Fanamarihana Ambany Pejy
a Efatra ny planeta kely sady akaiky kokoa ny masoandro, dia i Mercure, Vénus, Tany, ary Mars. Mitovitovy izy ireo satria vato no be indrindra ao aminy. Ireto kosa ny planeta goavana sady lavitra kokoa: Jupiter, Saturne, Uranus, ary Neptune. Gazy no be indrindra ao amin’izy ireo.