Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Ahafahako Manalavitra ny Filalaovana Amin’ny Fahalotoam-pitondran-tena?
“Nihevitra aho taloha fa tsy mampaninona ny fifanorohana sy ny fifanafosafoana, fa fomba fanehoana ny fihetseham-poko lalina sy ny fitiavako fotsiny izany. Noheveriko fa ho afaka hijanona alohan’ny hanaovana zavatra tena lehibe toy ny fijangajangana aho. Tena diso hevitra anefa aho.” Toy izany no nosoratan’ny vehivavy tanora iray atao hoe Valerie, izay latsaka tao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena.a
FANTATR’IREO tanora kristiana fa melohin’ny Baiboly ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana. (1 Korintiana 6:9, 10). Mety tsy hahatsapa anefa ny sasany fa melohin’ny Baiboly koa ny filalaovana amin’ny fahalotoam-pitondran-tena — amin’ny fanaranam-po amin’ny fifankazarana tafahoatra, izay voatokana mazava ho an’ny olon-droa mpivady.b (Galatiana 5:19). Midika ve izany fa tsy mety ny fifanehoam-pitiavana? Tsia, tsy izany.
Ny Baiboly dia milaza ny tantaran’ny tovovavy solemita sy ny tovolahy iray mpiandry ondry izay mpifamofo. Nadio sy nahitana fahatsaram-pitondran-tena tamin’ny fomba tsy azo tsinina ny fiarahan’izy ireo talohan’ny fanambadiany. Miharihary anefa fa nifaneho mari-pitiavana sasany izy ireo talohan’ny nivadiany. (Tonon-kiran’i Solomona 1:2; 2:6; 8:5). Tahaka izany koa amin’izao andro izao, ny olon-droa sasany miaraka alohan’ny fanambadiana dia mety hihevitra fa fanehoam-pitiavana mety, ny mifampitantana sy ny mifamihina rehefa akaiky ny fanambadiana.c
Mora aoka izany ho an’ny olon-droa manana fikasana mendrika ny ho voatariky ny fientanam-pony tafahoatra ka hanomboka hilalao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena. Ahoana no ahafahany manalavitra ny fanaovana izany?
“Ny fitandremana”
Manontany toy izao ilay mpanao Salamo ao amin’ny Salamo 119:9: “Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto?” Ny valiny? “Ny fitandremana araka ny teninao.” Ny fomba iray hitandremana dia ny mifantina ny namanao. “Ireo namako dia mampihatra fanerena amiko foana mba hahatongavako hatramin’ny fijangajangana”, hoy ny ankizilahy amerikana iray atao hoe Nakia. Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Araka izany, dia nanome torohevitra tsara ny gazetiboky iray ho an’ny tanora rehefa nilaza toy izao: “Miezaha mitady namana vaovao izay mitovy hevitra aminao raha ny amin’ny zavatra heverina ho sarobidy.”
Ny fomba hafa iray hitandremana dia ny manalavitra ireo toe-javatra mety hahitan-doza. Diniho izay nitranga rehefa nasain’ilay olon-tiany ilay ankizivavy solemita mba hanao fitsangantsanganan’ny mpifankatia. Azo lazaina fa nadio ny antony nanosika ilay tovolahy; naniry hankafy niaraka taminy fotsiny ny hakanton’ny lohataona izy. Na dia izany aza, dia ‘tezitra taminy’ ireo anadahin’ilay ankizivavy solemita. Tsy hoe tsy natoky azy roa izy ireo. Fantatr’izy ireo tsara kosa anefa ny fakam-panahy mety hipoitra raha navela hitokana tamin’ny toerana nety ho amin’ny fifanehoany fitiavana ireto mpifamofo. Ny fanafodiny? Nisakana ny fikasan’izy roa feno nofinofiny ny zokiny lahy ary nanome asa mafy iray hataon’ny anabaviny mba hihazonana azy ho be hatao. — Tonon-kiran’i Solomona 1:6; 2:8-15.
Ny fitokanana irery amin’ny toerana mety ho amin’ny fifanehoam-pitiavana dia mbola miteraka tarehin-javatra mampidi-doza amin’izao andro izao. Mahatsiaro toy izao ny zatovovavy iray, hataontsika hoe Mary: “Rehefa niaraka izahay, dia mazàna nanana chaperon [olona fahatelo miaraka].” Indray mandeha anefa dia tafaraka irery tao amin’ny trano iray izy ireo. “Voatariky ny fientanam-ponay tafahoatra izahay. Tena hadalana ny namelanay izany hitranga. Nanana ilay fihetsika izahay hoe ‘Tsy hitranga aminay izany’. Fantatro izao fa tsy maintsy manana chaperon ny tena amin’ny fotoana rehetra, na inona na inona toe-javatra. Manaova fandaharana hafa raha tsy afaka mahita olona hiaraka aminareo ianao. Tsy mailo tamin’ny loza izahay.”
Aoka ianao ho mailo amin’ny loza foana! Raha miaraka alohan’ny fanambadiana ianareo dia hevero amim-pitandremana ny fiarahanareo. Raha azo atao, dia aoka ianareo hiaraka eo anivon’ny antokon’olon-kafa, na antitrantero ny hisian’ny chaperon iray. Halaviro ny toe-javatra mety hahitan-doza, toy ny fitokanana irery ao anaty fiara mijanona na ao anatin’ny trano. Ankafizo ny fiarahanareo, amin’ny fitsidihana tranom-bakoka, fankanesana any amin’ny hotely fisakafoana sy ny sisa, izay mazàna ahitana fiarovana kokoa. Sahala amin’izany, dia azonao tadidina koa ny tenin’i Hosea 4:11 milaza toy izao: ‘Divay sy ranom-boaloboka no mahalasa saina’. Koa satria mampihena ny fifehezan-tena ny alkaola, dia fahendrena ny hitandremana indrindra momba ny fampiasana azy io, na dia efa ampy taona aza ianao.
Fanisiana fetra
Manome torohevitra lehibe iray hafa ny Ohabolana 13:10 rehefa milaza toy izao: “Ao amin’[izay miara-midinika, NW ] no misy fahendrena.” Aza miandry ho ao amin’ny toerana sasany mety ho amin’ny fifanehoam-pitiavana feno fientanam-po vao hanorina fitsipika harahina. Fahendrena ho an’ny olon-droa miaraka alohan’ny fanambadiana ny manisy fetra mialoha, amin’ny fiaraha-midinika amim-pahatsorana ny amin’izay ho fifanehoam-pitiavana mety hataon’izy ireo. Samy tsy maintsy manaraka ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Efesiana 4:25 izy ireo: “Samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo”.
Aoka hatao hoe mahatsapa ny tovovavy iray fa tonga amin’ny fetra izay hetezan’ny fifanorohana ho fanaovam-beloma ny fifandraisany amin’ny tovolahy iray. Mety hahatsapa anefa ilay tovolahy, rehefa heveriny ny toe-tenany ara-pihetseham-po, fa fakam-panahy loatra ho azy ny hifanoroka. Matahotra ny holavina izy na angamba mahatsapa ho voatery hampifaly ilay tovovavy, ka mety hanao zavatra mifanohitra amin’izay fantany fa tsara. Nefa, na dia mety hahasanganehana azy aza izany, dia mila milaza ny marina izy ka hamoaka ny tena fihetseham-pony amin’io lafiny io. Koa satria ny fitiavana kristiana “tsy mitady ny tombontsoany manokana”, ny tsirairay avy dia tokony hanaja ny fihetseham-pon’ilay hafa — sy ny feon’ny fieritreretany — amin’io raharaha io. (1 Korintiana 13:5, NW; 1 Petera 3:16). Marina fa mety ho sarotra sy hahasanganehana, indrindra eo am-piandohan’ny fifaneraserana, ny miresaka momba ny foto-kevitra manahirana toy izany. Manampy be dia be anefa izany mba hisorohana ireo zava-manahirana lehibe tsy hitranga any aoriana. Mahaliana ny manamarika fa ny fahaizanareo mampita hevitra sy mifanaraka amin’ireny raharaha ireny dia azo ampiasaina ho toy ny famantarana ny mety hahamafy orina ny fifandraisanareo ao anatin’ny fanambadiana.
‘Raha tia ahy ianao dia hanaiky ahy’
Indraindray anefa, na dia ao aza ny fikasana tsara indrindra, dia manomboka miharatsy ny tarehin-javatra. Amin’izay no tokony hamoahana izay eritreretinao! Amin-katsaram-panahy nefa amin’ny fomba tsy azo hozongozonina dia hitsaho ny fihisatra, raha azo atao ny milaza izany. Raha ilaina dia mialà eo. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 23:2.) Ahoana raha mandà tsy hanaja ny fetra antonona ilay olona iarahanao ka manohy manery anao hanao zavatra lasa lavitra loatra? Mampalahelo fa ny tanora sasany dia voafitaky ny fanamarihana mangarahara toy ny hoe ‘Raha tia ahy ianao dia hanaiky ahy’ na ‘Manao izany daholo ny olona rehetra’ na ‘Hivady tsy ho ela isika, koa inona no olana?’ Toy ny tamin’ny andron’ny Baiboly, dia misy ireo izay manandrana manangoly ‘amin’ny fandroboan’ny molony’. (Ohabolana 7:21; ampitahao amin’ny Salamo 5:9.) Aza manaiky hilefitra amin’izany fampitahorana am-bava izany!
Voalohany aloha, ny olona iray tena tia anao dia tsy hanery anao mihitsy hanao zavatra izay mandika ny feon’ny fieritreretanao kristiana na hanao izay hahasanganehana anao. (1 Korintiana 13:5). Faharoa, dia tsy marina fotsiny ny hoe ‘manao izany ny olona rehetra’. Ary na dia hanao izany aza ny olona rehetra, dia tsy midika velively izany fa tokony hanao izany ianao. Tadidio ilay fotopoto-pitsipika ao amin’ny Eksodosy 23:2 manao hoe: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy”.
Raha ny amin’ny fampanantenana hoe hivady, na aiza na aiza dia tsy manome lalana ny olon-droa mpifamofo hitondra tena toy ny mpivady ny Soratra Masina. Etsy an-danin’izany, mariho ireo tarehimarika mampalahelo nanaovana tatitra tao amin’ilay boky hoe The Compleat Courtship nosoratan’i Nancy Van Pelt: “Maherin’ny 33 isan-jaton’ireo ankizivavy efa nanao firaisana no nino fa ilay olona niray tamin’izy ireo tamin’ny voalohany dia hanambady azy — nefa vitsy tamin’ireny no nanao izany. Fito isan-jatony monja tamin’ireo tovolahy zatra manao firaisana anefa no nihevitra ny hanambady ny tovovavy niarahany rehefa notsapaina ny heviny. Iray amin’ireto zavatra roa ireto no mitranga — na namita-tena ilay ankizivavy na tsy nilaza taminy ny marina ilay ankizilahy. Na mety ho marina avokoa ireo roa ireo. Milaza toy izao ny ohabolana feno fahendrena iray: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” — Ohabolana 14:15.
Rehefa voatariky ny fientanam-ponareo tafahoatra ianareo
Ny ankizilahy alemanina iray atao hoe Thomas dia nitsotra toy izao: “Niaraka tamin’ny ankizivavy iray tsy tapaka aho, ary lasa lavitra izahay tamin’ny fifanorohanay sy ny fifanafosafoanay. Toa nijanona tamin’ny fotoana nety foana anefa izahay. Izany dia nahatonga ahy hihevitra fa afaka hifehy ny tenako aho.” Nitarika azy ho amin’ny fanaovana fahalotoam-pitondran-tena izany hevi-dravina izany. Mampahatsiahy toy izao ny fampitandremana ao amin’ny Baiboly: “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao lavo.” — 1 Korintiana 10:12.
Ahoana raha latsaka ao amin’ny fitondran-tena tsy mendrika ny olon-droa? Hoy ny tovolahy iray antsoina hoe John: “Rehefa nanomboka niaraka izaho sy ilay fofombadiko talohan’ny fanambadianay, dia nadio sy voahazona tamin’ny fetra ambony ny fitondran-tenanay. Nefa indray mandeha dia nanomboka nifanoroka sy nifanafosafo izahay — saika tonga tamin’ny fijangajangana mihitsy. Tamin’izay no nanapa-kevitra hiresaka tamin’ny loholona iray tao amin’ny kongregasiona aho.” Eny, rehefa namela ny toe-javatra ho lasa lavitra ny olon-droa, dia samy mila fanampiana izy ireo! Aza mamita-tena amin’ny fieritreretana fa afaka mandamina irery ilay zava-manahirana ianao. “Nivavaka tamin’Andriamanitra aho hoe ‘Ampio izahay tsy hamerina izany intsony’ ”, hoy ny ankizivavy iray nitsotra. “Indraindray dia nety ilay izy, nefa indraindray koa dia tsy nety.” Araka izany, dia manome torohevitra tsara ny Baiboly rehefa milaza hoe: ‘Ampanalao ny loholon’ny kongregasiona’. (Jakoba 5:14). Afaka manome izay mety ho torohevitra na fananarana rehetra hitany fa ilaina ireny mpiandraikitra kristiana ireny, mba hampiverina amin’ny laoniny indray ny fifandraisanareo — ary ny mbola zava-dehibe kokoa, ny fifandraisanareo amin’Andriamanitra.
Tsara lavitra anefa ny fakana fiarovana mety sy ny fanisiana fetra mialoha, ary ny fahatapahan-kevitra hitoetra ho madio eo imason’Andriamanitra. Amin’izany fomba izany no ahafahanao manalavitra ny loza.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
b Jereo ny lahatsoratra “Les jeunes s’interrogent... Jusqu’où ne pas ‘aller trop loin’ ?” ao amin’ny nomeraon’ny Réveillez-vous! 22 Oktobra 1993.
c Any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao, dia heverina ho tsy mety sy manafintohina ny fifanehoam-pitiavana ampahibemaso eo amin’ny olona tsy mpivady. Hitandrina ny Kristiana mba tsy hitondra tena amin’ny fomba izay mety hanafintohina ny hafa. — 2 Korintiana 6:3.
[Sary, pejy 29]
Fahendrena ny fandavana ireo fanehoam-pitiavana diso toerana