Fanamarihana Ambany Pejy
c Ny mpanoratra tantara jiosy sasany dia milaza fa io zafikelin’i Eliasiba io dia nantsoina hoe Manase, ary koa fa, niaraka tamin’i Sanbala rafozan-dahiny, izy dia nanorina ilay tempoly teo an-tendrombohitra Gerizima, izay nanjary ny foiben’ny fanompoam-pivavahan’ny Samaritana ary nanaovany ny asa fisoronany nandritra ny androm-piainany. I Gerizima dia ilay tendrombohitra nasian’i Jesosy firesahana ao amin’ny Jaona 4:21. — The Second Temple in Jerusalem, 1908, W. Shaw Caldecott, pejy 252-255; jereo La Tour de Garde, 1 Jolay 1961, pejy 205-206.