Fitiavan-javatra Izay Nanova ny Fizotran’ny Fisehoan-javatra teo Amin’izao Tontolo Izao
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any India
TAMIN’NY taonjato faha-13, i Marco Polo dia nahita be dia be tamin’izy ireo. Niondrana an-tsambo i Christophe Colomb mba hitady azy ireo, kanefa ny Nouveau Monde kosa no hitany. Tamin’ny taonjato faha-15, i Vasco da Gama tamin’ny farany dia tonga tany India avy tany amin’ny ranomasina ary nitondra azy ireo niverina ho any amin’ireo mpividy may ny amin’izy ireo, tany Eoropa. Tena noheverina ho sarobidy aoka izany tokoa ireo zava-manitra ka nanao vivery ny ainy mihitsy ny olona mba hahazoana azy ireo!
Rehefa nanampina ny lalana an-tanety fandehanan’ireo mpandranto niray dia, ireo fiovana ara-politika, i Vasco da Gama dia nandany roa taona nanaovana dia nisy 39 000 kilaometatra nandroso sy niverina niala tao Portogaly, nanodidina ny tendron’i Afrika ka hatrany India ary niverina. Ny roa tamin’ireo sambony no tafaverina avy tamin’izany dia izany, nitondra zava-manitra sy entana hafa eran’ny sambo izay nanonitra in-60 heny ny saran’ilay dia! Kanefa ny fahombiazan’ny diany dia nampiditra ireo firenena eoropeana tao anatin’ny ady. Nandritra ireo taonjato telo nanaraka, i Portogaly, i Espaina, i Frantsa, i Holandy ary i Angletera dia nifaninana mba hahazo ny fifehezana ireo toerana fiavian’ireo zava-manitra.
Ny tantaran’ireo zava-manitra, araka ny famintinana nataon’ny mpanoratra iray, dia “tantaran’ny fahasahisahiana, ny fahitana tany vaovao, ny fandresena ny hafa ary ny fandrafiana an-dranomasina tsy an-kiantra”. Hoy ny nolazain’i Frederic Rosengarten Jr. tao amin’ny The Book of Spices: “Nahasoa aoka izany, eny, tena nilaina mihitsy aza, ireo zava-manitra, teo amin’ny ara-politika sy ny ara-toe-karena, hany ka naniraka andian’olona mba hitady azy ireny ireo mpanjaka, nanao vivery ny ainy sy ny hareny mba hiditra tamin’ny fivarotana azy ireny ireo mpanao varotra, nisy ady natao noho izy ireny, nisy mponina sesehena nandevozina, hita ny giloby manontolo, ary nisy fiovana nisy vokany lehibe toy ny renaissance nateraky ny fifaninanana tsy an-kijanona sy tsy an-kiantra.”
Rehefa nifehy ny varotra zava-manitra ny Holandey, dia nanampy dimy shillings isaky ny antsasa-kilao tamin’ny vidin’ny dipoavatra rehefa nivarotra azy tamin’i Angletera izy ireo. Tezitra mafy noho izany ny fitambarana mpanao varotra tany Londres ka nivory tamin’ny 1599 mba hanorina ny fikambanam-barotry ny tenany manokana, izay nanjary fantatra tatỳ aoriana tamin’ny anarana hoe La Compagnie des Indes Orientales. Ny herin’io fikambanam-barotra io dia nitarika ho amin’ny fanapahan’ny Anglisy teo amin’i India nandritra ny 300 taona mahery.
Tsy eo intsony ny fifaninanana tsy an-kiantra, kanefa mbola mitohy ihany ny fitiavan’ny olona maneran-tany ireo zava-manitra. Ary angamba na aiza na aiza dia tsy tian’ny olona ohatra ny eto India ireo zava-manitra.
Tantaram-pitiavana eo amin’i India sy ny zava-manitra
Tsy afa-misaraka ireo zava-manitra sy ny fandrahoan-tsakafo karana, hany ka azo atao ny milaza fa misy tantaram-pitiavana eo amin’ilay tany sy ireo zava-manitra. Iza tokoa no tsy nahare momba ny laoka karana — anam-bazaha, na atody, na hena, na trondro na akoho nahandroina ketsaketsa ka nasiana karazan-java-manitra matsiro maro? Ny sasany amin’ireny tsiron-javatra ireny koa dia hita ao amin’ny tsindrin-tsakafo, ka izany dia manamafy fa ny hoe “nasiana zava-manitra” dia tsy mitovy amin’ny hoe “masiaka toy ny sakay”. Na dia ilay dite nomamina tamin’ny ronono ka tian’ny olona eto aoka izany aza dia matsiro kokoa rehefa misy cardamome, jirofo, sakamalao na fitambarana tsiron-javatra maromaro. Rehefa heverina ny fitiavany zava-manitra mampahatsiro sakafo toy izany, moa ve mahagaga raha mitana ny toerana voalohany i India raha ny amin’ny fihinanan’ny isam-batan’olona zava-manitra?
Mandehana fotsiny mitsidika ny lakozian’ny mpahandro sakafo karana iray, dia hahita zava-manitra mampahatsiro sakafo samy hafa loko sy endrika am-polony maro ianao. Anisan’izany ny voan-tsinapy madinika mainty; ny tahon-cannelle mamerovero sady mavo antitra; ny voana cardamome maitso; ny tamotamo mavo mangirangirana; ny fakana sakamalao miolakolaka tsy mamiratra; ary ireo sakaipilo mena manjopiaka. Ampitahao amin’ny vovo-carry fahita eny amin’ireo fivarotana any amin’ny tany rehetra ireo karazan-javatra maro samihafa ireo. Mazava ho azy fa misy fifangaroan-java-manitra maro samihafa ny vovo-carry, ary mety amin’ny ilana azy. Kanefa tsy mahasolo an’ireo fifangaroan-java-manitra maromaro — antsoina hoe masalas — ampiasaina eto India, mihitsy izy io.
Masalas manokana, efa vita mialoha no ampifangaroina ho an’ny sakafo samy hafa, toy ny anam-bazaha, ny trondro, ny akoho ary ny hena. Kanefa matetika kokoa, dia atambatra amin’ny fotoana andrahoan-kanina ireo zava-manitra, ka miankina amin’ilay sakafo ahandroina ny karazany sy ny habetsahany ilaina. Fantatr’ilay mpitana tokantrano karana za-draharaha ny filaharana tsara sy ny fotoana marina tokony hampidirana ny zava-manitra tsirairay eo am-pandrahoan-kanina. Hainy mihitsy aza ny mamoaka tsiron-javatra samy hafa avy amin’ny zava-manitra iray ihany amin’ny fanendasana azy, na amin’ny fitotoana azy, na amin’ny fandatsahana azy manontolo ao anaty menaka mahamay, na amin’ny fanambarana azy amin’ny zava-manitra hafa.
Ireo mpitsidika any India matetika dia gaga mahita ireo karazan-tsakafo maro samy hafa. Ankoatra ny fisarahana lehibe eo amin’ny sakafon’i India Avaratra sy ny an’i India Atsimo, ireo kolontsaina isam-paritra eo amin’ilay tany, toy ny any Bengale, Goa, Gujarât ary Pendjab, koa dia samy manana ny fanomanan-tsakafony manokana. Ireo finoana ara-pivavahana koa dia misy fiantraikany eo amin’ny tsiron’ny sakafo. Noho izany, any amin’ny faritr’i Gujarât, ny olona iray dia mety hahita sakafo hindoa mahazatra tsy misy hena, fa any amin’ny faritra avaratr’i India kosa izy dia mety hankafy sakafo moghol misy hena, izay mampahatsiahy ireo andro nandresen’ny fivavahana silamo. Koa ny fiaraha-misakafo hariva amin’ny fianakaviana hindoa, silamo, sikh, jaïn, parsi ary kristiana àry dia mety hahitana sakafo tsy hitovy velively.
Tena mety ho an’ny fambolena zava-manitra
Na dia maniry manerana ny tany aza ny zava-manitra, i India dia mamokatra azy ireo mihoatra noho ny tany hafa, na iza izany na iza — karazany samy hafa maherin’ny 60. Ary manondrana zava-manitra sy zavatra hafa avy amin’ny zava-manitra, mivaingana manontolo sy vovony, ho any amin’ny tany maherin’ny 160 izy. Ny faritra atsimon’i India no loha laharana eo amin’ny famokarana zava-manitra eo amin’ilay tany. I Cochin, eo amoron’ny Ranomasin’i Arabia, izay antsoina matetika hoe “Venise Tatsinanana” noho ny hakantony sy ireo lakan-dranony maro be, dia manome lalana mivantana ho amin’ireo zava-manitra izay mandrobona noho ny toetr’andron’ny tany mafana hita any amin’ny morontsiraka lonak’i Malabar.
Ny seranan’i Cochin dia nampiasain’ireo Fenisiana, Egyptiana, Persiana, Sinoa, Romana, Grika ary Arabo ho toy ny toeram-panaovam-barotra iraisam-pirenena hatrany amin’ny andro taloha. Mahaliana fa ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia manonona “ireo mpivaro-mandeha amin’ny tany” izay nandranto “ny karazan-javatra avy amin’ny ivory rehetra (...) ary koa cannelle sy zava-manitra avy any India”. — Apokalypsy 18:11-13, NW.
Ny dipoavatra mainty, malaza ho ny “mpanjakan’ireo zava-manitra”, no voalohany notadiavin’ireo mpandranto. Tsy vitan’ny hoe zava-manitra nampahatsiro sakafo fotsiny izy io, fa zavatra tena nilaina koa mba hiarovana ireo hena sy sakafo mora simba hafa. Rehefa ampiana zava-manitra ny sakafo sasany izay ho simba na tsy ho azo ampiasaina raha tsy izany, dia ho azo tahirizina mandritra ny herintaona na mahery, tsy mila fampangatsiahana. Ambonin’ny dipoavatra, tatỳ aoriana ireo mpandranto dia naniry zava-manitra hafa — cardamome, coriandre, fenouil (karazana karaotin-tsoavaly) ary fenugrec, raha ireo fotsiny no tononina.
Kanefa, tsy ireo zava-manitra rehetra maniry eto India akory no avy teto. Ny sakaipilo mena, ohatra, dia nampidirina teto avy tany Amerika Atsimo. Ny Dr. C. V. Raman, Karana nahazo ny Loka Nobel tamin’ny fizika, dia nilaza indray andro fa ‘matsatso sy tsy azo hanina ny sakafo rehetra tsy misy sakay’. Maro amin’ireo notezaina tamin’ny karazan-tsakafo hafa no mety tsy hitovy hevitra amin’izany. Kanefa, soa ihany fa novatsin’ny Mpamorona be fitiavana iray tamin’ny sakafo maro isan-karazany ny fitoeran-tsakafon’ny tany, ka mahafa-po ireo fitiavan-javatra mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra.
Tsy fanatsarana tsiron-tsakafo fotsiny
Manan-tantara maharavo ireo zava-manitra. Ny Baiboly dia manisy resaka be dia be momba ny anjara asan’ireo zava-manitra nampiasaina tao amin’ireo menaka fanosorana sy ditin-kazo manitra ary ranomanitra. Manonona ny fampiasana zava-manitra tao amin’ny menaka fanosorana masina sy tao amin’ny ditin-kazo manitra nampiasaina tao amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema, koa izy, ary miresaka momba ireo zava-manitra naharo tao amin’ireo divay. (Eksodosy 30:23-25, 34-37; Tonon-kiran’i Solomona 8:2). Fanampin’izany, ny Baiboly dia mampiharihary fa ireo Kristiana voalohany dia nitondra zava-manitra mba hanamboarana ny fatin’i Jesosy Kristy halevina. — Jaona 19:39, 40.
Teto amin’ity tany ity, ireo ankizivavy karana efa hatramin’ny taranaka maro dia nampiasa ny fakan-javamaniry iray mamiratra toy ny volamena mitovy amin’ny sakamalao — ny tamotamo. Ahosotra amin’ny hoditra mba hanatsarana azy ny koba azo avy amin’ny tamotamo. Amin’izao andro izao, ireo taozava-baventy manao ranomanitra sy zavatra fanosotra amin’ny tarehy dia mampiasa menaka avy amin’ny nigelle, ny carvi, ny cannelle, ny casse, ny jirofo, ny muscade, ny macis, ny romarin ary ny cardamome amin’ny fampifangaroana menaka mora lasan-ko etona sy menaka tsy mora lasan-ko etona mba hanaovana ranomanitra manintona am-polony maro. Ireo zavatra ireo koa dia ampiana amin’ny savony, talc, ranon-javatra fampiasa rehefa avy miharatra, ranomanitra, fanadiovana vava ary zavatra hafa tsy hita isa.
Ambonin’izany, dia nampiasaina efa hatramin’ny ela teo amin’ny fitsaboana ny zava-manitra. Ny sakamalao, ny tamotamo, ny tongolo gasy, ny cardamome, ny sakay, ny jirofo ary ny safran dia anisan’ireo zava-manitra ampirisihan’ny Ayurveda, ny fomba fitsaboana atolotra ao amin’ireo Vedas, dia ireo soratra hindoa amin’ny fiteny sanskrit. Ny olona mitsidika fivarotam-panafody iray any India amin’izao andro izao dia mbola hahita menaka hitsaboana ratra sy may vita amin’ny tamotamo, dentifrice misy zava-manitra 13 ary zavatra hafa am-polony maro vita amin’ny zava-manitra hitsaboana aretina samihafa.
Noho izany, ny fijerena ny tantaran’ireo zava-manitra dia mampiseho fa, raha tsy nisy azy ireo, dia ho hafa ny fitiavan-javatra teo amin’ny sakafo, tsy ho ohatra izao ny fitsaboana ary ho hafa ny fizotran’ny tantara. Ny fitiavana ireo zava-manitra dia tena nanova ny fizotran’ireo fisehoan-javatra teto amin’izao tontolo izao misy antsika — ary tsy tamin’ny fomba iray ihany.
[Sary, pejy 23]
Santionany kely ny amin’ireo zava-manitra maro tian’ny olona maneran-tany
Mpivarotra eny amoron-dalana mandanja zava-manitra ho an’ny mpividy
Zava-manitra miandry mpividy azy ao amin’ny fivarotana iray any Cochin