Fomba fihevitra mamitaka dimy fahita — Aza manaiky ho voafitaka!
“AZA mety hofitahin’olona amin’ny teny foana hianareo”.a Nomena efa ho 2 000 taona lasa izay io torohevitra io ary mbola marina ihany hatramin’izao. Ankehitriny tokoa isika dia tafihina feon’olona maro samy maniry handresy lahatra daholo: olo-malaza eo amin’ny sarimihetsika manao dokambarotra zavatra fampiasa hahatsara ny tena, mpanao politika mandrobo ny politika arahiny, mpivarotra mandoka ny zavatra amidiny, mpitondra fivavahana mamelabelatra ny fampianarany. Matetika loatra no hita fa mamitaka fotsiny ireny feo maniry handresy lahatra ireny — tsy inona fa teny foana ihany. Na dia izany aza, amin’ny ankapobeny ny olona dia voafitak’izy ireny mora foana.
Ny mahatonga izany dia satria tsy hain’ny olona mazàna ny manavaka ny marina amin’ny fomba fihevitra mamitaka. Ireo mianatra momba ny fandrindran-kevitra dia mampiasa ny teny hoe “fomba fihevitra mamitaka” mba hilazana ny fihatahana amin’ny lalan’ny fomba fihevitra ara-dalàna. Raha lazaina amin’ny teny tsotra, ny fomba fihevitra mamitaka dia hevitra aroso mamitaka na tsy ara-dalàna, izay tsy azo avy amin’ireo teny na hevitra teo aloha ny fanatsoahan-kevitra avy aminy. Mety hahery be ka handresy lahatra mafy anefa ireo fomba fihevitra mamitaka satria mampiasa mafy ny fihetseham-po — fa tsy ny saina — izy ireny mazàna.
Ny fomba iray tsy hahavoafitaka dia ny fahafantarana ny fiasan’ny fomba fihevitra mamitaka. Aoka àry isika hijery fomba fihevitra mamitaka dimy fahita mba handranitana ny “fahaizana manjohy hevitra” nomen’Andriamanitra antsika. — Romana 12:1, MN.
FOMBA FIHEVITRA MAMITAKA VOALOHANY
Ilay olona no asiana Ity fomba fihevitra mamitaka ity dia mitady ny hanaporofo fa diso ny hevitra na ny teny marina dia marina iray na ny hampiditra fisalasalana momba azy io amin’ny fanaovana teny tsy mifanaraka amin’ny toe-javatra akory hamelezana ilay olona nanolotra azy.
Diniho ny ohatra iray avy ao amin’ny Baiboly. Niezaka ny hanome fanazavana ho an’ny hafa momba ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty i Jesosy Kristy indray mandeha. Hevitra vaovao sady sarotra raisina ho an’ireo mpihaino azy ireo zavatra ireo. Tsy nandinika ny nety haha-marina izay nampianariny anefa ny sasany fa namely ny tenan’i Jesosy kosa ka nanao hoe: “Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy hianareo?” — Jaona 10:20; ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 26:24, 25.
Mora erỳ ny mametaka anaran-dratsy toy ny hoe “vendrana”, “adala” na “tsy manam-pahalalana” amin’ny olona iray rehefa milaza zavatra tsy tiantsika ho re izy. Ny fomba fanaovan-javatra iray mitovitovy amin’izany dia ny famelezana ilay olona amin’ny fampidirana an-kolaka resaka tsy dia mahasoa momba azy. Ohatra mifanaraka tsara amin’izany ny hoe: “Raha azonao tsara ilay raharaha, dia tsy hanana izany fiheverana izany ianao”, na ny hoe: “Mino izany ianao satria nasaina nino izany fotsiny.”
Kanefa, na dia mety handrahona sy handresy lahatra aza ny famelezana olona, na atao an-kolaka izany na tsia, dia tsy manaporofo na oviana na oviana fa tsy marina ilay voalaza. Miambena tsara àry tsy ho voan’io fomba fihevitra mamitaka io!
FOMBA FIHEVITRA MAMITAKA FAHAROA
Ny fahefana iray no tononina Ity fandrahonana am-bava ity dia atao amin’ny fanononana ny fahefan’ireo antsoina hoe manam-pahaizana na olo-malaza. Marina aloha fa, mba hahazoana torohevitra, dia ara-dalàna tanteraka ny fianteherana amin’ny olona manana fahalalana kokoa noho isika momba ny zavatra iray. Kanefa tsy ny fanononana fahefana rehetra akory no mifototra amin’ny fanjohian-kevitra ara-dalàna.
Aoka hatao hoe milaza izao manaraka izao aminao ny mpitsabo anao: “Voan’ny tazo ianao.” Mamaly ianao hoe: “Ahoana no ahafantaranao izany, Dokotera?” Endrey ny tsy haha-ara-dalàna ny hamaliany izany amin’ny hoe: “Dokotera anie aho e. Mahafantatra betsaka kokoa noho ianao momba izany zavatra izany aho. Ekeo fotsiny ny teniko fa voan’ny tazo ianao.” Na dia mety ho marina aza ny famantarany ny aretinao, dia mamitaka ny manjohy hevitra fa voan’ny tazo ianao satria fotsiny hoe izy no milaza izany. Hanampy azy kokoa ny firesahana momba ireo zavatra tena misy: ireo fisehoan’ilay aretina, ny valin’ny fandinihana ny ranao, sy ny sisa.
Ny ohatra hafa iray ny amin’ny fanononana fahefana mba handrahonana ny hafa dia voalazalaza ao amin’ny Jaona 7:32-49. Hitantsika ao fa nisy mpiandry raharaha nirahina mba hisambotra an’i Jesosy Kristy. Nanohina azy ireo mafy aoka izany anefa ny fomba fampianarany ka tsy nisambotra azy izy fa nilaza tamin’ireo naniraka azy kosa hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” Ho valin’izany dia izao no nolazain’ireo fahavalon’i Jesosy: “Hianareo koa va voafitaka? Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?” Mariho fa tsy nisy fanandramana natao mba hanaporofoana fa diso ny fampianaran’i Jesosy. Tsia, fa nanonona ny fahefan’ny tenany tamin’ny naha-“manam-pahaizana manokana” momba ny Lalàn’i Mosesy kosa ireo filoha jiosy ho antony tsy hihainoana izay rehetra nolazain’i Jesosy.
Mahaliana fa fantatra ho mampiasa fanaovan-javatra mitovitovy amin’izany ireo mpitondra fivavahana amin’izao andro izao isaky ny tsy afaka manamarina avy ao amin’ny Baiboly ny fampianarana toy ny Trinite, sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary ny afobe mirehitra izy ireo.
Tondraka koa ny fanononana fahefana tsy manan-kery toy izany eo amin’ny fanaovana dokambarotra izay ahitana olo-malaza manome teny fanamarinana momba ny lafin-javatra izay lavitra dia lavitra ny fahaizan’ny tenany manokana. Mampirisika anao hividy milina fanaovana kopia, ohatra, ny mpanao “golf” mahay iray. Milaza ny hatsaran’ny vata fampangatsiahana sakafo ny mpilalao baolina kitra malaza iray. Manao teny fankasitrahana momba ny voan-javatra fihinana amin’ny sakafo maraina iray ny mpanao fanatanjahan-tena olympika iray. Maro no tsy mieritreritra akory fa mety tsy hahalala firy na tsy hahalala na inona na inona mihitsy momba ireo zavatra anaovany dokambarotra ireny “fahefana” ireny.
Fantaro koa fa na dia ireo manam-pahaizana manokana ara-dalàna aza — toy ny olon-kafa rehetra — dia mety hanana fiheverana miangatra. Mety hitompo teny fantatra ny mpanao fikarohana iray manana fanamarinana azo ekena tanteraka fa tsy manimba ny fifohana sigara. Kanefa raha ao amin’ny orinasa mpanao sigara no iasany, moa ve tsy hampisalasala ny fanamarinan’izany “manam-pahaizana manokana” izany?
FOMBA FIHEVITRA MAMITAKA FAHATELO
‘Manaova ny fanaom-bahoaka’ Eto, ny ampiasaina dia ny fihetseham-po, fitompoan-teny fantatra ary finoana tiam-bahoaka. Mazàna ny olona no tia ny tsy hiavaka amin’ny hafa. Mihemotra isika rehefa hoe hitsangana hanohitra hevitra fahita ombieny ombieny. Io fironana hihevitra ny finoan’ny ankamaroan’olona ho avy hatrany dia marina io no ampiasaina amin’ny fomba mahery sady mahomby eo amin’ilay fomba fihevitra mamitaka antsoina hoe ‘manaova ny fanaom-bahoaka’.
Ohatra, nisy dokambarotra iray tao amin’ny gazetiboky amerikana tiam-bahoaka nampiseho olona mitsikitsiky maromaro samy faly misotro toaka. Nanaraka izany sary izany ilay teny hoe: “Izao no zava-mitranga. Manerana an’i Etazonia, ny olona dia mivadika ho amin’ny (...) toaka.” Izany dia fiantsoana an-karihary ‘hanao ny fanaom-bahoaka’.
Kanefa raha mety hieritreritra na hanao zavatra iray ny hafa, moa ve izany midika fa tokony hanao izany ianao? Ambonin’izany, ny hevitra tiam-bahoaka dia tsy famantarana azo antoka izay marina tsotra fotsiny izao. Arakaraka ny fandehan’ireo taonjato, dia izao karazan-kevitra rehetra izao no neken’ny vahoaka, nefa voaporofo fa diso tatỳ aoriana. Na dia izany aza anefa, dia mbola maharitra ihany ny fomba fihevitra mamitaka hoe ‘manaova ny fanaom-bahoaka’. Ilay teny fanentanana manao hoe: ‘Manao izany ny rehetra!’ dia manosika ny olona hampiasa zavatra mahadomelina, hanitsakitsa-bady, hangalatra amin’ny mpampiasa azy ary hamitaka eo amin’ny fandoavan-ketra.
Ny tena marina dia hoe: tsy manao ireo zavatra ireo akory ny rehetra. Ary na dia manao izany aza izy ireo, izany akory tsy antony tokony hanaovanao izany koa. Mahaforona fitsipi-pitondrantena tsara àry eto ny torohevitra ao amin’ny Eksodosy 23:2 manao hoe: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy.”
FOMBA FIHEVITRA MAMITAKA FAHEFATRA
Ny fanjohian-kevitra hoe “Na ity/na iry” Ity fomba fihevitra mamitaka ity dia mametra ho roa monja ny safidy tokony ho maro dia maro. Ohatra, mety hisy hilaza amin’ny olona iray hoe: ‘Na manaiky fampidiran-dra ianao, na ho faty.’ Tafiditra matetika ao amin’izany fanjohian-kevitra izany ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fanapahan-keviny miorina amin’ny Baiboly ny ‘hifady ny ra’ na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona. (Asan’ny apostoly 15:29) Ny lesoka amin’io fomba fanjohy hevitra io? Manilika fahafahana azo ekena maro hafa izy io. Mampiseho anefa ny zava-misy fa misy fitsaboana solony maro, ary koa, fa azo atao amim-pahombiazana tsy misy fampidiran-dra ny ankamaroan’ireo fandidiana. Manao fandidiana tsy dia misy fahaverezan’ny ra firy matetika ny mpitsabo havanana. Ny fahafahana hafa iray dia ny fampiasana ranoka tsy misy ra, izany hoe izay azo asolo ny ra na plasma atao hampitombo ny habetsahan’ny ra.b Ambonin’izany, dia maro no nanaiky fampidiran-dra nefa maty. Tahaka izany koa fa maro no tsy nanaiky ra nefa velona ihany. Tsy misy maha-mety ny fanjohian-kevitra hoe ‘na ity/na iry’ àry.
Koa rehefa apetraka eo anoloanao àry ny fanjohian-kevitra hoe ‘na ity/na iry’, dia manontania tena hoe: ‘Tena tsy misy afa-tsy safidy roa tokoa ve?’ Tsy mety hisy sasany hafa ve?’
FOMBA FIHEVITRA MAMITAKA FAHADIMY
Fanamoran-javatra tafahoatra Eto dia minia tsy mijery ny zava-dehibe sasany tafiditra ny teny na hevitra iray ka manamora amin’ny fomba tafahoatra izay mety ho raharaha sarotra iray.
Ekena fa tsy misy maha-ratsy ny manamora ny fotokevitra sarotra iray — izany foana no ataon’ny mpampianatra mahay. Indraindray anefa dia hamoraina aoka izany ny raharaha iray hany ka voaolana ny fahamarinana. Mety hamaky izao ianao ohatra: ‘Ny fitomboan’ny mponina haingana no mahatonga ny fahantrana any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana.’ Misy maha-marina izany, nefa tsy mihevitra lafin-javatra lehibe maro hafa, toy ny tsy fahaiza-mitantana eo amin’ny lafiny ara-politika, ny fanararaotana eo amin’ny lafiny ara-barotra ary ny toetr’andro, izy io.
Niteraka tsy fahazoan-kevitra maro momba ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, ny fanamoran-javatra tafahoatra. Diniho, ohatra, ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny apostoly 16:30, 31. Ao ny mpiandry tranomaizina iray dia nanontany momba ny famonjena. Namaly toy izao i Paoly: “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao.” Maro no nanatsoaka hevitra avy amin’io fa fanekena ao an-tsaina an’i Jesosy fotsiny no takina mba hahazoana famonjena!
Fanamoran-javatra tafahoatra io. Marina fa zava-dehibe tokoa ny finoana an’i Jesosy ho Mpanavotra antsika. Kanefa ilaina koa ny finoana izay nampianarin’i Jesosy sy ny baiko nomeny, ary koa ny fahatakarana amin’ny fomba feno ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Izany no asehon’ny ‘nitorian’izy roa lahy [Paoly sy Silasy] ny tenin’ny Tompo tamin’ilay mpiandry tranomaizina sy tamin’izay rehetra tao an-tranony’. (Asan’ny apostoly 16:32) Mitaky fankatoavana koa ny famonjena. Izany no nasehon’i Paoly tatỳ aoriana rehefa nanoratra izy fa i Jesosy dia “tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka [mankatò, MN] Azy”. — Hebreo 5:9.
Hoy ny ohabolana fahizay iray: “Ny kely saina [tsy ampy fanandraman-javatra, MN] mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15) Koa aza mino ireo fomba fihevitra mamitaka àry. Mianara manavaka ny fanoherana ara-dalàna izay lazaina, amin’ny famelezana tsy mendrika olona fotsiny. Aza manaiky ho voafitaky ny fanononana “fahefana” tsy manan-kery, ny fanentanana ‘hanao ny fanaom-bahoaka’, ny fanjohian-kevitra hoe ‘na ity/na iry’, na koa, ny fanamoran-javatra tafahoatra — indrindra rehefa zavatra iankinan’ny aina toy ny fahamarinana ara-pivavahana no tafiditra. Hamarino ny zava-misy rehetra, na koa, araka ny ilazan’ny Baiboly azy, “fantaro ny zavatra rehetra”. — 1 Tesaloniana 5:21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nalaina avy ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Efesiana 5:6.
b Jereo ny bokikely hoe Les Témoins de Jéhovah et la question du sang, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.