Pejy Faharoa
Ny fomba hiatrehanao ny famoizana asa 3-10
“Nilazana aho mba hampirina ny biraoko ary hitondra ny entan-keliko. Voaroaka aho, dia vita teo iny.” Raha tsy maintsy namoy ny asanao ianao ahoana no hahatafavoahanao eo amin’ny ara-bola sy eo amin’ny ara-pihetseham-po? Inona no mbola lehibe kokoa noho ny vola? Hamotopototra ny amin’ireo raharaha ireo ny lahatsoratra fanokafana.
Rehefa maro loatra ka mahavery hevitra ireo korontan’entana 23
Feno korontan-javatra maro be loatra ve ny tranonao? Inona no azonao atao mba hisorohana io zava-manahirana io?