FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/7 p. 4-6
  • Rahoviana no hatomboka izany ary inona no holazaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rahoviana no hatomboka izany ary inona no holazaina
  • Mifohaza!—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanazavana ny fiterahana
  • Rahoviana?
  • Tsy maharikoriko
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ny ankizy — andraikitra sy valisoa
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ny anjara asan’ny ray aman-dreny
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/7 p. 4-6

Rahoviana no hatomboka izany ary inona no holazaina

RAY aman-dreny maro mahatsapa tsara ny andraikiny no toa mihevitra fa ny fampianarana ny amin’ny lahy sy ny vavy ny zanany 13 taona dia azo tanterahina mandritra ny resadresaka menamenatra momba ny zava-misy manodidina ny firaisan’ny lahy sy ny vavy sy ny fiterahana rehefa miara-mandehandeha an-tongotra aminy any anaty ala mandritra ny folo minitra izy. Nefa matetika loatra izany no tsy vitan’ny hoe tsy ampy, fa diso aoriana loatra koa. Tsy mahalana no andrenesana ray aman-dreny be fitiavana manazava toy izao: “Saika izay zavatra rehetra nandramako notenenina taminy dia toa efa fantany avokoa.”

Moa ve misy fomba tsara kokoa hampianarana ny amin’ireo raharaha lehibe ireo? Ary raha misy izany, rahoviana no tokony hanomboka ny ray aman-dreny, ary inona no azony atao sy lazaina?

Amim-pahendrena, saiky hatrany amin’ny fahaterahan’ilay zazakely mihitsy no tokony hanombohanao mametraka ny fototra hanomezana azy tsikelikely an’izany fampianarana tena ilaina izany. Raha dieny mbola kely ilay zaza no atombokao izany, dia ho afaka hanolotra fanazavana amim-pahatoniana ianao, kelikely isaky ny mandeha mba ho takany, izany hoe mifanaraka amin’ny fahaizan’ny zanakao mandray soa avy amin’izany.

Raha mampandro ny zanany kely ny ray aman-dreny, dia azony atao ny mampianatra azy momba ny faritra samihafa amin’ny tenany: “Ity ny tratranao (...) eto ny vavoninao (...) ity ny lohalikao.” Nahoana moa no mitsambikina avy eo amin’ny vavony mankany amin’ny lohalika? Angaha mahamenatra ny eo anelanelany? Sa tsy faritra an’ny tena manokana fotsiny izy io? Mazava ho azy fa tsy ho tiantsika ny hampiasa teny tsy mendrika ho an’ireny faritra manokana ireny. Nahoana anefa raha lazaina tsotra fotsiny hoe “filahiana” na “fivaviana”? Izy ireny koa dia anisan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra nantsoiny hoe “tsara indrindra”. — Genesisy 1:31; 1 Korintiana 12:21-24.

Atỳ aoriana angamba, rehefa mahita zaza soloana tantinjaza ilay ankizy, dia azonao lazaina amim-panajana fa ny ankizilahy dia manana ny atao hoe filahiana ary ny ankizivavy ny atao hoe fivaviana. Azonao hazavaina moramora fa an’ny tenany manokana ireny zavatra ireny. Ao anatin’ny fianakaviana ihany no tokony hiresahana azy ireny, fa tsy amin’ny ankizy hafa na amin’olona ivelan’ny fianakaviana.

Araka izany, dia zavatra maro no azonao hazavaina alohan’ny mety hahatongavan’ireny ho mahasadaikatra, amin’ny fanombohana aloha, ary amin’ny fandrosoana tsikelikely arakaraka ny fitomboan’ny fahaizan’ilay zaza mahataka-javatra.

Fanazavana ny fiterahana

Rehefa telo na dimy taonaa eo ho eo ny zaza dia mety hanomboka ta hahalala bebe kokoa ny amin’ny fiterahana ka hanontany hoe: “Avy aiza ny zazakely?” Azonao atao ny mamaly tsotra hoe: “Ianao dia nitombo tao anatin’ny toerana mafana sy voaro tsara tao anatin’i neny tao.” Azo inoana fa hahafa-po azy izany amin’io fotoana io. Atỳ aoriana, dia mety hanontany ilay zaza hoe: “Ahoana no ivoahan’ny zazakely?” Afaka mamaly toy izao ianao: “Nanomana fivoahana manokana ho an’ny zazakely Andriamanitra.” Fohy ny faharetan’ny fitandreman’ny ankizy kely, noho izany ny valinteny tsara indrindra dia ny tsotra sy ny mivantana. Omeo kelikely isaky ny mandeha ny fanazavana ilaina, tahirizina ho amin’ny any aoriana kokoa ny fanampiny.

Raha mailo ny ray aman-dreny, dia afaka mahita fahafahana maro hampianarana. Raha miandry vohoka ny havana akaiky iray, dia afaka milaza ny reny iray hoe: “Azo inoana fa tsy ho ela dia hahazo zazakely i Nenitoa Hanta — toy ny azy ny haben’ny kiboko herinandro vitsy talohan’ny nahaterahanao.” Ny fiandrasana fahaterahan’ny zandrilahy kely na zandrivavy kely iray dia ahafahana manome fampianarana mandrisika ny saina sy mahafinaritra mandritra ny volana maromaro.

Atỳ aoriana kokoa dia mety haniry hahafantatra ilay ankizy hoe: “Ahoana no niavian’ny zazakely?” Ny valinteny tsotra iray dia ny hoe: “Misy voan-javatra avy amin’i Dada mifanena amin’ny atodinain’i Neny, koa dia manomboka mitombo ny zazakely iray, tahaka ny hitomboan’ny voan-javatra iray ao anaty tany ka lasa voninkazo na hazo iray.” Amin’ny fotoana hafa indray dia mety hanontany ilay ankizy hoe: “Ahoana no idiran’ny voa tany amin’i Dada ho any amin’i Neny?” Afaka milaza amim-pahamendrehana toy izao ianao: “Fantatrao ny fomba nanaovana ny ankizilahy. Manana ny atao hoe filahiana izy. Misy lavaka amin’ny tenan’ny reny iray izay omby tsara hidiran’ny filahiana, ary amin’izay no ambolena ilay voa. Nanao antsika tamin’izany fomba izany Andriamanitra mba hahafahan’ny zazakely hitombo ao anatin’ny toerana tsara sy mafana mandra-pahalehibeny mba hahafahany hiaina irery. Avy eo dia teraka ny zazakely vaovao mahafatifaty iray!” Afaka miresaka amim-piderana ny amin’ny fomba mahagaga nandaharan’Andriamanitra an’ireny zavatra ireny ianao.b

Tokony hitandrina ianao mba tsy hangataka andro amin’ny famaliana ireo fanontaniana amin’ny fitenenana sanganehana toy izao: “Holazaiko anao any aoriana kokoa izany, rehefa lehibe ianao.” Mety hampitombo ny fahalianan’ny ankizy ta hahafanta-javatra izany ary hanosika azy mihitsy aza hitady fanazavana any amin’ny tsy tokony halehany, any an-toeran-kafa. Ny ankizy iray izay efa lehibe matoa nanao ilay fanontaniana dia efa lehibe koa mba hahazo valinteny iray tsotra sy mendri-kaja. Ny tsy fanomezana izany dia mety hahakivy ny zanakao ka hahatonga azy tsy hitady fanazavana any aminao intsony.

Rahoviana?

Ray aman-dreny maro no mihevitra fa tokony hanana fahalalana fototra ny amin’ireny zavatra ireny ny zanany fara faharatsiny, alohan’ny hidirany any an-tsekoly, izay mety handrenesany fanazavana betsaka tsy marina akory avy amin’ny ankizy hafa.

Hoy ny fanazavan’ny raibe iray: “Tsy mba nametraka fanontaniana mihitsy aho, nefa rehefa enin-taona aho, dia nanapa-kevitra ny raiko fa tonga ny fotoana hanazavana amiko hoe avy aiza ny zazakely. Ny firaisan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay mety hamokatra zazakely iray, hoy izy, dia zavatra voa-janahary toy ny fihinanana, nefa lazain’Andriamanitra fa izany dia ho an’ireo olona manambady irery ihany. Amin’izany fomba izany, dia hanana reny sy ray izay ho tia azy sy hikarakara azy ilay zaza.” Hoy ny nanampin’io raibe io: “Tonga tamin’ny fotoany tokoa ny fanazavana nomeny. Efa nahita ankizy enin-taona aho nihomehy sahady tamin’ny sary maloto nataony izay tsy azoko.”

Marina aloha fa ny fanazavana toy ireny dia tokony haseho, tsy toy ny zavatra mahamenatra, toy ny zavatra an’ny tenany manokana. Azonao averina aminy fa tsiambaratelon’ny fianakaviana izany ka tsy tokony horesahina amin’ny ankizy hafa na olona ivelan’ny fianakaviana. Raha sendra hadinon’ny zanakao ny momba izany, dia azonao atao ny milaza aminy moramora hoe: “Sss! Tadidio fa tsiambaratelontsika izany. Ao anatin’ny fianakaviana ihany no iresahantsika ny amin’izany.”

Tsy maharikoriko

Raha toa, noho ny dinidinika nataontsika, ka nisy mpamaky nety ho tafintohina, dia eritrereto fotsiny fa ray aman-dreny tanora maro mahatsapa tsara ny andraikiny no mitady fomba mendri-kaja hanazavana amin’ny zanany an’ireny raharaha ireny. Moa ve tsy ireo fanazavana tsy miolakolaka any an-tokantrano feno fitiavana iray no tsara lavitra noho ny loharano maloto ivelan’ny fianakaviana, izay ny fomba nianaran’ny ray aman-dreny maro voalohany an’ireny zavatra ireny?

Raha tena mihaino ianao ka mamaly ireo fanontaniana amin’ny fomba tsotra sy mendri-kaja, dia ho moramora kokoa ho an’ny zanakao ny hanatona anao amin’ny fanontaniana hafa arakaraka ny fandehan’ny taona sy ny ilàny fanazavana mitombo.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy mitovy ny ankizy tsirairay. Araka izany, izay firesahana taona rehetra ato amin’ireto lahatsoratra ireto dia atao amin’ny ankapobeny fotsiny, mba hampisehoana ny maha-miandalana an’izany fampianarana izany.

b Ny boky Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra dia mandinika izany sy ny endrika hafa maro amin’ny fitaizana ny ankizy ara-pitondrantena ary ny fiainam-pianakaviana. Afaka mangataka an’izy io amin’ny olona nitondra ho anao ity gazety ity ianao, na amin’ny mpampanonta azy, izay hita ao amin’ny pejy faha-5 ny adiresiny.

[Sary, pejy 6]

Manome fahafahana hanao fampianarana sarobidy ny fahantomoran’ny fiterahana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara