Fanamarihana Ambany Pejy
a Ny ran’ilay biby natao fanatitra no sarobidy, satria nandrakotra fahotana. Masina amin’Andriamanitra mantsy ny ra. (Levitikosy 17:11) Tsy nisy dikany ve izany ilay lafarinina nomen’ny mahantra? Tsia. Azo antoka fa sarobidy tamin’i Jehovah ny toe-tsain’ilay olona, noho izy nanetry tena sy vonona hankatò. Teo koa ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona. Nandrakotra ny fahotan’ilay firenena, anisan’izany ny mahantra, ny ran’ireo biby natao fanatitra tamin’io.—Levitikosy 16:29, 30.