FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Anasy”
  • Anasy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Anasy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Nentina tany amin’i Anasy, avy eo dia tany amin’i Kaiafa
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • “Mendrika hohelohina ho faty izy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Nentina Tany Amin’i Anasy i Jesosy ary avy eo Tany Amin’i Kaiafa
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Anasy”

ANASY

(Anàsy) [avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Miantra; Tsara Fanahy”].

Mpisoronabe notendren’i Kyrenio (governora romanina tany Syria) tamin’ny taona 6 na 7 tany ho any. Mpisoronabe izy hatramin’ny taona 15 tany ho any. (Lk 2:2) I Anasy àry no mpisoronabe tamin’i Jesosy nampitolagaga an’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly, tamin’izy 12 taona. (Lk 2:42-49) Nesorin’i Valerius Gratus Governora tsy ho mpisoronabe izy. Na tsy nanao ny asan’ny mpisoronabe intsony aza izy, dia toa mbola nanana fahefana lehibe sy nitana toerana ambony ihany, satria mbola nantsoina hoe mpisoronabe sady to teny teo amin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy. Samy nanao ny asan’ny mpisoronabe ny zanany dimy lahy sy Kaiafa vinantolahiny. Nitana toerana ambony i Anasy ka mety ny nilazan’ny Soratra Masina hoe iray tamin’ireo lehiben’ny mpisorona izy. (Mt 26:3; Lk 3:2) Rehefa nosamborina i Jesosy, dia nentina hofotopotorana tany amin’i Anasy aloha, vao nentina hotsaraina tany amin’i Kaiafa. (Jn 18:13) Ny anaran’i Anasy no voalohany ao amin’ny lisitr’ireo tena mpanohitra ny apostolin’i Jesosy Kristy.​—As 4:6.

Avy amin’ny fokon’i Levy ny ankohonan’i Anasy, izay sady mpanankarena no nanana fahefana. Anisan’ny tena nampidi-bola azy ireo ny varotra biby natao fanatitra tao amin’ny tempoly. Tsy mahagaga raha tian’izy ireo hovonoina i Jesosy, satria indroa izy no nanadio ny tempoly izay nataon’izy ireo ho “lava-bato fieren-jiolahy.” (Jn 2:13-16; Mt 21:12, 13; Mr 11:15-17; Lk 19:45, 46) Anisan’ny nahatonga an’i Anasy hankahala an’i Jesosy sy ny apostoliny koa ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty. Nampianatra an’izany i Jesosy, ary nitory sy nampianatra an’izany koa ny apostoly. Nanaporofo izany mihitsy aza ny nitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty. Raha Sadoseo tokoa mantsy i Anasy, dia tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty izy.​—As 23:8; ampit. 5:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara