Fanamarihana Ambany Pejy
a Koa satria tsy nahay namaky teny hebreo tsara intsony ny Jiosy maro tany ivelan’i Isiraely, toy ny fiaraha-monina jiosy tany Aleksandria, tany Egypta, tsy ela dia hita fa nilaina ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny andavanandro. Mba hanomezana fahafaham-po izany zavatra nilaina izany, dia nomanina ny dikan-teny Septante grika tamin’ny taonjato fahatelo al.f.i. Tonga loharanon-kevitra lehibe ho an’ny fampitahana soratra io dikan-teny io tatỳ aoriana.