Fanamarihana Ambany Pejy
a Tsy fantatra ny tena isan’ny miaramila sy ny sivily maty. Ohatra, ilay boky hoe Facts About the American Wars, tamin’ny 1998, dia manamarika toy izao momba ny Ady Lehibe Faharoa fotsiny: “Ny ankamaroan’ireo boky dia milaza fa 50 tapitrisa ny tontalin’isan’ireo maty noho ny Ady Lehibe Faharoa (miaramila sy sivily), nefa olona maro izay nandinika akaiky an’io raharaha io no mino fa maherin’izany ny tena isany—mahatratra avo roa heny noho io isa io.”