FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g90 8/4 p. 21-23
  • Izay tokony ho fantatra momba ny hao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Izay tokony ho fantatra momba ny hao
  • Mifohaza!—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Karazany telo
  • Ny halehiben’ny zava-manahirana
  • Ny fomba fifindrany
  • Arovy ny fianakavianao
  • Olana Mihalehibe ny Aretina Afindran’ny Bibikely
    Mifohaza!—2003
  • Diniho Akaiky Kokoa ny Volonao
    Mifohaza!—2001
  • Manahirana Anao ve ny Volonao?
    Mifohaza!—2002
  • Volo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—1990
g90 8/4 p. 21-23

Izay tokony ho fantatra momba ny hao

RIKORIKO sy henatra ary fahatsiarovan-tena ho meloka; izany amin’ny ankapobeny no tsapan’ireo ray aman-dreny manana zanaka mitondra hao miditra ao an-trano. “Mahasanganehana, hoy ny nolazain’ny renim-pianakaviana iray. Miteny anakampo ianao fa hoheverin’ny olona ho voretra.”

Nefa tokony ho sanganehana tokoa ve raha mitranga ny toy izany?

Karazany telo

Ny haon-doha dia voan̈a (insectes) bitika tsy misy elatra, mirefy eo amin’ny iray ka hatramin’ny roa milimetatra amin’ny antsalany (mitovy refy amin’ny voana “sésame”). Miovaova eo anelanelan’ny volombatolalaka sy ny volontakatra manopy mena ny lokony. Ny rikoriko tsapa amin’ny fisiany dia avy amin’ny fiheverana diso fa ny olona voretra ihany no misy hao. Raha ny marina dia tia fahadiovana ny hao, ary noho izany, na dia ny olona misasa tsy tapaka aza dia mety hisy hao.

Ankoatra ny haon-doha, dia misy karazana hao roa hafa katsentsitra (parasites) ao amin’ ny olombelona, dia ny haofotsy sy ny haon’ny “pubis”. Ity farany dia mifindra rehefa manao firaisana, ary manenika ny faritra misy volo henjana amin’ny tena, toy ny eo ambany foitra, ny helika, ny volombava, ary ny volomaso indraindray. Kely kokoa izy io ary mampahatsiahy ny an’ny foza kely ny toe-tenany.

Samy hafa amin’ny haon-doha sy ny haon’ny “pubis” ny haofotsy noho izy tsy mipetaka mivantana amin’ny hoditra, fa amin’ny akanjo mifandray aminy. Tsy mankamin’ny vatana izy raha tsy hihinana. Manatody any amin’izay misy fisavoritahana sy tsy madio izy. Fahiny izy io dia mpamindra aretina maro toy ny “typhus exanthématique” (areti-mifindra), ny tazon-tatatra, ary ny fanaviana miverimberina, nefa tsy dia fahita ny toy izany amin’izao andro izao.

Ny halehiben’ny zava-manahirana

Manambara toy izao ny gazety ara-pitsaboana Archives dermatologiques (anglisy): “Nanjary zava-manahirana tena lehibe ny Pediculosis capitis [fanafihan’ny haon-doha] any Etazonia, ary mahazo ny besinimaro mihitsy any amin’ny toerana sasany.” Tombanan’ny manam-pahefana momba ny fahasalamana fa eo anelanelan’ny enina ka hatramin’ny folo tapitrisa ny isan’ny olona voa isan-taona, any amin’io tany io.

Nisy fandinihana natao teo ambany fitarihan’ny Foibe amerikana momba ny fikarohana aretina, nahatonga hahatsapa fa ny ankamaroan’ny mpianatra nozahana dia nisy hao. Ambaran’i David Taplin, mpampianatra ao amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo any Miami tokoa fa “any amin’ny toerana sasany dia mahatratra 40 % izany amin’ny ara-keviny.”

Tsy ho an’i Etazonia irery anefa ny fanahiana aterak’izany taham-pahavoazana ambony be izany. Manao filazana toy izao ny gazety momba ny siansa Discover, mivoaka isam-bolana: “Avy any Canada sy Chili, Angletera, Frantsa, Italia, Alemaina Atsinanana, Firaisana Sovietika, ary avy any Aostralia aza, dia misy tatitra tonga mampiseho taham-pahavoazana mahatratra maherin’ny 50 % any amin’ny sekoly sasany”

Ny fomba fifindrany

Noho izy tsy afaka manidina na mitsambikina, dia miely indrindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana mivantana, mandrakariva amin’ny fifampikasohan’ny loha, ny hao. Nisy fikarohana natao tany amina sekoly any Pennsylvanie (Etazonia), nampiseho fa 73 % amin’ny fahavoazana no niseho avy amin’izany fomba izany. Mihevitra aza ny sasany fa mbola ambany lavitra noho ny tena izy io tarehimarika io. Araka ny voalazan’i Dennis White, talen’ny fandaharam-pandinihana ireo aretina mifindra amin’ny alalan’ny bibikely, miankina amin’ny sampandraharahan’ny fahasalamana any amin’ny fanjakan’i New York, dia “tafiditra eo amin’ny 90 % eo ho eo amin’ireo antony miteraka fahavoazana ny fifampikasohana mivantana.”

Ny fifandimbiasana fihogo, famatoram-bolo, sarondoha, satroka, fehiloha, lamba famaohana, fitaovana fihainoana “stéréo”, satroka fitondra mandro na fitaovana manokana hafa dia mahaforona antony iray hafa mampifindra ny hao. Mety hitranga izany satria afaka miaina hatramin’ny 20 ora (48 ora, araka ny voalazan’ny sasany) ivelan’ny toerana mahazatra azy ny hao.

Ny antony iray mahatonga ny hao hiely aoka izany amin’izao andro izao dia noho ny tsy fitandreman’ny ray aman-dreny maro. Araka ny voalazan’i Deborah Altschuler, talen’ny Fikambanana amerikana miady amin’ny aretina azo avy amin’ny hao, dia “sahirana aoka izany ny olona matetika ka manadino ny maka fotoana sy manao fiezahana mba hanamarinana sao misy atody hao ny volon’ireo zanany”. Mampalahelo ny mahatsapa fa tao anatin’ireo taona 80, dia avy amin’ny tsy fahalalana sy ny tsy fanahiana no nahatonga ny fahavoazana avy amin’ny hao.

Arovy ny fianakavianao

Ny hidihidy no mahaforona ny famantarana lehibe indrindra ny fisian’ny hao. Manitikitika ny hodi-doha ny fanaikitry ny hao, ka miteraka hidihidy ary fivoaramena indraindray. Raha toa àry ianao mahamarika ny zanakao mihaotra loha matetika dia jereo. Amin’ny fizahana ara-dalàna dia mipetraha amin’ny toerana mazava tanteraka ary mampiasà fanita-jery (loupe). Noho izy mifindrafindra, dia mandositra mora foana ny fizahana azy ny hao; ny atodiny no tadiavo, fa miraikitra mafy amin’ny volo, akaikin’ny hodi-doha izy ireny. Mavo tanora na mavo manopy mena ny lokony. Mba tsy hanaovana famantarana aretina tsy zarizary (namaritra loharanom-pahadisoana 12 fahita matetika ny mpitsabo aretin-koditra), dia manaova fandinihana voatandrina amin’ny alalan’ny fanita-jery. Ny manodidina ny sofina sy ao amin’ny hatoka indrindra no jereo.

Raha mahita hao na atodiny ianao, dia ny fampiasana “crème”, na ranoka fanasana volo (lotion), na shampooing manokana (famonoana hao) no hanampy anao hamono ireo voan̈a. Raha tiana ny hisakana ny fielezany dia tena ilaina ny mitsabo miaraka ireo olona rehetra voany. Diniho àry ny mpikambana tsirairay ao amin’ny fianakaviana alohan’ny hanombohana fitsaboana toy izany.

Tsy mahafaty ny atody hao foana akory ny fanafody famonoana hao. Ho foy ireo sisa tavela rehefa afaka fito na folo andro aoriana, ka hila fitsaboana fanindroany mba hamonoana ireo hao mbola velona. Tandremo anefa: Koa satria ny famonoana hao rehetra misy fanafody famonoana bibikely, dia mety hitarika vokany lehibe fanampiny ny tsy fampiasana azy tsara. Araho amim-pahamalinana àry ny toromariky ny mpanamboatra azy.

Misy fomba hafa hiadiana amin’ny hao raha tsy misy ny fanafody famonoana azy. Manam-pahaizana manokana maro no manoro hevitra ny hanesorana ny atody hao amin’ny fihogo manokana tena madinika. Ilay boky momba ny fitsaboana hoe Mpitari-dalana momba ny famantarana sy fitsaboana aretin-koditra (anglisy), dia manome izao fanoloran-kevitra hafa izao: “Azo atao indraindray ny mandevona ny simenitra mitana ny atody hao hiraikitra amin’ny volo, amin’ny fandemana azy amin’ny vinaingitra mandritra ny 15 minitra.”

Mbola mandaitra kokoa ny fanaratana ny volo. Nahita koa ny sasany fa mamono ny hao sy ny atodiny ny fanosorana solitany kely ny hodi-doha mandritra ny 15 ka hatramin’ny 20 minitra. Ilaina anefa ny ho malina satria mety hampangirifiry ilay faritra ny solitany, ary raha tafiditra ao anaty maso izy dia miteraka fanaintainana. Manapoizina ny fifohan-drivotra koa izy ambonin’izany, ary mora mirehitra.

Tena zava-dehibe koa ny hanasiana fanafody ny firakotra sy izay momba ny fandriana rehetra, ny fitafiana, ary ny fitaovana manokana hafa. Rehefa voasasa izy ireny dia ataovy ao anaty milina fanamainana amin’ny hafanana ambony mandritra ny 20 minitra, mba hamonoana ny hao sy ny atodiny. Ampandalovy “aspirateur” ny kidoro sy ny fanaka mifono lamba ary ny zavatra hafa tsy azo sasana, mba hialan’ny atody sy ny hao mbola velona. Somary manorisory ny fitsaboana, nefa ilaina mba hisakanana ny fielezan’ny hao ao amin’ny fianakavianao.

Na dia tsy afaka hiaro tena amin’ny hao aza ny tena dia afaka mampihena betsaka ny mety hahavoan’izany amin’ny fanarahana fitsipika tsotsotra vitsivitsy. Ampianaro ireo zanakao tsy hifandimby fihogo sy borosy ary fitaovana manokana hafa, izay mety hamindra mora foana ny hao. Raha azo atao dia saraho fandriana ireo ankizy. Arandrano na afatory ny volo lava mba hamerana ny fifampikasoham-bolo. Farany, na dia mahazo hao aza ny zanakao dia aoka ianao tsy ho very hevitra. Mahalana no mafy ny aretina azo avy amin’ny hao. Aretina tena mahazatra izy io ary iray amin’ireo tsiambaratelo tsara afina indrindra.

[Efajoro, pejy 22]

Olana hatry ny ela

Efa an’arivony taona maro izao no niadian’ny olombelona tamin’ny hao. Nanambara toy izao ny Medical Post tamin’ny 15 novambra 1988: “Nahitana hao niraikitra tamin’ny volon’ireo faty maina egyptiana sy ny an’ireo Indianin’i Pérou talohan’ny nahatongavan’i Christophe Colomb, ary ny an’ireo Indiana any amin’ny faritra atsimo andrefan’i Amerika talohan’ny vanim-potoana nisian’ny tantara voasoratra.

“Na taloha na ankehitriny dia tsy nanaja firy na ny fiandrianan’ny mpanjaka, na ny laharana na ny hafanam-po amin’ny fivavahana ny hao.

“Nahitana maro be tamin’izany tamina fihogo sy santionam-bolo hita tao amin’ny lapan’i Heroda, sy tao amina tanàna haolo manodidina an’i Massada, ary tao anatin’ireo lava-baton’i Qumrān, ilay niaro ny horonam-bokin’ny ranomasina Maty, izay soratra tranainy indrindra amin’ny Baiboly fantatra.”

Mitovitovy amin’ny fihogontsika amin’ny andro ankehitriny ny fihogo fanalana atody hao nampiasaina efa ho an’arivony taona maro lasa izay. Vita tamin’ny hazo izy ireny amin’ny ankapobeny na dia nahitana vita tamin’ny vangin’elefanta aza tao amin’ny lapan’i Megido. Rehefa nodinihina akaiky kokoa ireo fihogo voatahiry ao amina trano fitehirizana ny rakitry ny ela, dia hita fa nisy hao sy atody hao maro be izy ireny.

Araka ny voalazan’ny dokotera Kosta Mumcuoglu, mpampianatra ao amin’ny “faculté de médecine” Hadassa, ao amin’ny oniversite hebreo, dia hoe “raha tsaraina araka ny isan’ny hao sy ny atody hita eo amin’ny fihogo dia tsy maintsy ho tena nandaitra izy ireo”.

[Sary, pejy 23]

Haon-doha (tena nohalehibeazina)

[Sary nahazoan-dalana]

Nahazoan-dalana noho ny hamoram-pon’ny zava-bita Beecham (Etazonia)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara