FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/7 p. 14-16
  • Tsy maintsy atao batisa ve aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy maintsy atao batisa ve aho?
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivavahana iray tsy misy fanoloran-tena
  • Nahoana ny batisa no takina amin’ireo kristiana
  • ‘Natahotra ny ho voaroaka aho’
  • Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Mila Atao Batisa Izay Te ho Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Tanjona Tena Tsara ny Batisa!
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/7 p. 14-16

Manontany Ny Tanora Hoe. . .

Tsy maintsy atao batisa ve aho?

SUZANNE, 13 taona, dia teo amin’ny fara tampon’ny fihomboan’aretina homamiadana fony izy nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tsy fantany ho ny fivoriambe farany natrehiny. Tsy nahalala tokoa izy fa ho faty, folo andro monja taorian’izay. Kanefa, na dia ny homamiadany aza dia tsy afaka nanakana azy hanatanteraka ny faniriana maminy indrindra, dia ny hatao batisa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah sy ny ho mpianatr’i Jesosy Kristy.

Taona vitsivitsy izao, ny tanora an’arivony maro teo anivon’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia naneho, toa an’i Suzanne, ny fitiavany ny tombontsoa hatao batisa. Na dia izany aza, angamba ianao somary matahotra ny hanao fanapahan-kevitra hentitra toy izany. Tsy hoe tsy inoanao akory ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay nampianarina anao. Manatrika ireo fivoriana kristiana sy mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa fampahafantarana ireo fahamarinana ireo amin’olon-kafa ianao. Kanefa, raha ny amin’ny hoe hanolotra ny fiainanao ho an’i Jehovah, dia miahotra ianao. Inona àry no maha-zava-dehibe ny batisa? Nahoana no tanora maro be no tsy tena marisika hanao io dingana io?

Fivavahana iray tsy misy fanoloran-tena

Eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia matetika ireo ray aman-dreny no manapa-kevitra ho an’ireo zanany raha hatao batisa izy ireo na tsia. Misy antokom-pivavahana sasany mampirisika ireo ray aman-dreny hanao batisa ireo zanany, fotoana fohy aorian’ny fahaterahan’izy ireo. Ary na dia rehefa atokana ho an’ireo efa lehibe aza ny batisa, dia antenaina ny hanarahan’ireo ankizy ny fivavahan’ireo ray aman-dreniny, tsy noho ny safidim-pony manokana fa noho ny lovantsofina.

Marihina anefa ireo vokatry ny fitsapan-kevitra natao tany Etazonia: raha “saika ireo zatovo rehetra (96 %) no mino fa misy Andriamanitra iray”, dia 39 % monja no nivavaka tsy tapaka, ary tsy nisy afa-tsy 52 % no natoky ny fivavahana voalamina. Miavaka àry ny fanamarihana naton’i Diane: “Mino an’Andriamanitra aho sy ireo rehetra ireo, nefa mihevitra aho fa tsara kokoa ny manao izay rehetra azon’ny tena atao mba ho olona tsara toy izay hiondrika hamaky Baiboly eo lalandava”.

Eny, ny fivavahana dia mety ho tonga hery tsy dia manao ahoana loatra eo amin’ny fiainan’ireo tanora raha toa ka ireo ray aman-dreniny no nanery azy ireo hanaraka izany. Izany no hamafisin’ny fandinihana natao tamin’ny antokona tanora katolika nanao fahadisoana: ny antsasak’ireo zatovo ireo dia nanatrika ireo fotoam-pivavahana, ny ankabeazany dia nahalala ireo foto-pampianaran’ny fivavahan’izy ireo, ary teo amin’ny 90 % no nanameloka ny halatra; kanefa, mihoatra ny androatokony no mpangalatra! Ilay boky hoe Ny andro maha-zatovo (anglisy) dia nanao izao fanamarihana izao: Angamba, ankoatra ny zavatra hafa, dia satria ny fivavahan’ireo tovolahy tsy nifanaraka tamin’ny safidim-pon’ny tenany manokana. Teraka katolika izy ireo; ny ray aman-dreniny no nanapa-kevitra ho azy ireo. Manana ny fivavahana arahiny ry zareo, saingy tsy azy izany. ”

Nahoana ny batisa no takina amin’ireo kristiana

Ara-drariny àry ny itakian’ny Baiboly aminao, fa tsy amin’ireo ray aman-dreninao, ny hanoloranao tena manokana ho an’Andriamanitraa. ‘Tsara dia tsara izany, hoy ianao, nefa raha manokana io voady io, raha toa ka anay sy Jehovah irery izany, nahoana aho no tsy maintsy hatao batisa?’

Satria ny batisa dia mifamatotra amin’ny ‘famonjena ny fanahinao’ . (1 Petera. 1:9). Andriamanitra dia mikasa ny hahatonga ‘famaliana izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny vaovao tsara momban’i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ny famaliana marina, dia fandringanana mandrakizay. ’ (2 Tesaloniana. 1:8,9. MN). Ny zavatra rehetra dia mampiseho fa io fandringanana io dia ho tonga amin’izao androntsika izaob.

Kanefa, ny sitrapon’Andriamanitra dia ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra’ . (1 Timoty. 2:4, MN ) Iriny ianao ho afaka amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity sy hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany (Apokalypsy. 21:3, 4). Nefa amin’ny fomba ahoana no hahafahanao hampitovy ny tenanao amin’ny iray amin’ireo izay manaiky ny vaovao tsara? Ny finoana fotsiny ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay nampianarina anao na ny fiarahana amin’ireo ray aman-dreninao any amin’ireo fivoriana kristiana dia tsy ampy (Jereo Jakoba 2:19.) Izay maniry hovonjena dia tsy maintsy manolotra ny tena ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony. Nilaza momba izany ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 12:1 hoe: “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina [“natokana ho an’Andriamanitra” , Français courant], sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. ”

Kanefa, io voady io dia tsy afaka ny hitoetra ho zava-miafina foana. Noho izany, hatraiza moa no hahafahan’ny olona iray izay manafina fa mpianatra izy, ho tena nanolo-tena marina, voatokana ho an’Andriamanitra (Jereo Jaona 19:38)? Ianao ve hatoky sakaiza iray izay maniry ny hanafina ny fifankahazoanareo? Amim-pahendrena àry no angatahan’Andriamanitra ny tsirairay ‘hanao fanambarana ampahibemaso hahazoana famonjena’ . (Romana 10:10, MN). Manomboka amin’ny batisa io fanambarana io. Amin’io andro io no anaovan’ilay olona fanambarana am-bava ny finoany, avy eo dia atao batisa ao anaty rano izy (Matio 28:19, 20). Inona anefa no tena mety ho vidin’io fandrobohana io?

Ny batisa dia tsy fandroana fotsiny; izany dia fandevenana amin’ny heviny ara-panoharana. Ny fandrobohana ao anaty rano dia mampahafatantra anao fa maty ianao raha ny amin’ny fomba fiainanao fahiny. Teo aloha, dia ny fanirianao laza, ny zava-kendrenao, ary ny fanirianao manokana no nitana ny toerana voalohany teo amin’ny fiainanao. Kanefa, i Jesosy dia nilaza fa ireo mpianany dia ‘handa ny tenany’ . (Marka 8:34) Araka izany, ny fitsanganana avy ao amin’ny rano dia mampahafantatra anao fa ankehitriny ianao dia velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Io fanekena ampahibemaso sy amim-pahatsorana io dia anisan’ny marika iankinan’ny aina izay amantarana fa mendrika ny ho tafita velona ianao! — Ezekiela. 9:4-6; jereo 1 Petera. 3:21.

‘Natahotra ny ho voaroaka aho’

Raha zava-dehibe toy izany ny batisa, nahoana ireo tanora no miahotra indraindray hanao io dingana io? Ny Mifohaza! dia nanontany toy izany tanora kristiana sasantsasany. Namaly toy izao ny tovovavy iray: “Maro be no mihevitra ho manana fahafahana lehibe kokoa raha toa izy ireo ka tsy vita batisa. Milaza izy ireo fa amin’ny fotoam-pahasahiranana, dia tsy ho tena tompon’andraikitra izy ireo. ” Miray hevitra amin’izany i Robert, hoy izy: “Mihevitra aho fa maro be ireo tanora no miahotra ny hatao batisa satria matahotra ny hiditra amin’ny dingana tsy azo iverenana intsony izy ireo. Milaza izy ireo fa raha toa izy ka manao zavatra ratsy, dia ho voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona. ”

Marina tokoa fa, ho an’ireo izay nanolo-tena ho an’i Jehovah, dia tsy misy antony tokony hiverenana any aoriana intsony (Jereo Mpitoriteny 5:4.) Izay nanolo-tena ho an’i Jehovah dia miantsoroka andraikitra tena lehibe, satria manana adidy ‘handeha mendrika an’i Jehovah, hahazoana sitraka tanteraka aminy. ” (Kolosiana 1:10, MN) Na iza na iza nanjary meloka noho ny fahadisoana lehibe, dia mety horoahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana. — 1 Korintiana 5:11-13.

Kanefa, mamita-tena izay mihevitra fa ho afaka amin’ny andraikitra rehetra rehefa tsy vita batisa. Eny, na vita batisa na tsia, ka ‘mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany. ’ (Jakoba 4:17.) Mety ho azo sorohina ny fandroahana ôfisialy tsy ho ao amin’ny kongregasiona, nefa tsy ho azo atao ny handositra ny fitsaran’i Jehovah; izany no nahatonga ity fampitandreman’ny apostoly Paoly ity: “Aza manao fahadisoan-kevitra hianareo: Andriamanitra tsy mamela ny tenany hatao tsinontsinona; fa izay afafin’ny olona, no hojinjany. ” — Galatiana 6:7, TOB.

Matetika tokoa, ny tahotra ny fandroahana dia manafina ny faniriana hanao ratsy. Ny vehivavy tanora iray atao hoe Nathalie dia nilaza tsy nisy fihambahambana hoe: “Nitombo tao anatin’izao tontolo izaon’i Satana aho, fantatro ny vidiny. Kanefa dia tanora kristiana maro be no maniry hahita izay mitranga any ivelany sy hanandrana izany. ” Toy izay hamela faniriana mankarary hisakana anao amin’ny fanaovana batisa, na hampiova anao ho amin’ny fanao ratsy, nahoana no tsy mitady fanampiana, amin’ny firesahana ny amin’ilay raharaha, ohatra, amin’ny rainao, ny reninao na kristiana matotra iray? — Jakoba 1:14, 15.

Raha ny marina, ny fahafahana atolotr’izao tontolo izaon’i Satana dia tena mamitaka. Porofon’izany ireto tenin’ny apostoly Petera ireto, tamin’ny sasany izay ninia nivily lalana, tamin’ny androny: “Fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana; fa izay maharesy ny olona dia mahandevo azy. ” (2 Petera 2:19). Tena fahafahana marina ve raha ny hafa no mibaiko ny eritreritrao, ny fihetsikao, sy ny fitondrantenanao? Tena fahafahana marina ve ny manaram-po amin’ireo fanao izay miteraka aretina, fahafaham-baraka ary, amin’ny farany, fahafatesana? — Ohabolana 5:8-14.

Hitoshi, tanora Japone iray notezain’ny ray aman-dreny kristiana, dia nanontany tena toy izany koa. “Mandritra ny fotoana izay nilalaovan’ny hafa, hoy ny fahatsiahivany, izaho dia tsy maintsy nandeha tany amin’ireo fivoriana. Naniry fahafahana bebe kokoa aho. Nihevitra aho fa namoy zavatra sasany. ” Toa an’i Asafa mpanao salamo, izy dia ‘nialona ny ratsy fanahy’ . (Salamo 73:2, 3). Kanefa, taorian’ny fieritreretana lalina, dia nanova ny fomba fijeriny i Hitoshi. Hoy izy: Takatro anefa izay mety ho fiainako raha tsy misy fahamarinana: Toa hitako aho miaina mandritra ny 70 na 80 taona, ary aorian’izay dia ho faty aho. Kanefa ny ampanantenain’i Jehovah dia ny fiainana mandrakizay!” Nanolo-tena ho an’Andriamanitra àry i Hitoshi, avy eo dia natao batisa izy. — Salamo 73:19-28.

Mahatsapa ho voatosika hanao toy izany ve ianao, tahaka ity tanora hafa ity, izay atao hoe David? “Natao batisa mbola tanora aho, hoy ny fanazavany, ary izany dia fiarovana ho ahy. (...) Ny sasany tamin’ireo zatovo tao amin’ny kongregasiona izay tsy mbola vita batisa dia tsy niraharaha ny fahefan’ireo loholona, ary izany dia nitarika azy ireo hanaraka fitondrantena ratsy. Raha ny amiko, dia tsaroako foana fa nanolotra ny fiainako ho an’Andriamanitra aho. ” Kanefa, mety hanontany tena ianao hoe: raha amin’izao toeranao izao, sao dia lasa aloha loatra ny fanaovana io dingana io. Ny lahatsoratra manaraka dia hirakitra fanazavana mahasoa mikasika io fanontaniana io.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny batisan’ny zaza vao teraka dia tena tsy misy heviny. Ilay lahatsoratra hoe “Tokony hatao batisa ve ny zaza vao teraka?” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 jona 1986 dia mamaly io fanontaniana io.

b Jereo ny toko faha-18 amin’ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

[Sary, pejy 15]

Ny tenanao ihany no afaka mandray fanapahan-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra. Ny batisa dia mampahafantatra anao ho mpianatr’i Kristy nanolo-tena.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara