FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 45 p. 240-p. 243 feh. 1
  • Fanoharana sy Ohatra Hoenti-mampianatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanoharana sy Ohatra Hoenti-mampianatra
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsy Niteny Tamin’izy Ireo ... Izy Raha Tsy Tamin’ny Fanoharana”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
  • Fanoharana Mifanentana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • “Tsy Nisy Nolazainy Taminy, Afa-tsy Tamin’ny Fanoharana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Tahafo Ilay Mpampianatra Lehibe
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 45 p. 240-p. 243 feh. 1

LESONA 45

Fanoharana sy Ohatra Hoenti-mampianatra

Inona no ilainao hatao?

Mampiasa teny an’ohatra, tantara, na zavatra tena nitranga, izay hanampy anao eo amin’ny fampianaranao.

Nahoana izany no tena ilaina?

Raha mety ny fampiasanao ireo fitaovana fampianarana ireo, dia hahafinaritra kokoa ny anjaranao, ho hita eo amin’ny fiainan’ny olona ny vokany, ary tsy ho hay hadinoina ilay fampianarana. Raha tsy mety kosa ilay izy, dia hampivily ny saina tsy hifantoka amin’ilay fampianarana sarobidy.

FITAOVANA fampianarana mahery ny fanoharana sy ny ohatra. Tena mahasarika sy mihazona ny sain’ny olona izy ireny matetika. Mandrisika ny olona hieritreritra izy ireny. Mampihetsi-po koa izy ireny, ka mety hanohina ny feon’ny fieritreretana sy ny fo. Azo anoherana ny fitsarana an-tendrony indraindray ny fanoharana. Tena itadidiana zavatra koa izy ireny. Mampiasa azy ireny ve ianao, rehefa mampianatra?

Fanoharana voalazan’ny teny vitsivitsy monja mazàna, ny teny an’ohatra, kanefa mampahita sary mazava tsara ao an-tsaina. Mazava ho azy ny heviny rehefa voafidy tsara izy ireny. Azon’ny mpampianatra ampiana fanazavana fohy anefa izy ireny, raha tiany hohamafisina. Feno ohatra azonao alain-tahaka ao amin’ny Baiboly.

Fampitahana sy fampitoviana aloha no ianaro. Ny fampitahana no tsotra indrindra. Io no ampiasao voalohany, raha vao mianatra hampiasa fanoharana ianao. Miantomboka amin’ny hoe “toy ny” na “tahaka ny” izy ireny mazàna. Zavatra roa tena samy hafa no ampitahaina, saingy ny zavatra iombonany no asongadina. Fampitahana maro be ao amin’ny Baiboly no mahakasika zavaboary: ny zavamaniry sy ny biby ary ny zavatra eny amin’ny lanitra. Ao koa ireo mahakasika ny fiainan’olombelona. Ilazana isika ao amin’ny Salamo 1:3 fa ny olona mamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia “tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona”, izany hoe hazo mamoa sy tsy malazo. Ny ratsy fanahy dia lazaina ho “tahaka ny liona” mamitsaka hisambotra ny rembiny. (Sal. 10:9) Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa ho betsaka “tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra” sy “tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina” ny taranany. (Gen. 22:17) Hoy i Jehovah momba ny fifandraisana akaiky teo aminy sy ny firenen’ny Isiraely: “Toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin’ny valahan’ny olona” no nampiraiketany ny Isiraely sy ny Joda taminy.—Jer. 13:11.

Ny fampitoviana koa dia manasongadina izay iombonan’ny zavatra roa samy hafa tanteraka. Mahery kokoa anefa ny fampitoviana. Ampitoviny toy ny hoe iray ihany ny zavatra roa samy hafa, ka manjary maka ny toetran’ny andaniny ny ankilany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” (Matio 5:14) Mba hilazana ny voka-dratsin’ny fitenenana tsy voafehy, dia hoy i Jakoba mpianatra: “Afo ny lela.” (Jak. 3:6) Hoy i Davida, nihira ho an’i Jehovah: “Harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.” (Sal. 31:3) Mazàna no tsy ilaina hohazavaina firy, na tsy ilaina hohazavaina mihitsy, ny fampitoviana voafidy tsara. Arakaraka ny hafohiny no andairany. Hanampy ny mpihaino hitadidy hevitra ny fampitoviana, tsy toy ny filazana tsotra.

Fampiasa amin’ny resaka andavanandro koa ny finiavana hampitombo filazana zavatra mba hanairana ny sain’ny hafa. Tsy maintsy tandremana anefa ny fampiasana izany sao misy mandika vilana. Nampiasa an’io i Jesosy mba hilazana sary iray tsy hay hadinoina: “Nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?” (Matio 7:3) Ianaro tsara aloha ny fampiasana fampitahana sy fampitoviana, izay ianao vao mampiasa io fomba io, na teny an’ohatra hafa.

Mampiasà ohatra. Raha tsy te hampiasa teny an’ohatra ianao rehefa mampianatra, dia afaka mampiasa ohatra, izany hoe fitantarana zavatra tena nisy na noforonina. Tsy voafehy tsara indraindray ny fampiasana azy io, ka ilaina hotandremana. Rehefa hanohana hevitra tena lehibe ihany ianao vao tokony hampiasa ohatra toy izany. Tokony hanampy ny mpihaino hahatadidy ilay fianarana, fa tsy ilay tantara, ny fomba ilazanao ohatra.

Tsy voatery ho zavatra tena nitranga foana akory ny ohatra, kanefa tokony hilaza fihetsika na toe-javatra tena fahita eo amin’ny fiainana kosa. Ohatra, rehefa nampianatra ny fomba tokony hiheverana ny mpanota nibebaka i Jesosy, dia nampiasa ohatra ny amin’ny fifalian’ny lehilahy iray nahita indray ny ondriny very. (Lioka 15:1-7) Mba hamaliana lehilahy iray tsy nahazo ny hevitr’ilay baiko ho tia namana, voalazan’ny Lalàna, dia nolazain’i Jesosy ny tantaran’ilay Samaritanina nanampy lehilahy naratra, nefa samy tsy nety nanao izany na ny mpisorona na ny Levita. (Lioka 10:30-37) Hahay hampiasa tsara io fitaovana fampianarana io ianao, raha mianatra mandinika tsara ny toe-tsain’ny olona sy ny ataony.

Zavatra tsy tena nisy kosa no notantarain’i Natana mpaminany, mba hananarana an’i Davida Mpanjaka. Nandaitra ilay tantara, satria nisakana an’i Davida tsy hanamarin-tena. Izy io dia momba ny lehilahy nanankarena nanana ondry be dia be, sy ny lehilahy nahantra tsy nanana afa-tsy zanak’ondrivavy iray nokolokoloiny fatratra. Mpiandry ondry i Davida taloha, ka azony tsara ny fihetseham-pon’ny tompon’io zanak’ondry io. Rariny raha tezitra izy rehefa reny fa nalain’ilay mpanan-karena ny zanak’ondry kelin’ilay lehilahy nahantra. Tsy niolakolaka i Natana nilaza tamin’i Davida hoe: ‘Hianao izany olona izany!’ Voatohina ny fon’i Davida, ka nibebaka tamim-pahatsorana izy. (2 Sam. 12:1-14) Arakaraka ny anaovanao no hahaizanao miresaka amin’ny fomba mahafinaritra momba ireo raharaha sarotra ara-pihetseham-po.

Afaka maka ohatra maro be avy amin’ireo fisehoan-javatra tantarain’ny Baiboly isika rehefa mampianatra. Nanao izany tamin’ny teny fohy i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Tsarovy ny vadin’i Lota.” (Lioka 17:32) Niresaka momba “ny andron’i Noa” i Jesosy, fony nanome ny famantarana ny fanatrehany. (Matio 24:37-39) Nanonona anaran-dehilahy sy vehivavy 16 ho oha-pinoana ny apostoly Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Arakaraka ny ahafantaranao tsara ny Baiboly no ahaizanao maka ohatra tsara avy amin’ireo zava-nitranga sy olona voalaza ao.—Rom. 15:4; 1 Kor. 10:11.

Mety hahasoa indraindray ny manamafy fampianarana iray amin’ny fitantarana zavatra tena nitranga amin’izao andro izao. Aza mampiasa afa-tsy zava-nitranga tena azo antoka anefa, ary halaviro koa ireo fitantarana mahasanganehana olona tsy amin’antony, na ireo mety hiteraka adihevitra tsy mifandray amin’ny foto-kevitrao. Tadidio koa fa tokony hisy zava-kendrena ny fitantaranao ilay zava-nitranga. Aza mitantara tsipiriany tsy ilaina, izay mety hampivily ny saina tsy hifantoka amin’ny famelabelaranao.

Ho azon’ny olona ve ilay izy? Na inona na inona fanoharana na ohatra ampiasainao, dia tokony hahatratra zava-kendrena voafaritra tsara. Ho tratra ve izany, raha tsy mampihatra azy amin’ilay foto-kevitra ianao?

Rehefa avy nilaza i Jesosy fa “fahazavan’izao tontolo izao” ny mpianany, dia nanampy teny koa izy momba ny fampiasana jiro, sy ny andraikitra entin’izany ho azy ireo. (Matio 5:15, 16) Ny fanoharan’i Jesosy momba ilay ondry very dia narahiny teny momba ny fifaliana tsapa any an-danitra, rehefa mibebaka ny mpanota iray. (Lioka 15:7) Rehefa avy nitantara momba ilay Samaritanina tsara fanahy i Jesosy, dia nametraka fanontaniana nivantana tsara tamin’ilay nihaino azy, ary nanome azy torohevitra nazava tsara. (Lioka 10:36, 37) Ilay fanoharana momba ny karazan-tany samihafa sy ilay momba ny tsimparifary teny an-tanimbary kosa anefa tsy nohazavainy tamin’ny vahoaka, fa tamin’ireo nanetry tena ka nanontany ihany. (Matio 13:1-30, 36-43) Nilaza fanoharana iray momba ny mpamboly voaloboka izay mpamono olona i Jesosy, telo andro talohan’ny hahafatesany. Tsy nanao fampiharana azy io izy satria tsy nilaina izany. ‘Fantatry ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo fa ny tenany no nolazainy tamin’izany.’ (Matio 21:33-45) Koa miankina amin’ilay fanoharana sy ny fihetsiky ny mpihaino ary ny zava-kendrenao àry ny hanaovanao fampiharana na tsia, sy ny halavan’izany fampiharana izany raha misy.

Mila fotoana ny fianarana mampiasa tsara fanoharana sy ohatra, nefa mendrika hatao izany. Ny saina sy ny fo no voatohin’ny fanoharana voafidy tsara. Ho vokatr’izany, dia hanan-kery kokoa ilay hafatra, dia hery izay matetika tsy ananan’ny filazana tsotra fotsiny.

NY FOMBA HAHITANA FANOHARANA SY OHATRA TSARA

  • Mamakia Baiboly tsy tapaka; mariho ireo fanoharana ao; saintsaino ny antony ilana ireo ohatra ao.

  • Diniho ny manodidina anao, ka ampifandraiso ao an-tsainao ny fihetsiky ny olona sy ny foto-kevitra horesahinao.

  • Raiso an-tsoratra ireo fanoharana sy ohatra mandaitra. Mety ho avy amin’ny zavatra novakinao izany, avy tamin’ny lahateny renao, na zavatra hitanao. Tahirizo mba hampiasainao any aoriana izy ireny.

FANAZARAN-TENA: Fakafakao ireo fanoharana ato amin’ireto andinin-teny manaraka ireto: Isaia 44:9-20; Matio 13:44; Matio 18:21-35. Inona no ampianarin’ny tsirairay aminy? Nahoana ilay izy no mandaitra?

Teny an’ohatra tiako hampiasaina, rehefa mampianatra

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

Zavatra tena nitranga, izay tiako hotadidina sy hampiasaina ho ohatra

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara