FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/7 p. 9-11
  • Ireo taona maha-zatovo mampikorontan-tsaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo taona maha-zatovo mampikorontan-tsaina
  • Mifohaza!—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampianaro azy ireo fa misy vidiny ny fahadiovam-pitondrantena
  • Ny ohatrao manokana
  • Mbola tsy nampianatra azy ireo ve ianao?
  • Iresaho Momba ny Firaisana ny Zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Inona no Hataoko Raha Misy Manery ahy Hanao Firaisana?
    Manontany ny Tanora
  • Ry Ray Aman-dreny, Arovy ny Zanakareo!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ahoana Raha Resaka Firaisana no Anontanian’ny Ankizy An’ahy?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/7 p. 9-11

Ireo taona maha-zatovo mampikorontan-tsaina

IREO zatovo dia voahodidina hafatra manaitra ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ampiasaina ny momba ny lahy sy ny vavy mba hanaovana dokam-barotra, manomboka amin’ny kiraro izany ka hatramin’ny pataloa jeans. Ny mozika môderina dia feno fanipazan-kevitra momba ny lahy sy ny vavy. Ao amin’ny televiziona dia ahitana olon-dehibe manintona, miovaova olona iraisana. Nefa moa ve mety izany?

Ny gazety amerikana malaza iray dia nilaza fa ny “fampidirana malalaka ny foto-kevitra momba ny lahy sy ny vavy” ao amin’ny fandaharan’ny televiziona amin’ny fotoana maha-be mpijery indrindra, dia “fanaovana fandaharana mampanahy sy mampiseho tsy fahatsapana andraikitra tanteraka.” Nantsoin’ny The Journal of the American Medical Association hoe “fanambakana ny zatovo amin’ny alalan’ny fampitam-baovao manely fampisehoana sy dokam-barotra” izany.

Tsy maintsy ataonao azo antoka fa fantatry ny zanakao fa tsy ny olona rehetra akory no miaina tahaka izany. Eny, na dia nambara aza fa antsasaky ny tovovavy amerikana 17 taona no efa nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy, izany dia mbola midika fa ny antsasany hafa dia tsy nanao izany. Toy izao no nambaran’i William J. Bennett, Sekreteram-panjakana amerikana momba ny Fanabeazana teo aloha: “Tsy ‘ny olon-drehetra’ no manao izany, ary irintsika koa ny hanome ho an’ireo zatovo — ny antsasak’ireo tanora fito ambin’ny folo taona — fanohanana sy fampirisihana.”

Nanintona ny saina izy ho amin’ny fandinihana natao tao amin’ny Grady Memorial Hospital any Atlanta, any Georgie, Etazonia, izay nilazana fa zazavavy latsaky ny 16 taona 9 amin’ny 10 no “naniry hahafantatra ny fomba handavana ny firaisan’ny lahy sy ny vavy.” Azonao atao ve ny mandresy lahatra ny zanakao fa ny tsia mazava sy tsy miovaova, no hany valinteny mety amin’izay fitarihana rehetra hanaraka fitondrantena maloto, fa tsy ny fihetsika menamenatra sy misalasala? Azonao atao ve ny manampy azy ireny hahatsapa fa hohajain’ny olona mendri-kaja izy ireny noho izany? Hoy ny nambaran’ny zazavavy iray antsoina hoe Emily, tao amin’ny gazety iray any Kalifornia, any Etazonia: “Ny olona tena hajaina indrindra dia ireo izay mandà ny firaisan’ny lahy sy ny vavy.”

Tokony hampianao ireo zanakao tanora hahatsapa fa hery matanjaka ny fanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy — mahery aoka izany ka namokatra ny taranak’olombelona iray manontolo. Kanefa, tsy midika izany fa tsy azo fehezina izy io. Tsy izany kosa fa, tahaka ny fiara matanjaka iray fanaovana fifaninanana, dia tsy maintsy ampiasaina amin’ny fomba mety, araka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, izy io. Ny tsy firaharahana ny lalàna amin’ny lalana iray miolakolaka any an-tendrombohitra dia mety hampidi-doza. Ny tsy firaharahana ny lalàna ara-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy nomen’Andriamanitra dia hitondra vokany mitovy amin’izany. Amin’ny fomba ahoana no azonao anampiana ny zanakao, izay tianao indrindra, hanaiky an’izany zava-misy izany?

Ampianaro azy ireo fa misy vidiny ny fahadiovam-pitondrantena

Diniho miaraka amin’ny zatovonao ny ohatra tsara ao anatin’ny Baiboly nomen’ilay zazavavy iray tsara tarehy avy any Solema. Afaka nirehareha izy nilaza toy izao: “Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko.” Teo amin’ny ara-pitondrantena, dia tahaka ny tanàna mimanda tsy azo ianihana misy tilikambo izy. Ary teo imason’ilay ho vadiny, dia tahaka ny iray “efa mahita soa” izy. Eny, ny fiadanan-tsaina tsy voahelingelin’ny fangirifiriana entin’ny nenina dia soa iray tsy hay tombanana avy amin’ny fahadiovam-pitondrantena. — Tonon-kiran’i Solomona 8:10.

Nefa ahoana no ahafahan’ny tanora iray mitoetra tsy azo hozongozonina toy ny manda, eo amin’ny ara-pitondrantena? Alohan’ny mety hitrangan’ny raharaha toy izany, dia tsy maintsy azonao antoka fa fantatry ny zanakao mihalehibe ny ilàna hitandremana, amin’ny fanalavirana ireo tarehin-javatra izay mety hitarika, ary matetika dia mitarika mihitsy ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena. Ohatra, tokony ho fantany fa tahaka ny maha-mampidi-doza ny fitondrana fiara raha mamo ny tena, dia tahaka izany koa, fa mankahatra loza izay mankany amin’ny lanonan-jatovo hanolorana zava-pisotro misy alkaola na tsy hisian’ny olon-dehibe tompon’andraikitra hanatrika eo.

Tahaka izany koa, ampio izy ireo hahatakatra fa ny mitokana ao amin’ny trano iray (na efitrano lehibe) miaraka amin’ny tanora hafa iray izay tsy lahy na tsy vavy tahaka azy, dia varavarana mivoha ho amin’ny fakam-panahy. Tokony ho hitan’ny tanora mazava tsara ny loza ara-pitondrantena entin’ny famelana olona iray izay tsy vadiny hametraka ny tanany eo amin’ny faritra manokana amin’ny tenany, ao anatin’izany ny nono. Hazavao aminy fa matetika ny fakam-panahy no manomboka amin’ny fikasihana ireo faritra amin’ny tena toy ireny izay manaitaitra ny filana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 7:1.

Tokony hampianao ireo zanaka tianao hahatsapa fa ny tena fitiavana dia midika mihoatra lavitra noho ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ary ratsy ny fananana firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana. Ny tanora sasany dia nanaiky hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy talohan’ny nanekeny hiditra amin’ny fanambadiana. Mety ho nanana firaisana ara-nofo tamin’olona maromaro izy ireny nefa tsy nihevitra ny hanambady akory. Avy eo, arakaraka ny andehanan’ireo taona ka ahatsapany fa tena mila vady izy, dia ho hitany fa lasa manirery sy nilaozana ny tenany. Marina, fa tsy nisy olona nitaky ny hanaovany fanekena, nefa tsy nisy olona mihitsy koa nifanaiky taminy.

Ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy dia tokony hahafantatra fa ny maha-virjiny azy dia sarobidy loatra ka tsy tokony hariana tahaka ny rano efa nampiasaina. Ampio izy hahita fa ao anatin’ny fandaharana masin’ny fanambadiana ihany no mety hahatongavana ho amin’ny fahafinaretana feno eo amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Amin’ny fiteny mahafinaritra sy poetika dia milaza toy izao ny Baiboly: “Misotroa rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao ihany sy rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao. Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin’ny loharanonao, ary eny an-dàlambe ny rano velonao? Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao.” — Ohabolana 5:15, 16, 18.

Amin’ny maha-ray aman-dreny tia anao, dia tsy maintsy manao fiezahana manokana ianao mba hampianatra ireo zava-misy ireo. Fihaikana manokana izany amin’izao andro izao, satria mazàna dia eken’ny rehetra ny olona bevohoka tsy manambady. Nilaza i Lillian, vehivavy iray mpitsabo mpanampy amin’ny fampiterahana fa tsy manaitra azy intsony ny mahita tahotra amin’ny fijerin’ny raim-pianakaviana tsy manambady iray 15 taona, rehefa apetraky ny raibe na renibe mirehareha iray eo an-trotroany ilay zazalahikely vao teraka izay, sady tsy nivononany no tsy niriny, ary tsy hainy karakaraina.

Ny lehilahy iray mpilaza vaovao ao amin’ny televiziona dia nanao fanamarihana fa “zazavavy tanora dia tanora miteraka tsy manambady” maro matetika no tsy afaka mamita ny fianarany, na miasa, na manome fitaizana mety ho an’ny zanany. Ireny reny mbola zatovo ireny, hoy izy, dia “voafandrika ao amin’ny tantarany manokana izay ratsy fiafara. (...) Saika tsy azo ialana ny fahantrana ary mirona hitohy foana izany ao amin’ny fihodinkodinana mahatsiravina.”

Ny ohatrao manokana

Hisy vokany mahery eo amin’ny zanakao ny fihetsikao manokana. Indraindray izany dia amin’ny fomba mamitaka kokoa noho izay mety hoheverinao. Inona no hitranga rehefa zatra mijery vehivavy manintona ny ray iray? Na rehefa milaza ny reny iray eo am-pandalovan’ny lehilahy mahafinaritra ny maso hoe: “Bikàna izany raha lehilahy!”? Moa ve ny ray aman-dreny toy izany mampirisika ny zatovony hihazona ny fahadiovam-pitondrantenany? Raha ny toetra ara-batana no derainao manokana, moa ve tokony ho gaga ianao raha mametraka ny toetra ara-nofo alohan’ny fanarahana fitsipi-pitondrantena, ny hatsaram-po, ny tena fitiavana, na ny fifikiran’ny olona iray amin’Andriamanitra, ny zanakao?

Ny fampianarana ny zanakao izay ilainy ho fantatra momba ny lahy sy ny vavy àry dia mahafaoka mihoatra noho izay mety ho noheverinao. Tafiditra amin’izany ny fihetsikao, ny toe-tsaina foroninao ampanjakainao ao an-tokantrano, ny fahavononanao hampianatra ny zanakao dieny mbola kely izy, ary koa ny ohatra omenao. Miharihary fa mitaky fotoana sy fiezahana avokoa izany rehetra izany, nefa lehibe aoka izany ny valisoa!

Mbola tsy nampianatra azy ireo ve ianao?

Nefa inona no hatao raha efa lehibe ihany ny zanakao, kanefa ianao mbola tsy nidinidinika taminy ny amin’ireo zavatra ireo? Afaka milaza tsotra ianao hoe: “Diso tokoa aho niandry ela loatra vao niresaka taminao momba ireo zavatra ireo, nefa iriko indrindra ny hanananao fiainana tsara araka izay azo atao, koa izany no tsy maintsy hiezahako izao.”

Marina tokoa fa aleo miara-midinika ny amin’ireo raharaha ireo rehefa lehibe kokoa ny ankizy, toy izay tsy hanao izany mihitsy. Andraikitra tena lehibe sy tombontsoa ny fampianarana ny zanakao momba ny fitsipi-pitondrantena. Nilaza toy izao i Ron Moglia avy ao amin’ny Oniversiten’i New York: “Izay ray aman-dreny rehetra mahafoy ny zo ananany hiresaka momba ny lahy sy ny vavy amin’ny zanany dia mahafoy ny iray amin’ireo fanandraman-javatra mahatalanjona indrindra mety ho azony.”

Raha toa ka tsy ela izay no nahatsapanao ny hasarobidin’ireo fitsipi-pitondrantena takin’Andriamanitra ka fantatry ny zanakao fa tsy niaina nifanaraka tamin’ireny ianao tamin’ny lasa, dia ataovy takany ny antony niovanao izao. Angamba hanipy hevitra aminy ianao mba hamakiany ity gazety ity, ary avy eo hanao fandaminana mba hiara-mandinika ny fanazavana. Tsy tokony ho sanganehana ianao amin’ny filazan’ny tanora iray toy izao: “Efa fantatro daholo re izany e!” Na ireo hevitra tsy marim-pototra azony avy amin’ny mpianatra hafa na izay tantarain’ny namana mitovy taona aminy na ny fanandraman-javatra hitany manokana mihitsy aza, dia tsy mahasolo ny fitarihana ara-pitondrantena mahasoa. Ny fahamarinana dia hoe mety hitarika ho amin’ny loza ny tsy fahalalana.

Mety hitaky fiezahana lehibe ny fampianarana ny zanakao, nefa ny valisoa dia mety hihoatra noho izay eritreretinao! Hoy ny lazain’ny Baiboly amin’ny fomba tsotra sy mazava: “Izay olona marina mandeha amin’ny fahitsiany — sambatra ny zanany mandimby azy.” — Ohabolana 20:7.

[Sary, pejy 9]

Inona no ampianarin’ny televiziona momba ny lahy sy ny vavy?

[Sary, pejy 10]

Ny tsy firaharahana ny lalàn’ny fifamoivoizana dia mazàna mitarika ho amin’ny zava-manahirana lehibe, ary tahaka izany koa ny tsy firaharahana ny lalàna ara-pitondrantena nomen’Andriamanitra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara