Fanamarihana Ambany Pejy
c Rehefa nadika ho amin’ny teny grika ilay teny hebreo hoe “trondro”, dia natao hoe “biby goavam-be any an-dranomasina.” Tsy fantatra mazava hoe inona io hazandrano io. Voamarika anefa fa misy antsantsa lehibe afaka mitelina olona iray manontolo, ao amin’ny Ranomasina Mediterane. Mbola misy karazana antsantsa lehibe noho izany aza any amin’ny ranomasina hafa, ka mahatratra 15 metatra na mihoatra!