‘Ny endriny miely patrana indrindra amin’ny fampijaliana ankizy’
Mihidy eo amin’ny tendan’ilay zazakely ny tanan’ilay vehivavy. Ary dia tereny — ka kendainy moramora ilay zazakely. Mioitra mafy ilay zaza tsy manam-piarovana. Amin’ny fotoana farany indrindra vao vahan’ilay vehivavy ny fangejany. Miaina mafy ilay zazakely nefa resiny ihany ilay fanafihana azy. Tsy ela dia gejain’ilay vehivavy indray ilay tenda kely, ka averiny ilay fampijaliana. Ary avy eo dia vahany indray ka avelany ho sempotra eo ilay zazakely (...).
IZAY vao avy novakinao teo dia mampiseho ny fijaliana mihatra amin’ny zaza ao an-kibo iray rehefa mifoka sigara ny reniny.
Fahavoazana mandra-pahafaty
Tafahoatra ve io filazana io? Milaza ny New York Times fa mihamaro hatrany ny isan’ireo fandinihana ara-tsiansa mampiseho fa ny reny iray izay mifoka tsy tapaka dia mety hanome ny zanany kilema ara-batana sy ara-tsaina haharitra mandra-pahafatiny. Ny sasany amin’ireny fahasimbana ireny, hoy ilay lahatsoratra, dia “hita avy hatrany fa ny hafa kosa dia mipoitra tsikelikely.”
Amin’ny ahoana ny fifohan’ny reny iray sigara no mahakasika ny zaza ao an-kibony? Manazava toy izao ny dokotera William G. Cahan, mpandidy ao amin’ny Foibe fitsaboana ny homamiadana any Etazonia atao hoe Memorial Sloan-Kettering, ary mpanoratra ilay lahatsoratra tao amin’ny Times: “Minitra vitsy monja aorian’ny itelemana ny setro-tsigara tsirairay dia tafiditra ao amin’ny ran’ilay reny ny “monoxyde de carbone” sy “nicotine”. Koa satria mampihena ny fahafahan’ny ra hitondra ôksizenina ny “monoxyde de carbone” ary ny “nicotine” kosa mampikainkona ireo lalandra mankany amin’ny tranon-jaza, “dia tsy mahazo ny ôksizenina ilainy ilay zaza mandritra ny fotoana fohy. Raha miverimberina matetika ny tsy fanomezana azy izay ilainy toy izany”, hoy ny dokotera Cahan, “izany dia mety hanimba amin’ny fomba tsy azo amboarina intsony ny atidohan’ilay zaza am-bohoka, izay taova mora tohina tsy misy toy izany amin’ny tsy fahampian’ny ôksizenina”.
Ny fandinihana iray, ohatra, dia nampiharihary fa dimy minitra aorian’ny nifohan’ny vehivavy bevohoka maromaro sigara roa monja, ny zaza tao an-kibon’izy ireo dia nampiseho famantarana fahoriana sasany: fitombon’ny hafaingan’ny fitepon’ny fo arahin’ny fihetsehana toy ny fisefo (respiration) tsy ara-dalàna.
Ireo mpifoka iray fonosana isan’andro
Inona àry no vokatra eo amin’ny zaza ao am-bohoka iray rehefa mifoka sigara 20, na fonosana iray, isan’andro ny reniny? Mihevitra ny dokotera Cahan fa ny mpifoka antonona iray dia mitelina setroka indimy isan-tsigara. Ireo zatra mifoka fonosana iray isan’andro àry izany dia mitelina setroka injato isan’andro. Koa satria maharitra eo amin’ny 270 andro eo ho eo ny fitondrana vohoka, ilay reny dia mampisetra ilay zaza ao am-bohoka, “fanevatevana ‘physico-chimique’ 27 000 fara fahakeliny”.
Ny zazakely ampijalina toy izany dia mety handoa mandritra ny androm-piainany manontolo ny vidin’ny fahazaran’ny reniny mifoka sigara. Ankoatra ireo zava-manahirana ara-batana, hoy ny dokotera Cahan, ireny ankizy ireny dia mety ho voan’ny “zava-manahirana eo amin’ny fihetsika, fahavoazana eo amin’ny fahaizana mamaky teny, fikofokofohana tafahoatra ary fahavotsan-tsaina”. Tsy mahagaga raha nanontany izy hoe: “Vehivavy mahatsapa ny andraikiny iza no afaka hanohy hitana fahazarana mampidi-doza toy izany ho an’ny zanany?”
Ambonin’izany, ireo ray aman-dreny mifoka sigara dia mahatandindomin-doza ireo ankizy efa teraka ihany koa. Nahoana? Ilay bokikely hoe Zava-misy sy tarehimarika momba ny sigara (anglisy), navoakan’ny Fikambanana amerikana momba ny homamiadana, dia mamaly hoe: “Ireo zanaky ny mpifoka sigara dia voan’ny aretim-pisefo betsaka kokoa noho ny an’ireo tsy mpifoka, anisan’izany ny fitombon’ireo voan’ny braonsita sy ny tevika (pneumonie) raha mbola kely izy ireny.”
Manatsoaka hevitra àry ny dokotera Cahan fa “io karazam-pampijaliana ny ankizy io angamba no miely patrana indrindra.” Ny fanontaniana àry dia izao: Halavirinao ve izy io?