Manàna Fiainam-pianakaviana Sambatra
REHEFA nandefa ilay taratasy mivalona hoe Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana tany amin’ny iray amin’ireo mpitsabo mpanampy nikarakara azy ny marary iray tany Caroline Atsimo, any Etazonia, dia nandefa telefaonina mba hisaotra azy ilay mpitsabo mpanampy. Nilaza ilay mpitsabo mpanampy fa niara-nankafy tamin’ny vadiny an’ilay taratasy mivalona izy, ary dia niara-namaky azy io tamim-pankasitrahana izy ireo. Raha ny marina, dia nilaza ilay mpitsabo mpanampy fa tsy nino izy ireo hoe nisy zavatra manorina toy izany mba hanampiana ireo fianakaviana.
Nanazava toy izao ilay marary: “Nilaza tamiko ilay mpitsabo mpanampy fa io fanazavana io mihitsy no noresahin’izy mivady mahakasika ireo filamatra sy zavatra manorina eo amin’ny fianakaviana, kanefa dia tsy fantatr’izy ireo mihitsy hoe nisy zavatra momba ilay foto-kevitra tamin’ny endriny vita pirinty. Namarana ilay antso an-telefaonina izy tamin’ny filazana fa mitahiry ilay taratasy mivalona kely any aminy izy na aiza na aiza alehany, ary mamerimberina mamaky azy. Nilaza izy fa raha nanana fanazavana hafa na inona na inona mikasika ny fiainam-pianakaviana hatolotra aho, dia aoka hampahafantatra izany azy raha sitrako.”
Nandefa ilay boky hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra tany amin’ilay mpitsabo mpanampy ilay marary ary nanao fandaharana mba hifanaraka tamin’ilay mpitsabo mpanampy mba hiara-mandinika azy io. Angamba ianao koa hankasitraka fanazavana izay manampy mba hahasambatra kokoa ny fiainam-pianakavianao. Raha maniry hahazo iray amin’ilay taratasy mivalona hoe Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana sy ilay boky hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra ianao, na maniry hahazo fianarana ny Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano, dia manorata aza fady any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, na any amin’ny adiresy mifanentana voatanisa ao amin’ny pejy faha-5.