Fanamarihana Ambany Pejy
c Hoy ny nosoratan’i Josephus momba ireo fitrangan-javatra teo anelanelan’ny fanafihana voalohany nataon’ny Romana tamin’i Jerosalema (66 am.f.i.) sy ny fandravana azy: “Nandritra ny alina dia nisy tafiotra nahery vaika nipoaka; namely ny rivo-mahery, nivatravatra ny orana, tsy an-kijanona ny tselatra, nahatahotra ireo fipoaky ny kotro-baratra, nihovotrovotra tamin’ny firohondrohona nankarenin-tsofina ny tany. Mazava fa nilaza loza ho an’ny taranak’olombelona io firodanan’ilay fandehan-javatra manontolo io, ary tsy nisy na dia iray aza afaka nisalasala fa ireo fambara ireo dia nidika ho loza lehibe tsy hisy toa azy.”