FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 6/06 p. 32
  • An-tapitrisany no ho Any—Ary Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • An-tapitrisany no ho Any—Ary Ianao?
  • Mifohaza!—2006
Mifohaza!—2006
g 6/06 p. 32

An-tapitrisany no ho Any​—Ary Ianao?

◼ Ho aiza? Hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah, hoe “Akaiky ny Fanafahana!” Maharitra telo andro io fivoriambe io, ary hisy an-jatony hatao any amin’ny firenena maro eran-tany, mandritra ireo volana maromaro ho avy. Tany Etazonia izany no natomboka, tamin’ny faran’ny volana Mey. Efa nisy fivoriambe 2 981 hoatran’io natao vao tsy ela, ary efa ho 11 tapitrisa ny mpanatrika!

Hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina ny fotoam-pivoriana, ary mozika no hanokafana azy. Ny zoma maraina dia hisy lahateny hoe “Diniho Tsara ny Fampanantenan’i Jehovah Fanafahana” sy hoe “Ahoana no Hamonjen’i Jehovah An’ireo Mijaly sy Mitaraina?” Hamarana ny fotoam-pivoriana maraina ny lahateny fototra hoe “Inona no Nataon’i Jehovah mba ‘Hanafahana Antsika Mandrakizay’?”

Anisan’ny lahateny hatao ny zoma tolakandro ny hoe “Tia sy Miahy ny Zokiolona i Jehovah”, sy hoe “Fanafahana Amin’ny Fahoriana Mangidy”, ary ny hoe “Ahoana no Anaovan’ny Anjely ‘Fanompoana ho An’ny Besinimaro’?” Hisy lahateny efatra mifampitohy hoe “Jehovah no ‘Mpanafaka’ Antsika”, alohan’ilay lahateny farany hoe “Tsy Hambinina Izay Fiadiana na Lela Manohitra Antsika.”

Ny asabotsy maraina dia hisy lahateny telo mifampitohy hoe “Aza Mitsahatra Manompo.” Ho renao koa ny lahateny hoe “Nafahana Tamin’ny Fandriky ny Mpihaza”, sy hoe “Mikaroha ao Anatin’ny ‘Zava-dalin’Andriamanitra.’ ” Hisy lahateny iray momba ny batisa hamarana ny fotoam-pivoriana maraina, ary hatao batisa ao anaty rano ireo mahafeno fepetra.

Hatao ny asabotsy tolakandro ireto lahateny ireto: “Araho Foana ny Soratra Masina Rehefa Mikarakara Fahasalamana”, “Ny Fanahin’iza no Tena Misy Heriny eo Aminao?”, “Ataovy toy ny Tady ‘Telo Olana’ ny Fanambadianao”, ary “Ry Tanora, ‘Tsarovy ny Mpamorona Anareo.’ ” Mirakitra torohevitra mahasoa ho antsika miaina ankehitriny ilay lahateny farany hoe “Hita eo Amin’ny Fiainanao ve fa Mitadidy ny Andron’i Jehovah Ianao?”

Ny alahady maraina dia hisy lahateny efatra mifampitohy hoe “Ny Fanjakan’ny Lanitra dia Tahaka ny...” Hovelabelarina amin’ireo lahateny ireo ny sasany amin’ny fanoharan’i Jesosy.

Hisy lahateny iray avy eo hampiditra ny fampisehoana tantara, izay fandaharana mampiavaka ilay fivoriambe. Hiorina amin’ny Mpanjaka Voalohany toko faha-13 izy io. Hisy lahateny ho an’ny besinimaro ny alahady tolakandro, mitondra ny lohateny hoe “Akaiky ny Fanafahana Hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”

Alamino dieny izao ny fotoananao mba hanatrehana io fivoriambe io. Manatòna ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah na manorata any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity, mba hahafantaranao ny toerana hanaovana azy io, akaiky anao indrindra. Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa ny lisitry ny toerana hanaovana io fivoriambe io, eto Madagasikara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara