FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g90 8/10 p. 28-29
  • Indray mitopy maso maneran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso maneran-tany
  • Mifohaza!—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • FANDIKAN-TENIN’NY BAIBOLY VAOVAO
  • HITA NY FIAVIAN’NY ARETIN’NY TAOLANA
  • MIARO NY FAMPINONOANA
  • LOZA ENY AMIN’NY ARABE
  • “TSY MISY ANTONY TOKONY HIFALIANA”
  • FIFANINANANA TSY ARA-DRARINY VE?
  • MANAKARAMA OLONA MBA HIADY AMIN’NY FANALANA ZAZA
  • NY FIALANA ARA- DALÀNAN’NY LEHILAHY MANDRY AMIN’NY LEHILAHY IRAY
  • Ilay Aretina Misoko Mangina
    Mifohaza!—2010
  • Sady Atokisana no Atahorana ny Polisy
    Mifohaza!—2002
  • Tontolo Iray Tsy Hisy Mpangalatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Fiezahana Mafy Hamarana ny Heloka Bevava
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1990
g90 8/10 p. 28-29

Indray mitopy maso maneran-tany

FANDIKAN-TENIN’NY BAIBOLY VAOVAO

Ny 98 % amin’ny mponina amin’ny tany ankehitriny no afaka mahazo ny Baiboly manontolo na ny tapany aminy, satria efa nadika amin’ny fiteny eo amin’ny 1 928 samy hafa eo ho eo ny tapany aminy na izy manontolo. Ny gazety frantsay La Croix dia milaza fa nisy fandikan-tenin’ny Baiboly vaovao 21 natonta tamin’ny 1989. Anisan’ireo fandikan-teny vaovao dia ao ny “tok pisin”, karazana fanovàna ny teny anglisy ampiasaina any amin’ny faritra sasany any Papouasie-Nouvelle-Guinée; ny “truk”, ampiasaina any amin’ny nosy Truk sy ny nosy hafa any Pasifika atsimo; ny “lahu”, fiteny sinoa tibetana tsy mifototra amin’ny teny sinoa ampiasaina any Azia atsimo atsinanana, ary ny “bawm”, ampiasaina any Bangladesh. Efa eo am-panaovana azy izao ny fandikan-teny ho amin’ny fiteny “lapon” ampiasaina any amin’ny faritra sasany any amin’ny Firaisana Sovietika sy any Skandinavia, ary ho amin’ny fiteny “tzigane”, fitenin’ireo “gitans.”

HITA NY FIAVIAN’NY ARETIN’NY TAOLANA

Mahazo ny vehivavy avy any “Caucasie” maherin’ny 60 taona monina any Etazonia iray ao anatin’ny efatra ny “ostéoroporose”. Manambara ny Dr. Jeanne Freeland-Graves avy any amin’ny oniversiten’i Texas any Austin fa misy ifandraisany ny “ostéoroporose” sy ny fatran’ny manganezy ao anatin’ny ra. Mampiseho ny fikarohana nataony fa ambany ny fatran’io mineraly io ao anatin’ny ran’ireo vehivavy be taona voan’ny “ostéoroporose” ka ny fihenan’izany no mety ho anisan’ny miteraka io aretina io. “Manomboka mihasimba ny taolana aorian’ny faha-35 taona”, hoy ny Dr. Freeland-Graves. “Rehefa mitsaha-potoana anefa ny vehivavy, dia veriny ny fiarovana azony avy tamin’ny estrôzenina ary dia tena mihamitombo ny hafainganan’ny fahaverezana mitranga eo amin’ny taolany.” Manambara izy fa na dia zava-dehibe ho an’ny taolana aza ny sokay, ny fihinanana sokay fanampiny dia tsy hisakana ilay aretina satria “misy zavatra hafa ankoatra ny sokay mahaforona ny taolana, ary ny manganezy dia iray amin’ireo mineraly voatahiry ao amin’ny taolana.” Anisan’ny sakafo be manganezy ny mananasy, ny “noix de Pécan”, ny voanjo, ny tsaramaso, ny vary, ny ravina “épinard”, ny vomanga, ny varimbazaha ary ny mofo natao tamin’ny varimbazaha feno.

MIARO NY FAMPINONOANA

Ny reny izay mampinono ny zanany dia manome azy ireo tombony lehibe dia lehibe, dia ny fahatoherana kokoa ny aretina, hoy ny famaranan-teny nataon’ny antokona mpitsabo notarihin’ny Profesora Peter Howie ao amin’ny Hôpitaly sy Sekoly fitsaboana Ninewells, any Dundee, any Ecosse. Ny fandinihana natao tamin-jaza vao teraka nandritra ny taonany voalohany, navoaka tao amin’ny British Medical Journal, dia nilaza fa latsaka ny ampahatelon’ireo zaza vao teraka omena tavoahanginono voan’ny aretin’ny tsinay sy ny vavony ny isan’ireo izay ampinonoina mandritra ireo herinandro 13 voalohany aorian’ny nahaterahany izay voan’izany aretina izany. Mampihena tahaka izany koa ny aretin’ny fisefo (respiration), na dia amin’ny lafiny kely kokoa aza, ny fampinonoana. Namaran-teny ireo mpitsabo fa mba hahafahan’ny ankizy hahazo ireo voka-tsoa ireo, ny reniny dia “tokony hanohy hampinono azy mandritra ny telo volana fara fahakeliny.”

LOZA ENY AMIN’NY ARABE

Araka ny New York Times, dia ny tanànan’i New York no “ratsy indrindra [any Etazonia] raha ny amin’ny fanendahana eny amin’ny arabe.” Nanamarika koa io fanambarana io fa maro kokoa noho ny hatramin’izay ny vonoana olona natao tany New York nandritra ny 1989, satria nahatratra 1 905. Nandritra ireo roa volana voalohan’ny 1990, dia “nihoatra ny 20 isan-jaton’ny isany tamin’io fotoana io ihany tamin’ny taon-dasa” ny famonoana olona, ary tsy tafiditra ao amin’izany ireo olona 87 matin’ny hain-trano niniana narehitra tao amin’ny trano fandihizana iray tany Bronx tamin’ny martsa. Araka ny The Times ihany, ireo manam-pahefana ao amin’ny pôlisy dia miaiky fa efa miasa avokoa ireo mpiasa 25 500 ao aminy ary sarotra aminy ny mampanjaka ny lalàna sy ny filaminana eny amin’ny arabe. Ny tontalin’isan’ny heloka bevava natao tany New York tamin’ny 1989 dia mahafaoka ireo 542 932 natao tamin’ny fananan’olona ary ireo 169 487 natao tamin’olona.

“TSY MISY ANTONY TOKONY HIFALIANA”

“Tsy mahita antony tokony hifaliana i Stanley Matthews, ilay mpilalao baolina kitra anglisy malaza indrindra sady ilay hany nomena ny anaram-boninahitry ny andriana hoe ‘Knight of the Kingdom’ ”, hoy ny gazety breziliana O Estado de S.Paulo. “Hitany ho mahaketraka ny fomba filalaovana ankehitriny satria tsy eo intsony ny fahafinaretana eo amin’ny fanatanjahan-tena.” I Matthews, izay nandao ny raharahany tamin’ny naha-mpilalao baolina kitra azy tamin’ny 1965 teo amin’ny faha-50 taonany, dia mahita fa ireo mpilalao ankehitriny dia tsy mahalala fomba, sy tsy manana toetra ambony ara-pitondrantena ary voamariky ny herisetra sy ny tsy fahatokiana. “Manao fahadisoana betsaka kokoa noho ny tamin’ny androko ny mpilalao ankehitriny, ary tsy eo intsony ny filalaovana mahafaly sy ny fahafinaretana”, hoy i Matthews. “Niova be aoka izany ny zava-drehetra. Talohan’ny Ady Lehibe Faharoa, raha anisan’ny antokon’ny mpilalaom-pirenena ianao ka voaroaka tamin’izany, dia tsy ho nangatahina hiverina intsony mihitsy. Na dia ireo mpankasitraka anao aza dia ho nanakora anao.”

FIFANINANANA TSY ARA-DRARINY VE?

Hatramin’ny 1928, ny fizaran-tanin’i Calaveras, any Californie, dia mampanao fifaninanana fitsambikinana sahona isan-taona. Sahona goavana avy ao Californie, izay tsy mihoatra ny antsasa-kilao ny lanjany, ny ankamaroan’ireo sahona ampanaovina ilay fifaninanana. Nisy mpampiditra biby avy any amin’ny tany mafana iray anefa nanandrana nampiditra ny sahony manokana tao amin’ilay fifaninanana: sahona goliata avy any Afrika andrefana. Mahatratra 7 kilao ny lanjany ary iray metatra mahery eo ny halavany. Ny fara fahalavitra tratra mazàna dia eo amin’ny 6 metatra sy sasany eo ho eo azo ao anatin’ny fitsambikinana intelo; ilay mpampiditra ireo “goliata” dia milaza fa afaka mitsambikina lavitra toy izany ao anatin’ny fitsambikinana indray mandeha monja ny sahony. Voatosika mba hanakana ireo “goliata” tsy handray anjara amin’ilay fifaninanana ireo mpandamina izany, satria nantsoiny hoe fifaninanana tsy ara-drariny izany. Nanohitra koa izy ireo fa mety hihinana ireo sahona kely kokoa ireo “goliata” ireo ary hitsambikina ho any ivelan’ilay kianja 11 metatra ka hahadona ny mpanatrika iray.

MANAKARAMA OLONA MBA HIADY AMIN’NY FANALANA ZAZA

Nisy eveka katolika romana maromaro tany Etazonia nanakarama fikambanana malaza iray mampifandray ny fitondram-panjakana amin’ny vahoaka sy ny an’ny mpanao fitsapana hevi-bahoaka manam-pahefana iray mba hitarika fampielezan-kevitra manerana ny taniny hampiekena ny katolika sy ny tsy katolika hanohitra ny fanalana zaza. Mandritra ireo telo na dimy taona ho avy izy ireo dia manampo ny handany hatramin’ny 5 tapitrisa dôlara amin’izany raharaha ara-barotra izany. “Ireo fitsapana hevi-bahoaka dia mampiseho fa ny ankamaroan’ny vehivavy, ary maro aminy no katolika, no manohana ny zon’ny vehivavy hampiasa amin’ny fomba voafetra ny fanalana zaza”, hoy ny New York Times.”

NY FIALANA ARA- DALÀNAN’NY LEHILAHY MANDRY AMIN’NY LEHILAHY IRAY

Ny tovolahy iray nampangaina ho nisavika, ho nanao fanafihana teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy sy fanafihana tsotra, ary ho nihazona olona tsy araka ny lalàna dia nafahan’ny fitsarana rehefa avy nanome fialana ara-dalàna iray ho azy ny vavolombelona tsy nampoizina iray tonga hanamarina azy. Io Vavolombelona resahina eto io dia ny pretra katolika iray voatendry tao amin’ny diosezin’ny tanànan’i Pittsburgh, any Etazonia. Araka ny gazety National Catholic Reporter, dia “nitsangana ho vavolombelona teo anoloan’ny fitsarana ilay pretra fa efa mpifankatia izy sy ilay voampanga talohan’ilay fisavihana io ary niaraka izy ireo tamin’ny fotoana nitrangan’izany.” Ho vokatr’izany fiaikena ampahibemaso nanaitra ny amin’ny maha-lehilahy mandry amin’ny lehilahy azy izany, ilay pretra dia nomena lalana tsy hiasa mandritra ny fotoana tsy voafetra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara