FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g00 8/5 p. 22-24
  • Nivoaka avy tao Anatin’ny Fanginana i Loida

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nivoaka avy tao Anatin’ny Fanginana i Loida
  • Mifohaza!—2000
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanandramana voalohany hifampiresaka taminy
  • Tapitra ny fanginana
  • Fandrosoana ara-panahy
  • Fanampiana mba hiaretana
  • Lesona Noraisina Avy Tamin’ny Tantaran’i Loida
    Mifohaza!—2001
  • Pejy Faharoa
    Mifohaza!—2001
  • Lazao hoe Tianao Izy Ireo
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Avy eo amin’ny fahaketrahana mankeo amin’ny fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Mifohaza!—2000
g00 8/5 p. 22-24

Nivoaka avy tao Anatin’ny Fanginana i Loida

NOTANTARAIN’NY RENIN’I LOIDA

SAHALA amin’ny reny miandry vohoka rehetra, dia nanahy aho sao dia mety hisy fahasamponany kely ny zanako. Na izany aza, dia tsy nampoiziko ny kiakiaka nahavaky fo nataon’i Loida, zanako fahatelo, raha vao tonga teto an-tany izy. Voatapak’ilay dokotera tsy nahy tamin’ny tandra fampiterahana ny taolan-tsorok’i Loida. Nalefa nody i Loida, tapa-bolana taorian’ny nanaovana fandidiana ho fanitsiana izany. Niserana ihany anefa ny fifalianay.

Nandritra ireo volana maromaro nanaraka izany dia nanjary hita fa nisy zavatra tena tsy nety tao. Nisy vokany ratsy ny fanafodin’i Loida, ka anisan’izany ny tazo sy ny aretin-kibo ary ny fanintona, ary toa vao mainka naharatsy kokoa ny fahasalamany ny fitsaboana ireo soritr’aretina ireo. Tsy ela dia nanjary tsy voafehin’i Loida intsony ny fihetsiky ny vatany. Farany dia nilazan’ny dokotera izahay fa voan’ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha i Loida. Nolazain’izy ireo koa fa tsy ho afaka handeha mihitsy izy na hiteny, ary tsy hahafantatra izay holazainay akory aza.

Fanandramana voalohany hifampiresaka taminy

Na dia ratsy aza ny mety ho fizotran’ny aretina, dia mbola nihevitra ihany aho fa afaka mahazo zavatra betsaka i Loida. Noho izany, dia niezaka namaky boky tsotsotra taminy aho ary niezaka mafy nampianatra azy ny abidy. Tsy afaka niteny anefa i Loida sady tsy afaka nampiseho kely akory hoe azony izay nolazaiko. Tsy nisy fomba mihitsy nahalalana hoe misy zavatra azony kely ve sa tsy misy mihitsy.

Rehefa nivadika ireo taona, dia toa tsy nisy vokany firy ny ezaka nataoko hampianarana an’i Loida. Na izany aza, dia nandany ora maro hamakian-teny ho azy aho. Nampiarahinay tamin’i Noemi zanakay faravavy mihitsy aza izy, tamin’ny fianaram-pianakavianay nampiasanay ny boky Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe sy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly.a Naverimberiko novakina tamin’i Loida ny maro tamin’ireo toko ao amin’ireo boky ireo.

Tena mahakivy tokoa ny hoe tsy afaka miresaka amin’ny olona iray tianao. Nitomany tsy laitra nampanginina i Loida rehefa nentiko teny amin’ny zaridaina filalaovana. Nahoana? Araka ny fiheverako azy, dia toa nijaly izy nieritreritra fa tsy afaka nihazakazaka sy nilalao tahaka ireo ankizy hafa. Indray mandeha dia nitomany be i Loida rehefa namaky zavatra tamiko avy tao amin’ny kahieny, ny rahavaviny. Hita tokoa fa nisy zavatra nahasorena azy, nefa tsy azoko an-tsaina akory hoe inona ilay izy. Ny hany fitenin’i Loida, dia tsy nisy afa-tsy feo mingonongonona vitsivitsy milaza ny zavatra fototra ilainy, toy ny hoe mila sakafo, mila rano sy mila matory ary mila mankany amin’ny trano fivoahana.

Nanomboka nianatra tany amin’ny sekoly voatokana ho an’ny ankizy manan-javatra ilaina manokana i Loida, fony izy sivy taona. Vao mainka anefa niharatsy ny toe-javatra nahazo azy nandritra ireo telo taona nanaraka. Natahotra ny hamindra izy, na dia dingana vitsivitsy monja aza, raha tsy nisy nanampy, ary zara raha nisy feo nivoaka ny vavany. Nanapa-kevitra izahay mivady fa tsara kokoa raha ato an-trano izy no hampianarina.

Nandritra ireo enin-taona nanaraka, dia nampianatra an’i Loida araka izay tsara indrindra nety ho vitako aho. Nanoratra teo amin’ny solaitrabe aho, ary nanantena fa hadikan’i Loida izany. Tsy nisy vokany ny ezaka nataoko. Inona àry no olana? Tsy azon’i Loida ve ilay zavatra sa tsy afaka nanoratra izy satria tsy voafehiny ny fihetsiky ny tanany?

Rehefa tokotokony ho 18 taona i Loida dia nanjary sarotra aoka izany ny nitaiza azy, hany ka nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho, nitalaho taminy mba hanampy ahy hifandray tamin’ny zanako. Hafakely ny nahazoako ny valim-bavako.

Tapitra ny fanginana

Nisy fiovana lehibe nitranga rehefa nanavao ny fandravahana ny efitrano fandrianay ireo zanakay vavy. Talohan’ny hanendahan’i Noemi ilay temitra tranainy dia nanoratra anaran’olona vitsivitsy teo amin’ny rindrina izy — anarana avy ao amin’ny Baiboly sy anaran’ny namana ary anaran’ny mpianakavy. Mba ta hahafantatra i Rut zanako vavy hoe hitan’i Loida ve sa tsia ny misy ny anaran’i “Jehovah” ka nanontaniany. Nahagaga fa nandeha nankeo amin’ny rindrina i Loida ary nataony teo akaikin’ilay anaran’Andriamanitra ny lohany. Nanontany tena i Rut raha hain’i Loida fantarina ireo anarana hafa, koa dia notsapainy izy. Gaga be i Rut fa fantatr’i Loida daholo ireo anarana rehetra, eny fa na dia ny anarana mbola tsy hitany nosoratana taloha aza! Novorin’i Rut daholo ny mpianakavy rehetra mba samy hahita ilay zavatra. Nahay namaky teny i Loida!

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nahita fomba hanampiana an’i Loida “hiresaka” taminay izahay. Napetakay teo amin’ny rindrina teo amin’ny lalantsaranay lava be ireo litera amin’ny abidy. Tsy hety ny hanoratana litera madinika kokoa teo amin’ny solaitra eny an-tanana, satria tsy ho afaka hifehy tsara ny tanany mba hanondro ny tsirairay amin’ireo litera i Loida. Rehefa naniry hiresaka àry i Loida, dia nandeha nankeo amin’ny tsirairay amin’ireo litera teo amin’ilay rindrina izy mba hilazany izay tiany holazaina. Azonao an-tsaina fa tena mandreraka izany. Tena tsy maintsy nivezivezy kilaometatra maro tokoa i Loida mba “hanoratana” hevitra ao anatin’ny pejy iray monja, ary mety handany ora maro be vao ho vitany izany!

Nientam-po anefa i Loida afaka “niresaka” taminay. Ny zavatra voalohany nolazainy taminay, raha ny marina, dia hoe: “Faly be mihitsy aho, ary misaotra an’i Jehovah satria afaka miresaka aho izao”. Gaga be izahay ka nanontany an’i Loida hoe: “Fa inona no nataonao tamin’ireny ianao nipetraka nandritra ny andro manontolo ireny?” Nolazain’i Loida taminay fa noeritreretiny ny amin’izay niriny holazaina taminay raha mba afaka niteny izy. Nilaza tokoa i Loida fa efa hatramin’ny 18 taona izy no naniry mafy hiresaka. Hoy izy hoe: “Rehefa nanomboka nandeha nianatra i Rut, dia namaky irery izay tao anatin’ny kahieny aho. Nahetsiketsiko ny molotro ka nisy feo kely nivoaka nefa tsy azonareo izay nolazaiko. Izany no nahatonga ahy hanomboka hitomany matetika.”

Nitomany aho niala tsiny taminy noho izaho tsy afaka nahatakatra tsara kokoa izay nanjo azy. Namaly i Loida hoe: “Reny mahafatra-po ianao, ary tsy mety kivy mihitsy. Sambatra foana aho teo anilanao. Tena tiako tokoa ianao, ka aza mitomany intsony. Izany an!”

Fandrosoana ara-panahy

Efa nanana fahalalana ny Baiboly i Loida, ary nahay tsianjery andininy sasany avy ao amin’ny Baiboly. Tsy ela anefa dia nilaza taminay izy fa naniry hanome valin-teny any amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana any amin’ny kongregasiona. Izy io dia dinidinika misy fanontaniana sy valiny atao isan-kerinandro. Ahoana no hanaovany izany? Vakin’ny iray aminay aminy ilay lahatsoratra manontolo. Avy eo i Loida dia mifidy fanontaniana iray tiany hovaliana. Soratanay araka izay litera tononiny aminay ny valin-teniny. Rehefa tonga any am-pivoriana avy eo, dia vakin’ny iray aminay ny valin-tenin’i Loida. Nilaza taminay i Loida indray mandeha hoe: “Tena mampientam-po ahy ny fahafahako mandray anjara satria mahatonga ahy hahatsapa ho anisan’ny kongregasiona izany.”

Nilaza ny faniriany hatao batisa i Loida, fony izy 20 taona. Rehefa nanontaniana i Loida raha fantany ny dikan’ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah, dia namaly izy fa efa nanolo-tena izy tamin’ny fito taona lasa, raha vao 13 taona monja. Hoy izy hoe: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho ary nilaza taminy fa naniry ny hanompo azy mandrakizay.” Tamin’ny 2 Aogositra 1997 dia nampiseho ny fanoloran-tenany i Loida ka natao batisa tao anaty rano. Hoy i Loida taminay hoe: “Misaotra an’i Jehovah aho fa tanteraka ny faniriako lehibe indrindra!”

Tian’i Loida ny miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny havana sy ny mpiara-monina. Miaraka aminay mitory amin’ny olona eny an-dalana izy indraindray. Manomana taratasy hapetraka eo am-baravaran’ny olona tsy tratra an-trano koa izy. Mahaliana an’i Loida manokana ny be taona sy ny tsy salama. Misy rahavavy iray, ohatra, ao amin’ny kongregasionanay. Notapahina ny tongotr’izy io. Hoy i Loida taminay: “Fantatro izany hoe tsy afa-mandeha izany.” Noho izany, dia nanomana taratasy fampaherezana ho an’io rahavavy io izy. Eo koa i Jairo, zazalahy iray any amin’ny kongregasiona iray hafa. Saiky tsy afa-mihetsika mihitsy izy io, manomboka eo amin’ny lohany no ho midina. Rehefa fantatr’i Loida ny fahoriany, dia nanoratra taratasy tany aminy izy. Izao no voalazan’ny tapany amin’izy io: “Kely sisa dia hataon’i Jehovah salama tsara isika. Tsy hisy fanaintainana ao amin’ny Paradisa. Amin’izay dia hifaninana hihazakazaka aminao aho. Mihomehy aho satria tena hahafinaritra be izany. Tsy mahafinaritra ve ny mieritreritra hoe ho sahala amin’ny namoronan’i Jehovah antsika isika, izany hoe tsy harary?”

Fanampiana mba hiaretana

Ankehitriny aho dia mahatakatra zavatra betsaka momba ny fihetsik’i Loida izay nahavery hevitra ahy taloha. Milaza, ohatra, i Loida fa tsy tiany ny nofihinina, fony izy mbola kely, satria sorena be izy. Hoy izy hoe: “Toa tsy rariny ny hoe afaka miteny sy mianatra zavatra tsy azoko atao ny rahavaviko. Tezitra be aho. Indraindray dia nieritreritra aho hoe naleoko maty.”

Miatrika zava-tsarotra maro i Loida, na dia mahazo fitahiana afaka miresaka aza. Isam-bolana eo ho eo, ohatra, dia voan’ny fanintona mitohitohy izy ka mandritra izany dia toy ny hoe kenda izy, ary mihetsiketsika tsy voafehiny ny tanany sy ny tongony. Ankoatra izany, izay aretina rehetra, na dia sery fotsiny aza dia mandreraka be azy. Indraindray i Loida dia ketraka noho ny toe-javatra misy azy. Inona no manampy azy hiaritra? Aleo izy no hilaza ny valiny amin’ny fomba fiteniny:

“Fanampiana lehibe ny vavaka. Mahafaly be ahy ny miresaka amin’i Jehovah sy ny mahatsapa ho akaiky azy. Ankasitrahako koa ny fitiavana sy ny fiheveran’ny hafa any amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsapako ho manana tombony aho satria na dia eo aza ny zava-manahirana ahy ara-batana, dia notezain’ny ray aman-dreny mahafinaritra izay tena tia ahy aho. Tsy hohadinoiko mandrakizay ny nataon’ireo rahavaviko tamiko. Nanavotra ny fiainako ireo litera nahafinaritra teo amin’ny rindrina. Tsy hisy heviny ny fiainako raha tsy teo ny fitiavan’i Jehovah sy ny fitiavan’ny fianakaviako.”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Tsy atao pirinty intsony izao ny Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe.

[Sary, pejy 24]

Loida sy ny fianakaviany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara