FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/4 p. 9-10
  • Lehibe kokoa noho ny vola

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lehibe kokoa noho ny vola
  • Mifohaza!—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny maha-zava-dehibe ny fahendrena
  • Inona ireo zava-dehibe indrindra aminao?
  • Omeo fahafahampo ireo filanao ara-panahy
  • Ahoana no Tokony Hiheverana ny Vola?
    Mifohaza!—2007
  • Ahoana no Fiheveranao ny Vola?
    Mifohaza!—2015
  • Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/4 p. 9-10

Lehibe kokoa noho ny vola

“Amin’izao andro izao, ny fomba ampiasaintsika hoenti-mandrisika dia mifototra saiky amin’ny valisoa ara-bola ihany.” — Psychology Today.

TAORIAN’NY fampakaram-badiny, tamin’ny 1989, dia fikasana nameno loha ny an’i Nancy sy i Hughes. Notadiaviny ny trano, zazakely, fiarakodia vaovao ary fialan-tsasatra any an-tany hafa. Namela azy hanana izany mantsy ny fahafahany ara-bola. Tampoka teo, samy tsy an’asa izy roa. Voatery nampiasaina handoavana hofan-trano ilay vola mba nangonina handoavana ny ampahany amin’ny vidin-trano.

Voatery nampihemotra ho any aoriana kokoa ny planiny rehetra izy ireo noho ny fanahiana ny amin’ny hoavy, anisan’izany ilay hoe hanan-janaka. “Tsy inoako ho tafaverina amin’ilay fari-piainanay taloha izahay ao anatin’ny dimy taona, hoy i Nancy. Nanjavona avokoa ny zava-drehetra, ary tsy fantatro raha hiverina izany indray andro any.”

Ny toe-javatra misy an’i Nancy sy i Hughes dia santionan’ny vokatra manimban’ny fanesorana mpiasa. Mampiseho tsara koa ny hery mamitaky ny vola izany. Izay eo androany dia tena mety tsy ho eo intsony rahampitso. Ny amin’izany, dia mijery zavatra araka ny tena izy ny Baiboly rehefa nanoratra hoe: “Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra.” — Ohabolana 23:5.

Mora am-pitenenana fa sarotra tanterahina ny hoe manaiky fa mihelina ny vola. “Ventin-drefy iraisana hatraiza hatraiza ny vola, hoy ny nasain’ny Psychology Today nomarihina. Entintsika manombantombana ny hasarobidin-javatra izy, matetika na dia an-tsaina aza.” Na dia eo amin’ireo olona manankarena aza, ny fikatsahana tsy misy farany ny vola dia antony mampisy fanahiana raiki-tampisaka, fahaketrahana ary aretina hafa.

Ny maha-zava-dehibe ny fahendrena

Misy zava-dehibe noho ny vola anefa. Manambara ny amin’izay hita ny Baiboly, ao amin’ny Mpitoriteny 7:12: “Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola.” Manazava ny hasarobidin’ny fahendrena kokoa ilay andinin-teny ka manampy toy izao: “Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.”

Ny hoe hendry, dia maneho indrindra fahaiza-mitsara zavatra ao anatin’ny toe-javatra sarotra. Rehefa tsy an’asa izy, izay manana fahaiza-mitsara zavatra dia mahafantatra fa ny hasarobidin’ny fiainana dia tsy voarefy amina vola vaventy na vola madinika. Ankoatra izany, manampy azy tsy hanadino ireo zava-dehibe indrindra ho azy ary handahatra izany araka ny halehibeny ny fahaiza-mitsara zavatra.

Inona ireo zava-dehibe indrindra aminao?

Inona no manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve zava-dehibe noho ny fanambadianao ny asanao? Moa ve sarobidy kokoa noho ny zanakao ny tranonao? Miahy kokoa ny amin’ny vola noho ny amin’ny fahasalamanao ve ianao? Isan’andro, dia manao fanapahan-kevitra miankina amin’ny antony manosika antsika sy izay zava-dehibe indrindra amintsika isika. Rehefa mitranga ny fahasahiranana ara-bola, dia ireny zava-dehibe indrindra amintsika ireny no hanoro antsika izay ho fitondrantenantsika. Inona àry izany no zava-dehibe indrindra aminao?

Nilaza i Jesosy Kristy hoe: “Sambatra ny malahelo am-panahy [mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy, MN].” (Matio 5:3). Mariho fa nasehon’i Jesosy ho toy ny filana iray, zava-dehibe indrindra, fa tsy toetra ambinambiny zara raha volena fotsiny rehefa mandeha tsara ny zavatra rehetra, ny fahatanjahana ara-panahy.

Tsy mora ny manao ny filana ara-panahy ho ny zava-dehibe indrindra rehefa manana ankohonana hovelomina ny tena. Kanefa, sambatra ireo izay manao izany, mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy. Na dia miahy ny amin’ny hahampian’ny vola hatramin’ny faran’ny volana aza izy ireo, dia azo lazaina ho voaro amin’ny “alahelo be” mahazo an’ireo izay mametraka ny vola ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany. (1 Timoty 6:10). Mahita fampaherezana koa avy amin’ireto tenin’i Davida voarakitra ao amin’ny Salamo 37:25 ireto izy: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.”

Omeo fahafahampo ireo filanao ara-panahy

Manana filana ara-panahy hatrany am-pahaterahana ny olombelona. Tsy afaka mianina amin’ny sakafo, ny fitafiana, ary ny fonenana izy. Mitarika azy hanontany tena ny amin’izay ataony eto ambonin’ny tany sy ny hoe mizotra mankaiza izao tontolo izao ary hoavy toy inona no miandry azy, ireo filany ara-panahy.

Ny fahatahorana ny “firodanana ara-toe-karena” dia nanosika olona maro hahatsapa ireo filany ara-panahy. Porofon’izany, dia nilaza ny Newsweek fa “nitombo 50 % ka hatramin’ny 70 % ny lafo tamin’ny boky ara-paminaniana — izay manazava ny hevitr’ireo fisehoan-javatra amin’ny andro ankehitriny ho toy ny famantarana ara-baiboly ny faran’izao tontolo izao, tamin’ny taon-dasa”. Kanefa, tsy afaka manome fahafahampo ireo filana ara-panahy ny tombantomban’olombelona; izay tokony hotadiavina, dia ny fahalalana marina.

Mampirisika anao izahay handinika ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly masina. Avy ao amin’ireo pejiny no ivoahan’ny fahendrena azo ampiharina izay hanampy anao handresy ireo fanahiana eo amin’ny fiainana. Fa indrindra indrindra, manome antsika ny tena hevitry ny “andro sarotra tsy mora setraina” izay misy antsika, ny Baiboly. (1 Timoty 3:1, MN). Raha maniry fianarana ny Baiboly maimaimpoana any an-tokantrano ianao, dia manorata any amin’ireo mpampanonta ny Mifohaza!. Izao indrindra no fotoana mbola tsy nisy toy izany, tokony hitadiavana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay fahendrena azo ampiharina, mba handaminana ireo zava-manahirana amin’izao fotoana izao ary hitadiavana ny fahalalana marina mikasika ny hoavy.

[Sary, pejy 9]

Tokony hoheverina ho lehibe tokoa ireo zava-tsarobidy ara-panahy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara