Fanamarihana Ambany Pejy
b Nahafantatra ny fomba fanao amin’ny fandrendrehana metaly ny Isiraelita. Nisy sisan-javatra avy tamin’ny toeram-pitrandrahany varahina sasany hita, ary narendrika ny varahina mba hanaovana ireo fitaovana tao amin’ny tempoly. (Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 7:14-46.) Toa tsy azo inoana ny hoe ho azo natao tsy nisy fandotoana sasany io fandrendrehana io, dia fandotoana tamin’ny endriky ny setroka, sy tain-drendrika ary lavenona miaraka amin’ny voka-dratsiny hafa koa angamba. Na dia izany aza, i Jehovah dia toa vonona ny handefitra tamin’ny tsy fahadiovana kely izay voafetra tamin’ny toerana iray, tany amin’io faritra mitokana sy vitsy mponina mitsitokantokana io.