FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/4 p. 31
  • “Aza manaiky ho kivy mihitsy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Aza manaiky ho kivy mihitsy”
  • Mifohaza!—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Mila Olona Manao ny Marina Isika’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Tapa-kevitra ny hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Avy eo amin’ny fahaketrahana mankeo amin’ny fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lazao hoe Tianao Izy Ireo
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Mifohaza!—1992
g92 8/4 p. 31

“Aza manaiky ho kivy mihitsy”

FONY vao teraka i Wilma Rudolph dia kely bitika sady farofy. Efa-taona izy vao nanomboka nandeha. Tatỳ aoriana dia nanjary narary mafy izy voan’ny “scarlatine” (areti-mifindra mampahateramena ny hoditra) sy pnemônia. Na dia velona ihany aza izy, dia nalemy ny tongony havia. Tapa-kevitra ny hanao izay hahafahan’i Wilma handeha ny reniny, koa dia nanotra io tongony nalemy io ary nampianatra ny telo tamin’ireo zanany efa lehibe mba hanao toy izany koa. Koa dia nisy efatra isan’andro no nifandimbindimby tamin’ny “fikosokosohana an’i Wilma”.

Afaka nandeha tamin’ny fampiasana solon-tongotra (béquille) i Wilma rehefa valo taona. Tsy ela dia nihazakazaka sy nilalao izy. Tapa-kevitra ny handresy ny takaitrany izy. Nanampy azy ny fampiasan-tena, ary toy izany koa ny torohevitry ny reniny hoe: “Aza manaiky ho kivy mihitsy.”

Tsy kivy i Wilma. Tamin’ny 1960 àry, tamin’ny lalao Olympika tao Roma, any Italia, dia nahazo meday volamena telo io zazavavy io. Nahazo ny fandresena tamin’ny hazakazaka 100m sy 200m izy ary tonga voalohany izy tamin’ny lalao fifaninanana farany 400m nifampitohy.

Nandritra ny ady lehibe voalohany, fony izy zazalahy kely fito taona, i Glenn Cunningham dia nijaly noho ny fahamaizana teo amin’ny tongony izay nahatandindomin-doza ny ainy. Nandany volana maromaro teo am-pandriana izy ary nilazana fa mety tsy handeha indray intsony. Nanotra ireo ozatra niharam-pahavoazana tamin’ny tongony isan’andro ny reniny ary nampirisika azy handehandeha sy hihazakazaka avy eo. Tsy kivy mihitsy i Glenn. Raha ny marina, tamin’ny farany izy dia nahazo ny fandresena 21 tamin’ireo hazakazaka 31 nisy 1 kilaometatra sy sasany izay natao tao amin’ny kianja mitafo Madison Square Garden.

Miatrika fahavoazana karazan’izany na hafa isika rehetra indraindray eo amin’ny fiainana. Matetika izany dia zava-manahirana ara-pahasalamana sasany. Toy izay hiraviravy tanana, endrey ny hatsaran’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny tsy ho kivy! “Ary tsy ketraka [kivy, MN] izahay”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly nifandray tamin’ireo ezaka ara-panahy. “Fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany [ny tenanay ara-batana], dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny [na hery mamelombelona omena].” — 2 Korintiana 4:16.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

UPI/Bettmann Newsphotos

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara