Fanamarihana Ambany Pejy
a Nifandray tsara tamin’ireo Jentilisa mpino i Petera, fony izy tany Antiokia, any Syria. ‘Nihataka sy niala tamin’izy ireo anefa izy’, rehefa tonga ny Kristianina jiosy avy tany Jerosalema, ‘satria natahotra an’ireo momba ny famorana’ izy. Azontsika sary an-tsaina ny alahelon’ireo Jentilisa lasa Kristianina, rehefa tsy nety niara-nisakafo tamin’izy ireo ilay apostoly nohajaina.—Galatiana 2:11-13.