia nanatsoaka hevitra fa voan’ny lupus érythémateux systémique aho ary ny rafi-kery fanefitro dia nanamboatra mpisetra (anticorps) izay namely ny rako sy ny tambatsela tao amin’ny voako. Nomena corticostéroïdes sy nanaovana chimiothérapie (fitsaboana mampiasa foto-javatra simika) aho.
Koa satria samy nanimba ny ra ilay aretina sy ny sasany tamin’ireo fanafody, dia nanjary raharaha niadian-kevitra ny amin’ny fampidiran-dra. Nangoniko ny heriko rehetra ka hoy aho: “Vavolombelon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa aho, ka tsy mila ra.” (Genesisy 9:4; Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Avy eo ny dokotera dia niresaka nitokana tamin’ny reniko, ary nanazava ny reniko fa ho tianay ny hampiasa fitsaboana hafa ankoatra ny fampidiran-dra. Nilaza ilay dokotera fa vonona ny hanaja ny hevitra nijoroako izy ary hanao izay rehetra ho azony atao mba hanampiana ahy.
Izao no nolazain’ny firaketana an-tsoratra ara-pitsaboana, izay nahazoanay kopia iray tatỳ aoriana: “Ampy taona ilay marary ary salama saina sady manam-pahalalana. Noho izany, dia hita fa tena ilaina ny manaja ny fomba fihevitr’ilay marary.” Hoy koa izy io: “Tapa-kevitra ny hanaja ny fanapahan-kevitr’ilay marary tsy handray ra ny sampana fitsaboana, na dia hahatonga ny fahafatesany aza izany.”
Fitsaboana
Nandritra ireo andro nanaraka, dia nandramana ny fitsaboana maro samihafa mba hampihenana ny tosi-drako ary, noho izany, dia mba hanamaivanana ny fihenjanana nihatra tamin’ireo voa. Tsy nahazaka ireo fanafody ny vatako, ary ny hany zavatra tadidiko ny amin’izany fotoana izany dia ny fandoavana imbetsaka. Indraindray aho dia nahatsiaro tena ho ketraka mafy, ary nivavaka matetika tamin’i Jehovah izaho sy ny ray aman-dreniko mba hahazoana fanampiana sy tanjaka. Taorian’ny nidirana hopitaly iray volana, dia navela hody tany an-trano nandritra ny faran’ny herinandro iray aho. Tatỳ aoriana, nandritra ny fodiana faharoa, dia azon’ny fihetsehana mafin’ny fanintona aho, narahin’ny fihetsehana efatra malefaka kokoa. Nahatratra ny rafi-pitatitro foibe ilay aretina. Nentina niverina haingana nankany amin’ny hopitaly aho.
Nanapa-kevitra ny hanome fitsaboana hafa ankoatra ny ra ireo dokotera. Nalana avy tao amin’ny ra ny ranon-dra ( plasma) ary, noho izany, dia voaesotra ireo mpisetra namely ireo sela tao amin’ny rako sy ny tambatsela tao amin’ny voako. Nomena tsindrona solution de Ringer, niaraka tamin’ny albiminina aho, avy eo. Niara-nidinika io fitsaboana io tamin’ireo dokotera aho ary nanome azy ireo fanomezan-dalana an-tsoratra hanome azy io.a Na dia teo aza ilay fitsaboana, dia niharatsy ny toe-pahasalamako. Nanome lalana azy ireo koa hitsabo ahy tamin’ny immunoglobulines aho, saingy tsy nanome izany izy ireo tamin’izay fotoana izay.b
Nihena be ny fiasan’ny voako. Ny créatinine tao amin’ny seromako dia 682, raha nampitahaina tamin’ny ara-dalàna 55 ka hatramin’ny 110. Nitoetra ho ambony ny tosi-drako, ary nijanona teo anelanelan’ny 5 sy 6 grama isaky ny desilitatra ny fatran’ny hemoglobininako. Indray andro dia 17 000 isaky ny ra iray milimetatra toratelo ny isan’ny plaquettes (manomboka eo amin’ny 150 000 ka hatramin’ny 450 000 ny isa ara-dalàna), ka nampitombo be ny mety hahavoan’ny lotsidra (hémorragie) ahy. Soa ihany fa nanomboka nitombo avy hatrany ny isan’ny plaquettes. Ny ampitson’iny dia 31 000 ny isany, ary nitohy ilay fitomboana.
Fanohanana feno fitiavana
Zendana ny mpiasan’ny hopitaly nahita ireo voninkazo, taratasy, cartes, sy antso an-telefaonina rehetra azoko avy tamin’ireo anadahy sy rahavavy kristiana be fitiavana nanerana an’i Norvezy manontolo. Nanontany tena izy ireo hoe ahoana no ananan’ny olona iray 18 taona namana maro aoka izany. Nanome anay fahafahana hiresaka tamin’izy ireo momba ny fanantenana kristiana ananantsika sy ny fandaminana feno fitiavan’i Jehovah misy antsika izany. — Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:3, 4.
Tamin’izay fotoana izay, ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly an’ny Vavolombelon’i Jehovah dia niasa mafy mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny fitsaboana ny lupus. Avy tamin’ny biraon’ny sampana teto Norvezy, dia nahazo lahatsoratra iray izay natao pirinty tao amin’ny gazety ara-pitsaboana iray izahay. Izy io dia nilazalaza ny amin’ny fitrangana sarotra roan’ny lupus érythémateux systémique tamin’ny zatovovavy roa izay nampidirana immunoglobulines — izay nahitana vokany tsara. Nandritra ny fiaraha-nidinika tamin’ireo dokotera, dia nangataka azy ireo ny ray aman-dreniko mba hamaky ilay lahatsoratra mba hahitana raha toa ka afaka nanampy tamin’izay nitranga tamiko ilay fanazavana. Nanana hevitra samy hafa ny amin’izay hatao ireo dokotera. Nisy ny fanahiana, ohatra, momba ny maha-voafetra ny habetsahan’ny fanazavana ny amin’ny voka-dratsin’ny fitsaboana amin’ny immunoglobulines.
Fanerena handray ra
Tamin’izay dia niditra hopitaly hatramin’ny efa ho valo herinandro aho. Indray alina dia nahatsapa fanaintainana mafy tao amin’ny vavoniko aho, ary nisy ra teo amin’ny diky noho ny lotsidra anaty. Natao ny fifandraisana tamin’ny mpandidy iray. Nilaza izy fa nila fandidiana sy ra avy hatrany aho, fa raha tsy izany dia ho faty ao anatin’ny ora vitsy. Nilaza tamin’ny zokiko vavy, izay niandry ahy, ilay mpandidy fa ho tsara kokoa ny handreseny lahatra ahy hanaiky ra, fa raha tsy izany dia ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesako izy. Nahatezitra ahy izany, satria ahy samirery ny fanapahan-kevitra tsy hanaiky fampidiran-dra.
Naniry ny hiresaka tamiko irery ireo dokotera mba hahazoana antoka fa tena ahy tokoa ilay fanapahan-kevitra ary fantatro tsara izay ninoan’izy ireo fa ho vokatry ny fandavana ra. Rehefa afaka 15 minitra dia niaiky izy ireo fa tsy hiova hevitra aho. Tsy nandidy àry ireo dokotera, fa nanome antibiotika kosa mba hiadiana tamin’ilay otrikaretina.
Ny 30 Septambra, ny ampitson’ny fiaraha-nidinika tamin’ireo dokotera, dia nihena avy tamin’ny 6,5 ka tonga 3,5 ny fatran’ny hemoglobininako. Nafindra tao amin’ny sampana mitsabo ireo marary mafy aho. Nalemy aoka izany aho, hany ka nila saron-tava mba hanomezana oksizena ahy. Na dia somary nahatsiaro saina ihany aza aho nandritra io fe-potoan-tsarotra manontolo io, dia tsy mahatadidy na inona na inona aho. Koa izay nitranga nandritra ireo andro vitsivitsy nanaraka dia notantarain’ny fianakaviako sy ny loholona kristiana roa tamiko.
Tandindomin-doza ny aiko
Tamin’izay fotoana izay dia niombon-kevitra ireo dokotera fa hanandrana hanome tsindrona immunoglobulines hampidirina tamin’ny lalan-dra. Nanomboka tamin’ny 9 ka hatramin’ny 11 Oktobra, dia nomena fatrana immunoglobulines enina grama isan’andro aho. Tsy afaka nifehy ny famoahako fivalanandrano sy fivalanana aho, ary nanolo tsy an-kijanona ny lambam-pandriana ireo mpitsabo mpanampy. Nihanihena hatrany ny fatran’ny hemoglobininako. Hoy ilay firaketana an-tsoratra ara-pitsaboana: “Ny farany ambany indrindra tamin’ny fatran’ny hemoglobininany voaray dia 1,4, ka taorian’izay dia nanao melena [fivalanana nisy ra] fanampiny izy, ary tapaka ny hevitra fa tsy haka ra atao fizahana fanampiny ny fatran’ny sela amin’ny ra intsony. Tamin’izay fotoana izay dia efa ambavahoana [efa ho faty] izy.”
Tsy nanantena fahasitranana intsony izao ireo dokotera, ka nilaza fa raha toa ka ho tafita velona aho, dia hisy fahavoazana amin’ny atidoha ary angamba mety halemy tapany koa. Nahazo antoka aoka izany izy ireo fa tsy nisy zavatra hafa azo natao intsony, hany ka tamin’ny 12 Oktobra dia tapaka ny hevitra fa hatsahatra ny fitsaboana rehetra nisy asany ary dia hanome ranon-javatra fotsiny. Ny raiko, izay nanohy nampirisika ahy mba hiady hatrany, dia nipetraka teo anilan’ny fandriako, ka nanao hoe: “An’i Mia sy i Jehovah irery sisa izao.”
Nisy olona avy tamin’ny kongregasiona foana teo anilan’ny fandriako niaraka tamin’ny fianakaviako nandritra io fotoan-tsarotra io. Nitantara toy izao ny iray tamin’izy ireo: “Ny asabotsy hariva, 12 Oktobra, dia tsy nisy nino intsony fa ho tafita velona tamin’ny alina i Mia. Kanefa mbola velona izy ny alahady maraina. Tamin’ny tolakandro, dia nananosarotra ny fisefony, ary nampoizin’ny rehetra fa izay no ho farany. Nivory nanodidina ny fandriany ny fianakaviana manontolo. Nifoka rivotra mafy izy ary, taorian’ny fotoana toa ela be, dia namoaka rivotra izy. Nijaly noho ny fanaintainana lehibe indrindra mety hijalian’ny ray aman-dreny — fahitana ny zanany malala niala aina tsikelikely — ny ray aman-dreniny. Nilaza ny rainy fa tokony hitodika tany amin’i Jehovah tamim-bavaka izahay rehetra. Niresaka moramora izahay rehefa avy eo, nanantena fa tsy hijaly ela i Mia.
“Kanefa tsy maty i Mia. Mbola tsy nahita zavatra tahaka izany — olona velona manana fatran’ny sela amin’ny ra ambany toy izany — mihitsy ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy. Nijanona ny lotsidra, koa tsy niharatsy ny tarehin-javatra. Lasa ny alahady alina, ary mbola velona ihany i Mia.”
Fotoana nitrangan’ny fiovana lehibe
Ny alatsinainy maraina, 14 Oktobra, dia tonga nijery ahy ny iray tamin’ireo dokotera. Rendremana aho ka tsy tsaroako ilay fisehoan-javatra. Nijoro teo anilan’ny fandriako ilay dokotera, ary hoy ny reniko: “Io ny dokotera hanao manao ahoana.” “Manao ahoana” heno tsara no navaliko. Tsy nanampo izany izy, ka gaga sady tohina lalina.
Tsy naninon-tsy naninona ny atidohako, ary tsy nalemy aho. Notohizina indray ny fitsaboana. Nomena érythropoïétine sy dextran misy vy nampidirina tamin’ny lalan-dra aho, ary koa immunoglobulines roa fatra isan’andro. Nihatsara tsikelikely ny toe-pahasalamako. Ny 16 Oktobra dia tafakatra ho 2,6 ny fatran’ny hemoglobininako ary 3,0 ny faha-17. Nihatsara hatrany aho. Ny 12 Novambra dia nivoaka ny hopitaly aho raha 8,0 ny fatran’ny hemoglobinina.
Tsy fantatray tsara ny anton’ny nitsaharan’ny famonoana ireo liomena tao amin’ny rako na ny anton’ny nitomboan’ny fatran’ny sela tao amin’ny rako haingana aoka izany. Niharihary fa nitana anjara asa lehibe tamin’izany ny tsindrona immunoglobulines sy érythropoïétine ary dextran misy vy. Teo am-piandohan’ny volana May 1992, dia ara-dalàna ny fatran’ny hemoglobininako: 12,3, ary nitoetra ho ara-dalàna hatrany izany.
Manaraka fitsaboana fanolokoloana aho ankehitriny mba hanaraha-maso ny toe-pahasalamako, ary salama tsara aho. Tamin’ny 28 Novambra 1992, dia nanambady namana Kristiana iray aho, ary miara-manompo an’i Jehovah izahay ankehitriny. Ny aretiko, ary koa ny fitandremana ny lalàn’i Jehovah momba ny ra, dia nampanakaiky ahy kokoa an’i Jehovah. Ankehitriny dia miandrandra ny hanompo azy amin’ny heriko rehetra ho mandrakizay aho. — Notantarain’i Mia Bjørndal.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fantatra hoe plasmaphérèse io fomba io ary mahafaoka fikorianan’ny ra ivelan’ny vatana. Ny fanapahan-kevitra hampiasa io fomba io dia avela ho amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay, araka ny voadinika ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1989, pejy faha-30 sy 31.
b Ny fanapahan-kevitra hampiasa immunoglobulines, izay misy ampahany bitika amin’ny ra, dia avela ho amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay, araka ny voadinika ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1990, pejy faha-30 sy 31.