Nampiofanina mba Hamono, Ankehitriny dia Manolotra Hafatra Mamonjy Aina
“Misy mpampihorohoro mitana takalon’aina ao amin’ny trano iray any amin’ny faritra avaratr’i Israely.”
TAO anatin’ny faran’ny herinandron’ny permission tamin’ny naha-miaramila israelianina ahy aho ary nitoby teny akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, raha nandre ny vaovao tamin’ny radio. Fantatro tsara ny hevitr’ireo teny ireo. Manamboninahitra tao amin’ny antoko iray manokana ao amin’ny tafika aho, nampiofanina hanao ho anton’asa ny ady atao amin’ny fampihorohoroana. Fantatro koa fa izaho dia tsy maintsy ho anisan’ireo izay hanafika an’ilay trano, hamono ireo mpampihorohoro ary hanafaka ireo takalon’aina. Tsy nisalasala aho fa niditra haingana tao anatin’ny fiarakodiako ary nandeha haingana araka izay azoko natao nankany amin’ilay toerana nisehoan’ilay toe-javatra.
Noho ireo manamboninahitra ao amin’ny tafika israelianina miditra voalohany foana, dia fantatro fa tsy maintsy ho anisan’ireo voalohany hifanehatra amin’ireo mpampihorohoro aho, nefa ny fieritreretana ny amin’ny hoe ho voavono na haratra dia tsy nampiadana ny diako. Tonga teo amin’ilay toerana nisehoan’ny toe-javatra aho, minitra vitsivitsy monja taorian’ny namitan’ireo namako tao amin’ilay antoko ny asa, ka namonoany ireo mpampihorohoro dimy sy nanafahany ireo takalon’aina. Diso fanantenana erỳ aho fa tsy nahatratra izany fanaovan-javatra izany.
Nahoana aho no nieritreritra toy izany? Satria aho tena nanindrahindra ny fireneko ary naniry hanaporofo ny fitiavako azy. Tamin’ny fomba ahoana anefa no nahatonga ahy tao amin’io antoko manokana nahazo fampiofanana hiady amin’ny fampihorohoroana io?
Tany Tiberiady, any Israely, aho no teraka tamin’ny 1958 ary notezaina tao amin’ny tokantrano iray tena nanindrahindra firenena. Nino aho fa nanana ny rariny foana ny fireneko. Koa rehefa nilatsaka ho miaramila aho tamin’ny 1977, dia nanolo-tena hanompo tao amin’ny antoko iray ao amin’ny tafika israelianina, nanao ho anton’asa indrindra ny ady. Vitsy dia vitsy amin’ireo manao fangatahana no voaray hanomboka ny fampiofanana izay tena sarotra. Tsy ny rehetra no mahatody hatramin’ny farany ary amin’ireo dia roa monja no ho voafidy ho tonga manamboninahitra. Iray tamin’ireo aho.
Ny fahombiazako dia tena taratry ny fitiavako ny fireneko. Nanana antony tsara hireharehana ny amin’ny tenako aho. Izaho tokoa dia manamboninahitra tao amin’ny antoko manokana mpiady, izay manao zavatra tsy fahitan’ny olon-tsotra firy, na dia any amin’ny sinema aza. Kanefa, ny fahombiazana, ny laza, sy ny fihazonana tsiambaratelo dia narahin’ny fahatsapana fahabangana ara-panahy, izay nitombo mandra-pahatsapako fa tsy maintsy misy heviny lehibe kokoa ny fiainana. Koa taorian’ny efa-taona mahery tena sarotra, dia niala tamin’ny tafika aho mba hitety sy hizaha an’izao tontolo izao.
Ny antony nandaozako an’i Israely
Nifarana ny diako nanodidina an’izao tontolo izao rehefa, tany Thaïlande aho ka nifanena tamin’i Kunlaya, izay tonga vadiko, izay tamin’izany fotoana izany dia nianatra ny fahaizana zava-kanto tao amin’ny Oniversiten’i Bangkok. Samy tsy nisy nanam-pikasana ny hivady izahay, nefa ny fitiavanay dia mafy kokoa noho ny niheveranay azy. Koa nijanona tamin’ny fianarany i Kunlaya ary namarana ny diako aho, ary nanapa-kevitra izahay fa hiara-dia eo amin’ny fiainanay. Taiza? Tany Israely, mazava ho azy. “Tsy maintsy mitondra fanampiana amin’ny fiarovana ny fireneko aho”, hoy aho taminy.
Any Israely, ny lehilahy jiosy iray dia tsy afaka manambady afa-tsy Jiosy ihany; koa nahalala tsara aho fa i Kunlaya, izay Bodista tamin’izay, dia tsy maintsy miova ho amin’ny Jodaisma, zavatra izay nahafaly azy ny nanao izany. Kanefa ireo Jiosy tompon’andraikitra ara-pivavahana amin’izany fiovana finoana izany, dia tsy nila azy. Na taiza na taiza nitodihanay mba hahazoana fanampiana dia tojo valin-teny nitovy, naneho fandavana izahay: “Ny olona tahaka anao dia tokony hahazo tovovavy jiosy mahafinaritra iray ho vady fa tsy hanambady io Jentilisa io.” Tsy hoe Jentilisa fotsiny i Kunlaya, fa hafa firazanana koa.
Taorian’ny enim-bolana nanaovana fiezahana, dia nasaina nankeo amin’ny fitsarana ara-pivavahana izahay tamin’ny farany, mba hadinadinin’ny raby telo izay hanapa-kevitra na hekena hiova finoana i Kunlaya na tsia. Tao, dia notsinina aho noho ny nitadiavako hanambady Jentilisa. Nilaza tamiko izy ireo hampody azy any aminy. “Maninona no tsy alaina ho andevonao izy!”, hoy ny fanipazan-kevitry ny raby iray tamin’izay. Nolavin’izy ireo ny fangatahanay.
Tsy afaka ny hahazaka izany intsony aho. Raha mbola tsy tapitra ny tenin’izy ireo, dia notantanako i Kunlaya ary niala teo amin’ilay fitsarana aho, sady nanambara fa tsy ho Jiosy na oviana na oviana i Kunlaya na dia omena lalana aza, ary tsy naniry hijanona ho Jiosy aho. ‘Ny fivavahana iray izay mitondra ny olona toy izany dia tsy misy ilana azy na kely aza!’, hoy aho anakampo. Nony tapaka ny hevitro izao, dia nisy fiezahana manokana natao mba hampisarahana anay. Na dia ny ray aman-dreny malalako aza dia nanjary tafiditra tamin’io zava-nanahirana io sy tamin’ny fanerena natao mba hisarahanay, noho ny fihetseham-po ara-pivavahana mahery.
Teo anelanelan’izany, dia nanomboka ny ady tany Liban nifanaovan’ny tafika israelianina sy ireo mpiady anaty akata palestiniana. Mazava ho azy fa nantsoina aho mba hiady, ary raha mbola nanao vivery ny aiko tany amin’ny faritany fahavalo lavitra tany ho an’ny fireneko aho, dia nalaina tamin’i Kunlaya ny pasipaorony ary nasaina handao an’i Israely izy. Izany rehetra izany dia anisan’ny fiezahana natao mba hampisarahana anay. Nony fantatro izay nitranga, dia nanjary maty ny fitiavana nananako ho an’ny fireneko. Vao voalohany aho izao no nanomboka nahatsapa izay tena hevitry ny fanindrahindram-pirenena. Vonona ny hanome be dia be ho an’ny fireneko aho, kanefa ankehitriny dia tsy nomena lalana hanambady ilay vehivavy tiako akory! Tena nahatsiaro ho naratra sy ho nivadihana aho. Tamiko, ny fangatahana an’i Kunlaya handeha dia fangatahana ahy handeha koa. Araka izany, ny fiadiana mba hijanonan’i Kunlaya, raha ny marina, dia fiadiana ho an’ny zoko manokana honina ao Israely, zavatra tsy nahavonona ahy ny hanao azy.
Tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny nandray fiaramanidina nankany ampitan-dranomasina izahay mba hisora-panambadiana ary avy eo dia niverina tany Israely mba hanao ireo fandaminana farany, alohan’ny handaozanay ilay firenena. Nandao an’i Israely izahay tamin’ny Novambra 1983, nefa talohan’izany dia namitram-pihavanana tamin’ny ray aman-dreniko. Hitako foana fa ny fihatsarambelatsihy ao amin’ny fivavahana no antony lehibe indrindra nahatonga ny fahasahiranan’ny Jiosy, kanefa mbola tsy lavitra na oviana na oviana tamin’ny fivavahana toy ny tamin’izay fotoana izay aho.
Fahitana ny fahamarinana momba ilay Mesia
Tena gaga izahay nahafantatra fa nisy lalàna manokana iray momba ny fifindra-monina, tsy namela anay honina tao amin’ny firenen’ny vadiko. Tsy maintsy nitady firenena fahatelo mba honenana izahay! Ny zanakay lahy voalohany dia teraka tany Aostralia, nefa tsy afaka nijanona tany koa izahay. Nanohy nifindrafindra firenena izahay. Nandalo ny roa taona, ary tsikelikely dia nanomboka namoy ny fanantenana hahita toerana ho azonay onenana amin’ny fomba maharitra izahay. Tamin’ny Oktobra 1985 dia tonga tany Nouvelle-Zélande izahay. ‘Firenena hafa iray fotsiny handalovana’, hoy izahay nieritreritra, teo am-panaovana auto-stop nianavaratra niaraka tamin’ny zanakay lahy 11 volana. Tena diso hevitra anefa izahay!
Indray takariva, dia nasain’ny mpivady iray nahafinaritra hisakafo izahay. Rehefa nandre ny tantaranay ilay ramatoa, dia nanolotra ny hanampy anay tamin’ny fangatahana nataonay mba hahazo hipetraka maharitra teto Nouvelle-Zélande. Ny ampitson’io, talohan’ny fanaovam-beloma indrindra dia natolony ahy ny boky kely iray, mitondra ny lohateny hoe Ny Testamenta Vaovao (Soratra Grika). “Vakio izy io”, hoy izy. “Ireo rehetra nanoratra azy io dia Jiosy.” Natsofoko tao anatin’ny kitapoko ilay izy ary nampanantena aho fa hijery azy io. Tsy nanana hevitra ny amin’izay tao anatin’izany boky izany mihitsy aho — Ireo Jiosy mazàna dia tsy mamaky boky kristiana. Tatỳ aoriana izahay dia nividy fiarakodia tranainy iray ary nandeha nifindra nianatsimo, ka ny fiarakodia no nataonay trano.
Indray mandeha, rehefa nijanona izahay, dia nahatadidy ilay fampanantenana nataoko aho. Navoakako ilay boky ary nanomboka novakiko. Nahita ny tenako nianatra ny amin’ilay lehilahy nampianarin’ny finoana jiosy ahy mba tsy ho tiana, mba hankahalaina mihitsy aza aho. Gaga aho namaky fa, tahaka ahy, dia nandany ny ankamaroan’ny fiainany teny amin’ny manodidina ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy. Vao mainka gaga aho nahita ny zavatra nolazainy. Mbola tsy nandre velively olona niteny tahaka azy aho.
Niezaka nitady izay hokianina tamin’izany lehilahy izany aho, nefa tsy nahita. Nanjary tiako kosa aza izay nampianariny, ary arakaraka ny namakiako ny momba azy, no vao mainka nanontaniako tena ny amin’ny antony nandaingan’ireo Jiosy momba azy. Nanomboka hitako fa na dia tsy mpivavaka be aza aho, dia voataonan’ny fivavahana hino ny heviny toy ny nataon’ny fanindrahindram-pirenena. Nanontany tena aho hoe: ‘Nahoana no nankahala azy toy izany ny Jiosy?’
Ny ampahany tamin’ny fanontaniako dia voavaly rehefa namaky ny toko faha-23 amin’ny Matio aho. Tafatsangana mihitsy aho namaky fa nanala sarona tamin-kerim-po ny fihatsarambelatsihy sy ny fitondran-tena ratsin’ireo mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny androny i Jesosy. ‘Tsy nisy na inona na inona niova’, hoy aho anakampo. ‘Tena mihatra tanteraka amin’ireo mpitondra fivavahana jiosy amin’izao andro izao ireo tenin’i Jesosy ireo. Nahita izany aho ary ny tenako mihitsy no niharany!’ Nanjary nanana fanajana lalina an’io lehilahy, izay nilaza tsy tamin-tahotra ny fahamarinana io, aho. Tsy nitady fivavahana hafa aho, nefa tsy afaka ninia tsy hahalala ny herin’ny fampianaran’i Jesosy.
Fandrenesana ny anaran’i Jehovah
Teo amin’ny antsasaky ny Soratra Grika teo ho eo no voavakiko rehefa tonga tany Milford Sound izahay, ao amin’ny faritra misy fjord amin’ny nosy atsimon’i Nouvelle-Zélande. Nametraka ny fiarakodianay teo akaikin’ny fiara hafa iray, izay nisy vehivavy aziatika nipetraka teo akaikiny, izahay. Nanomboka niresaka tamin’io vehivavy io ny vadiko. Rehefa tonga ny vadiny, izay britanika, dia nilaza tamin’izy ireo fohy ny tantaranay izahay. Tamin’izay, dia nilaza taminay ilay lehilahy fa amin’ny hoavy tsy ho ela, Andriamanitra dia hanafoana ireo fitondram-panjakana misy amin’izao fotoana izao ary ny fitondram-panjakany no hanapaka ao amin’ny tontolo marina iray. Na dia toa tsara tamiko aza izany, dia hoy aho anakampo: ‘Manonofy itỳ rangahy itỳ.’
Nanohy ny teniny ilay rangahy tamin’ny filazana taminay ny amin’ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana sy ny fampianaran-dison’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Avy eo, dia nilaza ny vadiny hoe: “Vavolombelon’i Jehovah izahay.” Gaga aho tamin’izany: ‘Inona no ifandraisan’ireto Jentilisa ireto amin’ny Andriamanitry ny Jiosy? Ary amin’izany anarana hoe Jehovah izany!’ Fantatro ilay anarana, nefa vao voalohany izao no nandrenesako azy io notononina. Tsy mahazo lalana hanonona azy io mantsy ny Jiosy. Nanome anay ny adiresiny sy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly sasany ilay mpivady, ary nanainga izahay. Tsy fantatray fa hanova ny fiainanay izany fihaonana tamin’io mpivady io izany.
Fahitana ny fahamarinana
Tapa-bolana tatỳ aoriana dia tonga tao Christchurch izahay. Efa voalamina fa hipetraka sy hanampy ao amin’ny toeram-piompiana ondry iray an’ny mpikambana ao amin’ny fiangonana pentekotista izahay. Tao amin’ilay toeram-piompiana dia nahavita vaky ny Soratra Grika aho, ary nanomboka namerina namaky azy io. Nomarihiko hoe hatraiza ny fisian’Andriamanitra no niharihary tamin’i Jesosy. Sambany teo amin’ny fiainako aho vao nanontany tena hoe: ‘Tena misy marina tokoa ve Andriamanitra?’ Nanomboka nitady ny valiny aho. Afaka nahazo Baiboly iray manontolo tamin’ny fiteniko, dia ny teny hebreo aho, ary nanomboka namaky azy io mba hahalalana bebe kokoa momba an’i Jehovah, ilay milaza tena ho Andriamanitra Tsitoha.
Tsy ela dia tsapanay mivady fa tsy mifanaraka amin’izay novakinay tao amin’ny Baiboly ny fampianarana azonay tamin’ireo tompon’ilay toeram-piompiana. Tahaka izany koa ny fitondran-tenan’izy ireo. Raha ny marina, tamin’ny fe-potoana iray dia tezitra aoka izany tamin’ny fomba nitondrana anay teo amin’ilay toeram-piompiana izahay, ka nanoratra taratasy momba izany tamin’ilay ramatoa nanome anay ny Soratra Grika. “Hatramin’izao, dia mino aho fa nasehon’Andriamanitra anay izay ‘Fivavahana Kristiana’ sandoka, ary raha tena misy tokoa Andriamanitra, dia hasehony anay ankehitriny ny Fivavahana Kristiana marina.” Nanoratra taminy aho, tsy nahafantatra hoe hatraiza no marina ny ahy. Tamin’izay no tadidiko izay nolazain’ireo Vavolombelona roa taminay momba ny fihatsarambelatsihin’ireo fiangonana. Nanapa-kevitra izahay hihaona indray tamin’ireo Vavolombelona.
Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nalamin’izany mpivady izany ny hitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah roa hafa, izay nipetraka teo amin’ny manodidina, anay. Nanasa anay hisakafo hariva izy ireo. Niresaka momba ny Baiboly tany an-tranony izahay, ary tianay izay renay. Ny ampitson’io, dia nasainy indray izahay ary niara-niresaka ela indray. Izay nasehony anay avy tao amin’ny Baiboly dia araka ny fandrindran-kevitra sy mora azo ka samy nahatsapa izahay mivady fa nahita zava-nahagaga, eny ny fahamarinana!
Sarotra ny nandeha natory tamin’io alina io. Fantatray fa tsy ho tahaka ny teo aloha intsony ny fiainanay. Nanomboka namaky ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa Eto An-tany navoakan’ny Vavolombelona aho, ary teo am-pamakiana azy io, dia nahatsiaro toy ny hoe jamba aho taloha nefa nahiratra indray ankehitriny! Afaka nahazo ny zava-kendren’ny fiainana aho, ny antony nametrahana ny olona teto an-tany, ny anton’ny hahafatesantsika, ny antony amelan’Andriamanitra ny hisian’ny fahoriana be dia be sy ny fomba hanatanterahan’ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Nindrana boky maro be araka izay azoko natao tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah aho ary nandany ora maro namakiana azy ireo. Afaka nahita mora foana ny fahadisoan’ny fampianarana ny amin’ny Trinite sy ny afobe mirehitra ary ny tsy fetezan’ny fanahy (âme) ho faty aho. Tiako ny lojika sy ny fanjohian-kevitra mahery avy ao amin’ny Baiboly nampiasain’ireo boky.
Fampitahana ireo Baiboly sy ireo mpino
Ireo tompon’ilay toeram-piompiana dia niezaka nanakivy anay tsy hianatra miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. “Manana Baiboly hafa izy ireo, fandikan-teny diso iray”, hoy izy ireo taminay. “Tsy maintsy hohamariniko izany”, hoy aho. Nindrana fandikan-tenin’ny Baiboly vitsivitsy tamin’ireo tompon’ny toeram-piompiana aho ary nahazo Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao (anglisy) koa, ary nampitaha azy rehetra ireo tamin’ilay Baiboly amin’ny fiteny hebreo. Nientam-po aho nahita fa ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao no fandikan-teny marina sy araka ny marina indrindra. Nitombo ny fatokiako ireo zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society.
Rehefa nanatrika fivoriana voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana izahay, dia tsy azonay daholo izay rehetra noresahina tao, nefa tsy nanana fahasahiranana mihitsy izahay nahazo ny fitiavana mahatalanjona nasehon’ilay kongregasiona taminay. Nanohina anay mafy ny nilazana matetika ny anaran’i Jehovah. “Jehovah, Jehovah”, hoy ny naverimberiko teny an-dalana nody. “Tsy hoe ‘Andriamanitra’ fotsiny izany izao, fa ‘Jehovah Andriamanitra’ ”, hoy aho tamin’ny vadiko.
Tamin’ny farany izahay dia nifindra tany Christchurch mba hiarahana bebe kokoa amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah sy mba hanatrehana ireo fivoriana rehetra. Ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou Création? dia tsy namela fisalasalana tao an-tsaiko intsony ny amin’ny fisian’i Jehovah Andriamanitra marina tokoa ary ny amin’ny maha-Mpamorona azy.
Mifankahalala amin’ireo rahalahy palestiniana izahay
Taorian’ny nifandraisako tamin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Israely, dia nahazo taratasy sasantsasany avy tamin’ireo Vavolombelona tany aho. Iray tamin’izany, ny taratasy avy tamin’ny vehivavy palestiniana iray, izay monina any amin’ny faritra andrefan’i Jordania, ary ny voalohan-teniny dia hoe: “Ry Rami Anadahiko”. Nihevitra aho hoe sarotra inoana izany, satria ireo Palestiniana dia fahavaloko, ary indro ny iray tamin’izy ireo dia miantso ahy hoe: ‘Ry anadahiko’. Nanomboka nankamamy ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina tsy manam-paharoa maneran-tany misy eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah aho. Novakiko fa nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia natao tany amin’ireo toby fitanana ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, nampijalina sy novonoina noho ny tsy fetezany niady tamin’ireo rahalahiny ara-panahy tany an-tany hafa. Eny, izany no nantenaiko avy amin’ireo mpanara-dia marina an’i Jesosy. — Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 3:16.
Nanohy nandroso tamin’ny fianaranay izahay. Tao anatin’izany fotoana izany, dia nomen’ny sampan-draharahan’ny fifindra-monina ao Nouvelle-Zélande lalana tamin-katsaram-panahy honina eto maharitra izahay, ka izany dia mbola nanampy tamin’ny fifalianay. Ankehitriny izahay dia afaka manorim-ponenana sy manompo an’i Jehovah ao amin’ny iray amin’ireo tany kanto indrindra eto amin’izao tontolo izao.
Ny ray aman-dreniko sy ny fahamarinana
Mazava ho azy, fa vantany vao nianatra ireo fahamarinana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly ireo izahay, dia nanomboka nanoratra tamin’ny ray aman-dreniko momba izany aho. Efa nilaza ny faniriany hitsidika anay izy ireo. “Nahita zavatra misy vidiny noho izay mety ho vola rehetra aho”, hoy ny nosoratako, mba hampitomboana ny fahalianan’izy ireo. Tonga teto Nouvelle-Zélande izy ireo tany amin’ny faramparan’ny 1987, ary nanomboka niresaka saika avy hatrany momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izahay. Nihevitra ny raiko fa lasa adala aho satria nino an’i Jesosy, ary niezaka mafy izy nanaporofo fa diso aho. Saika isan’andro izahay no nifamaly. Tamin’ny farany anefa, ireo fifamaliana dia nanjary fifanakalozan-kevitra, ary ireo fifanakalozan-kevitra dia nanjary fianarana Baiboly. Noho ny fitiavana marina nasehon’ny Vavolombelona tamin’izy ireo, dia hitan’ny ray aman-dreniko ny hatsara sy ny lojikan’ny fahamarinana.
Fifaliana toy inona moa ny nahita ny ray aman-dreniko nafahana tamin’ny fatoran’ny fivavahan-diso, ary tatỳ aoriana, tamin’ny fanindrahindram-pirenena koa! Taorian’ny fitsidihana naharitra efa-bolana, dia nody tany amin’ny tanàna onenany izy ireo, any akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, nitondra ny fahamarinana. Tany izy ireo dia nanohy nianatra tamin’ny Vavolombelona roa avy tamin’ny kongregasiona akaiky indrindra, izay tany amin’ny 65 kilaometatra. Tsy ela izy ireo dia nanomboka niresaka tamin’ny hafa momba an’i Jehovah sy ny Teniny. Andro vitsivitsy talohan’ny nanombohan’ny adin’ny Golfe Persique, dia nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’i Jehovah izy ireo.
Tao anatin’izany fotoana izany, dia nikambana tamin’ny fianakavian’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany izahay mivady, rehefa nanamarika ampahibemaso ny fanoloranay tena ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny Jona 1988. Nino mafy aho, fa tsy nisy afa-tsy fomba tokana hanompoana an’i Jehovah ho ahy, ary izany dia tamin’ny naha-mpitory manontolo andro; koa nanararaotra avy hatrany ny fahafahana voalohany niseho aho mba hidirana tamin’ny fanompoana manontolo andro. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana hoe hatraiza aho no vonona hanao zavatra ho an’ny fireneko, hatramin’ny fanaovana vivery ny aiko mihitsy aza. Vao mainka aho tokony ho vonona hanao toy izany ho an’i Jehovah Andriamanitra, izay fantatro fa tsy handiso fanantenana ahy na oviana na oviana! — Hebreo 6:10.
Isaoranay i Jehovah noho ny fanantenana mahagaga nomeny anay, fanantenana fa tsy ho ela ny planeta Tany dia ho tonga fonenana kanto ho an’ireo tia marina tokoa ny fahamarinana — fonenana izay tsy hisian’ny fanindrahindram-pirenena sy ny fivavahan-diso intsony ka noho izany, dia tsy hisy ady sy fahoriana ary tsy rariny. (Salamo 46:8, 9). — Notantarain’i Rami Oved.
[Sarintany, pejy 20]
(Jereo ny gazety)
LIBAN
SYRIA
ISRAELY
Tiberiady
Ireo Faritany Nalaina An-keriny
Jeriko
Jerosalema
Andilan-tanin’i Gaza
JORDANIA
[Sary, pejy 23]
Rami Oved sy ny fianakaviany amin’izao fotoana izao