Fanamarihana Ambany Pejy
f Nanoratra toy izao ny Profesora Walter L. Liefeld: “Azo antoka fa azo atao ny mihevitra fa ireo filazana mialoha nataon’i Jesosy dia nanakambana fisehoan-javatra roa ho iray: 1) ireo fisehoan-javatra tamin’ny taona 70 A.D. izay nahatafiditra ny tempoly ary 2) ireo izay hitranga amin’ny hoavy mbola lavitra, voalazalaza amin’ny teny ara-paminaniana kokoa.” Hoy ny fanazavana navoakan’i J. R. Dummelow: “Maro amin’ireo zava-manahirana lehibe indrindra amin’itỳ lahatsoratra lehibe itỳ no manjavona rehefa takatra fa, ao amin’izy io, ny Tompontsika dia tsy nanisy fitenenana ny amin’ny fisehoan-javatra iray fa roa, ary ny voalohany dia tandindon’ilay faharoa. (...) [Ny Lioka] 21:24 indrindra, izay miresaka ny amin’ny ‘andron’ny Jentilisa’, (...) dia mametraka elanelany tsy voafetra eo amin’ny fianjeran’i Jerosalema sy ny faran’izao tontolo izao.”