FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/10 p. 17-19
  • Natao takalon’aina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Natao takalon’aina
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nampahafantariko ny amiko
  • Ampangaina ho miray tsikombakomba
  • Afaka ihany!
  • Ratsy lavitra noho ny SIDA
    Mifohaza!—1990
  • Ny Faniriako Miredareda Hanompo An’Andriamanitra
    Mifohaza!—1993
  • Ilay Fianakaviana Tia Ahy Marina Tokoa
    Mifohaza!—1995
  • Maherin’ny 50 Taona ‘Nitana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Mifohaza!—1991
g91 8/10 p. 17-19

Natao takalon’aina

“Angataho amin’ny Andriamanitrao mba hifarana tsara ny zavatra rehetra.” Nivoaka ny vavan’ny lehilahy iray izay, ora vitsivitsy talohan’izao dia nibeda ahy teo amin’ny tendako no sady nandrahona ahy tamin’ny grenady raisin-tanana, ireo teny ireo. Ao ivelany ao, manambana basy anay ireo mpitifitra kinga indrindra ao amin’ny pôlisy. Voatana ho takalon’aina eto amin’ny banky iray eto Guatemala aho!

“Aza misy mihetsika!” hoy ny fikiakian’ilay lehilahy. “Grenady ity! Ny vola rehetra no ilaiko!” Avy eo izy dia niantsoantso an’ireo pôlisy hoe: “Aza mitifitra. Tsy kilalao ity an-tanako ity. Raha mitifitra ianareo, dia tsy izaho irery no ho faty: ho lasa koba eto ny rehetra!”

R EKO nanenika ahy ny tahotra, ka nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampiany ahy ho tony hatrany ary mba hiaretako ity fisedrana ity. Tsaroako fa tilikambo mafy izay idodododoan’ny marina mba hahavonjy azy Andriamanitra. — Ohabolana 18:10.

Nitony aho, tsikaritro fa afaka nandositra ireo mpiasa sy ireo izay mifampiraharaha amin’ilay banky. Izaho irery sisa tamin’ny farany no tafajanona niaraka tamin’ilay rangahy teo rehefa navelany handeha koa ireo mpiambina.

Rehefa afaka kelikely, dia namela lehilahy efatra tsy nitondra fiadiana hiditra tao amin’ny banky ilay nitana ahy an-keriny, ny iray amin’izy ireo dia psikôlôgy — araka ny hahafantarako azy atỳ aoriana kokoa — ary mpanao gazety ny iray. Nanontany azy izy roa lahy ireo mba hahalalana indrindra ny antony manosika azy hanao toy izao. Namaly izy fa tsy maintsy mamaly faty noho ny tsy rariny nampiharina taminy tany amin’ny fikambanana sasantsasany izy.

Nampahafantariko ny amiko

Nanomboka nanontany ahy ilay psikôlôgy, velona eritreritra tamin’ny fahatoniako. Nanontany ahy ny anaran’ny ray aman-dreniko izy ary ny an’ireo anadahiko sy rahavaviko. Nohazavaiko taminy fa Vavolombelon’i Jehovah aho, vavimatoa amin’ny ankizy dimy, ary koa hoe nobeazin’ny ray aman-dreny kristiana araka ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izahay.

Nandroso ny alina, nandao ilay toerana tsikelikely ireo lehilahy efatra. Nangataka tamin’ilay nitana ahy an-keriny àry aho mba hamotsotra ahy koa. Nanda izy, no sady nanampy hoe: “Aza manahy ianao. Hizotra tsara ny zavatra rehetra. Hanome ahy izay tadiaviko ry zareo, ary ho afaka hody any aminareo ianao.” Namaly azy aho hoe: “Tsy hanome anao na inona na inona akory ry zareo. Hovonoiny isika. Miangavy anao re, avelao aho handeha.” “Aleoko maty, ary raha ilaina izany, dia hiara-maty izaho sy ianao”, hoy izy.

Tsaroako izay nolazainy teo aloha kokoa, nanandrana nampisaintsaina azy aho: “Efa nisy andro nanasiako ratsy anao angaha?” “Tsia.” “Koa nahoana aho no tokony hanefa ny vidin’ny zavatra iray tsy nataoko?” “Izany no lahatra, hoy ny navaliny ahy. Raha anjarantsika ny ho faty eto, dia ho faty isika.” “Tsia, tsy izany no lahatra. Ianao no manitrikitrika ao an-tsainao ao fa tsy maintsy ho faty ianao. Andriamanitra fitiavana i Jehovah, mamela antsika izy. Manolotra antsika ny famonjena izy, satria tsy niova ny fikasany. Hanao ny tany ho paradisa indray izy.”

Tamin’io fotoana io indrindra, dia nisy olona niditra tao amin’ilay banky ary nandodona ilay lehilahy hitolo-batana. “Vonona hifampiraharaha izahay. Avelao handeha i Siomara. Alao ny vola eny amin’ny “comptoir” sy ny ao amin’ny vata fitahirizam-bola. Avy eo dia hiara-mivoaka isika mba ho fiarovana anao.” Nanda anefa ilay naka ahy an-keriny.

Ampangaina ho miray tsikombakomba

Mandeha ny ora. Tampoka teo, injay nahare lehilahy iray niteny tamiko tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo aho hoe: “Aoka ianao hitolo-batana! Efa tratra ianao. Mivoaha ary ataovy ambony ny tanana, ilazao koa ny namanao mba hitolo-batana. Tsy takalon’aina ianao fa mpiray tsikombakomba! Aza mody adala eo intsony!” Raiki-tahotra aho, ary niantsoantso hoe: “Zo avy aiza no iampanganao ahy?” Namaly ilay feo: “Efa elaela ihany no nandinihanay ny fahatonianao. Tsy misy olona eo amin’izao toeranao izao ka hanana fahatoniana toy izao.”

Raha nandre izany aho, dia nanonona ny anaran’i Jehovah tamin’ny feo avo ary nanomboka nivavaka. Niteny tamin’ilay niampanga ahy aho avy eo hoe: “Koa satria ianao miampanga ahy tsy misy porofo, dia hitambesatra eo amin’ny feon’ny fieritreretanao izany mandritra ny androm-piainanao.” Ho fantatro atỳ aoriana fa nilaza ahy ho toa mpiray tsikombakomba amin’ilay raharaha koa ny gazety iray sy ny televiziona iray.

Tamin’io fotoana io indrindra, dia nisalovana ilay nitana ahy an-keriny: “Aoka izay fa aza manorisory azy eo, ho izy, tsy misy ifandraisany amiko mihitsy! Teo izy fony aho niditra teto, ary tsy manao afa-tsy ny mankatò ny baiko omeko izy.”

Tsaroako fa tsy nanome antsika fanahy osa i Jehovah, fa fanahy mahery sy fahononan-tena. (2 Timoty 1:7). Nampahatanjaka ahy io hevitra io, toy izany koa ny fahafantarako fa tsy irery aho. Tsapako nanenika ahy ny fahatoniana anaty lehibe ary nanomboka nisaintsaina aho fa ‘raha velona isika, dia fantatsika fa ho an’i Jehovah, ary raha maty isika, dia mbola ho azy koa.’ — Romana 14:8.

Efa mihoatra ny misasakalina izao. Nanontany ilay nitana ahy an-keriny indray aho raha niova hevitra izy. Teo anoloan’ny fandavany, dia nambarako azy ny amin’ny fianakaviako. Nohazavaiko taminy fa tiako ireo havako ary tsy maniry ny handao azy ireny aho, na dia fantatro aza fa, raha izany no sitrapon’i Jehovah, dia ao amin’ny tontolo vaovao no hahitako azy ireo indray. Tamin’io fotoana io no nitenen’ilay rangahy tamiko mba hivavaka amin’Andriamanitra hangataka aminy ny hifaranan’ny zavatra rehetra tsara.

Toa misy pôlisy miezaka mampahafantatra zavatra ahy amin’izao fotoana izao. Ho fantatro atỳ aoriana kokoa fa nitady ny hanatonako ny varavarana izy ireo mba hanampiany ahy handositra. Reko izy ireo miteny amin’ilay lehilahy hoe: “Alao ny vola, dia avelao izy hivoaka. Fantatray fa tsy tafiditra amin’izao raharaha izao mihitsy i Siomara.”

Tsy fantatro hoe miandry ahy ao ivelany ao ireo ray aman-dreniko, miaraka amin’ny namana kristiana hafa. Ny fanambarana nataon’izy ireo no nahafahana nanaporofo fa tsy mpiray tsikombakomba velively tamin’io raharaha io aho.

Nitaky zavatra hafa tamin’izay ilay nitana ahy an-keriny: “Fiarakodia mpisafo miaraka amin’ny mpamily tsy mitondra fiadiana hitondra ahy any amin’izay holazaiko azy no tadiaviko. Rehefa tonga any amina toerana azo antoka izahay, dia hovotsorako ilay ramatoa. Raha manandrana mamono ahy ianareo, dia hamono azy koa. ” Nohararaotiko izany mba hitenenana aminy indray hoe: “Esory ao an-dohanao izany. Tsy mieritreritra afa-tsy fahafatesana ianao, kanefa ny tenantsika dia an’i Jehovah.”

Afaka ihany!

Eo amin’ny efatra maraina eo ho eo izao. Manomboka ho tsy metimety aho. Mihoatra ny 16 ora izao no nitazonana ahy. Tsy natory aho, tsy nihinana na inona na inona, ary mahatonga anay ho hendratrendratra ilay feo manako ao amin’ilay fanamafisam-peo.

Maraina ny andro. Miresaka amiko ny vehivavy iray — mpitsabo. Nohazavainy tamiko fa hihasarotra kokoa ny toe-javatra misy ahy amin’ny maha-takalon’aina ahy. Niangavy ahy mba hiaritra kely ihany ilay nitana ahy an-keriny, avy eo dia nanaiky ny hidiran’ny olona iray mba hitsabo ahy izy. Tsy nisy sahy tonga anefa, satria samy natahotra.

Amin’ny valo ora latsaka fahefany. Narikoditra ny tenako manontolo. Fanina aho, tsy nahatsiaro tena ary avy eo nidaraboka teo amin’ny tany. Nony nahatsiaro tena aho, dia efa tany ivelan’ilay banky! Nanampy ahy hiarina ny pôlisy iray, ary nihazakazaka nankeny amin’ny fiarakodian’ireo pôlisy izay hitondra ahy ho eny amin’ny hôpitaly aho, notohanan’ny pôlisy roa. Rehefa nidina ny fiarakodia aho, dia safotra indray; tsy hahatsiaro tena aho raha tsy rehefa avy nahazo fitsaboana. Rehefa nifoha aho, dia nolazaina tamiko hoe: “Efa atỳ amin’ny toerana tsy misy mampanahy ianao izao. Nifarana tsara ny zavatra rehetra. Makà aina.” Nitodika tany amin’i Jehovah ny eritreritro. Nisaotra azy aho noho ny nanampiany ahy hiaritra io fitsapana sarotra io.

Notantarain’ny ray aman-dreniko tamiko tatỳ aoriana ny fomba nivoahako ny banky. Nitondra ahy tany ivelany ilay nitana ahy an-keriny mba hahatsiarovako tena. Fotoana indray nihelatra, namela ahy izy ary nitodika nijery tany amin’ilay banky. Tamin’io fotoana io indrindra no nisambotra azy ireo pôlisy ary namonjy ahy. Tsy azon’ireo pôlisy ny antony nanosika ilay nitana ahy an-keriny hamela ahy ary hitodika any amin’ilay banky kanefa fantany fa tsy nisy na iza na iza tao.

Rehefa afaka ny efatra andro naha-teny amin’ny hôpitaly ahy, dia nody tany an-trano aho. Nanohina ahy lalina ny fitiavana nasehon’ireo anadahiko sy rahavaviko ara-panahy tamiko. Efa ho 60 izy ireo no niandry ahy tany an-trano. Fifaliana tokoa ny mahafantatra fa tsy irery aho sy ny fianakaviako! Tamin’io fotoana io, dia afaka nisaintsaina ny amin’ny zava-kendreko eo amin’ny fiainana aho — Hanompo an’i Jehovah — sy ny amin’ny fahamarinan’ireto teny ireto: “Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra.” (Salamo 34:4). — Nataon’i Siomara Velásquez López.

[Sary, pejy 18]

Siomara Velásquez López.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara