Fanamarihana Ambany Pejy
a Nisy 7 000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fianakaviany nangonin’ny Sovietika, nandritra ny faran’ireo herinandro roa voalohany tamin’ny Aprily 1951. Avy amin’ny faritra andrefan’ny Firaisana Sovietika izy ireo, ary nentina lamasinina hatao sesitany tany Siberia, an’arivony kilaometatra tany atsinanana. Efa tetika maty paika ilay izy.