FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g00 8/12 p. 32
  • “Natao Hiaina Mandrakizay Isika”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Natao Hiaina Mandrakizay Isika”
  • Mifohaza!—2000
Mifohaza!—2000
g00 8/12 p. 32

“Natao Hiaina Mandrakizay Isika”

Izany no fanatsoahan-kevitra nataon’ny lehilahy iray avy ao Kasama, any Zambia, momba ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? Nanoratra toy izao momba ilay Mpamorona antsika izy:

“Nanjary vaovao tanteraka ny fahatakarako momba an’i Jehovah, tamin’ny fotoana namitako ilay boky. Nanintona ahy manokana izy, rehefa avy namaky ny amin’ny fomba nanamboarana ny vatantsika be kojakojany aho. Tsy misy isalasalana fa natao hiaina mandrakizay isika.”

Ny porofon’izany dia dinihina ao amin’ny toko faha-4, mitondra ny lohateny hoe “Tsy Misy toa Anao!”, izay tsy vitan’ny hoe miresaka momba ny firafitra fizikan’ny atidoha fotsiny ihany, fa momba ny fiteny, ny fahaizana ara-tsaina ary ny fahatsiarovan-tenan’ny olombelona koa.

Manasa anao izahay mba handinika ilay porofo ara-tsiansa, dia ho hitanao fa hiombon-kevitra amin’ilay fanatsoahan-kevitr’ilay boky toy izao ianao: “Arakaraka ny ianarantsika momba ny fiasan’ny atidoha sy ny saina no ahatakarantsika kokoa ny antony nahatonga olona an-tapitrisany maro hanatsoaka hevitra fa ny fisian’ny olombelona mahatsiaro tena, dia porofon’ny fisian’ny Mpamorona iray izay miahy antsika.”

Azonao atao ny mangataka iray amin’io boky misy pejy 192 io raha mameno ny tapakila etsy ambany sy mandefa azy io any amin’ilay adiresy aseho eto, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity, ianao.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

J. Hester and P. Scowen (AZ State Univ.), NASA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara