Fanamarihana Ambany Pejy
e Olona maro no mahita ao amin’ny fitantaran’i Lioka, fifindran’ny zavatra nantitranterina aorian’ny Lioka 21:24. Ny Dr. Leon Morris dia nanamarika toy izao: “Manohy miresaka ny amin’ny andron’ny Jentilisa i Jesosy. (...) Araka ny hevitry ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana dia mifindra mankamin’ny fiavian’ny Zanak’olona izao ny saina.” Nanoratra toy izao ny Profesora R. Ginns: “Ny Fiavian’ny Zanak’olona — (Mt. 24:29-31; Mk. 13:24-27). Ny fanisiana fitenenana ny amin’ny ‘andron’ny Jentilisa’ dia manome fampidiran-dresaka ho amin’io loha hevitra io; ny fahatsinjovana [ny an’i Lioka] izao dia lasa any ankoatra ny faharavan’i Jerosalema mankany amin’ny hoavy.”