Fanamarihana Ambany Pejy
a Hita tatỳ aoriana fa tsy nanana ny toetra nilaina mba ho mpanjakan’ny Isiraely i Eliaba tsara tarehy. Rehefa nihantsy ny Isiraelita hiady taminy, ohatra, ilay Filistinina goavam-be atao hoe Goliata, dia nitakemotra noho ny tahotra i Eliaba sy ny Isiraelita hafa.—1 Samoela 17:11, 28-30.