‘Fanomezana Iray Tsy Manam-paharoa’
IZANY, raha ny marina, no nolazain’ny vehivavy iray avy any São Paulo, any Brezila, momba ny zavatra vita an-tsoratra natao fanomezana mitondra ny lohateny hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Nalefan’ny nenitoany ho an’ny zanany vavy dimy taona ilay boky. Nanoratra ny fankasitrahany toy izao io vehivavy io:
“Isaky ny alina aho dia mamaky sombiny kely ho azy, ary tiany erỳ izany. Tena mahaliana azy izy io ka manao fanontaniana izy, manome fanazavana momba azy io ary manao fampitahana mihitsy amin’ny fiainany isan’andro aza, mampiasa ny fampianaran’ilay boky ho toy ny ohatra. Tsy mila mampahatsiahy azy akory aho dia mandeha maka ilay boky izy, liana ta hahafantatra ny tantara manaraka.
“Kanefa, tiako ny milaza fa tsy ho an’i Natalia fotsiny ilay fanomezana; ny fizarana ny fampianaran’Andriamanitra amin’ny zanako vavy dia nahatsara ahy koa. Nampitombo betsaka ny fifaliako sy ny fankasitrahako amin’ny maha-reny ahy izany.
“Misy karazana fanomezana maro be azontsika omena na raisina, ny sasany tsaraina amin’ny halafony, ny hafa amin’ny habeny. Nefa ity boky nalefa ho anay ity dia tsy azo ampitahaina amin’izay fanomezana rehetra toy izany. Ny hasarobidiny dia tsy azo tsaraina afa-tsy amin’ny fitiavana izay nanomezana azy sy amin’ny fifaliana nentiny tao am-pon’ireo izay nandray izany.”
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia fandaminana iraisam-pirenena misy mpianatra ny Baiboly mihoatra ny efatra tapitrisa, izay nanokan-tena mba hanampy ny olona hianatra bebe kokoa momba ny fikasan’Andriamanitra. Raha tianao ny hahazo fanazavana fanampiny na fampianarana Baiboly maimaimpoana any an-tokantrano, dia manorata, aza fady, amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo. (Raha monina any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5.)