FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 14
  • Tena Nisy ve i Jaona Mpanao Batisa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Nisy ve i Jaona Mpanao Batisa?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Mitovitovy Aminy
  • Herodiasy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fitsingerenan’ny Andro Nahaterahana Nisy Vonoan’olona
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Iza moa i Jaona Mpanao Batisa?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Vonoana olona nandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 14
Jaona Mpanao Batisa eo am-panaovana batisa olona maromaro.

Tena Nisy ve i Jaona Mpanao Batisa?

Miresaka momba ny lehilahy iray antsoina hoe Jaona Mpanao Batisa ny Filazantsara. Resahina ao fa nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra nanerana an’i Jodia izy. Marina ve ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’io lehilahy io? Diniho ireto:

  • Milaza ny Baiboly hoe: “Tonga nitory tany an-tany efitr’i Jodia i Jaona Mpanao Batisa. Ary hoy izy: ‘Mibebaha, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.’” (Matio 3:1, 2) Misy porofo manamarina an’izany ve? Ie.

    Niresaka momba ny lehilahy iray atao hoe “Jaona, izay nantsoina hoe Mpanao Batisa” i Flavius Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza i Josèphe fa nampirisihin’i Jaona ny Jiosy mba “hiezaka ho olo-marina”, “hanompo an’Andriamanitra amin’ny fony”, ary “hatao batisa.”—Rakitry ny Ela Jiosy, Boky Faha-8.

  • Tantarain’ny Baiboly fa nananatra an’i Heroda Antipasy i Jaona. Lehibem-paritr’i Galilia sy Pere i Heroda Antipasy, ary nihevi-tena ho Jiosy sy nilaza ho nankatò ny Lalàna. Nanitsy azy i Jaona noho izy nanambady an’i Herodiasy, vadin’ny rahalahiny. (Marka 6:18) Tsy ny Baiboly ihany no miresaka momba an’io tsipiriany io.

    Nilaza i Josèphe mpahay tantara fa “raiki-pitia tamin’i Herodiasy” i Antipasy, ary “tsy menatra nangataka azy ho vady.” Nanaiky i Herodiasy ka nisaraka tamin’ny vadiny ary nanambady an’i Antipasy.

  • Milaza ny Baiboly hoe: “Nivoaka nankany amin’i Jaona ny olona tany Jerosalema sy eran’i Jodia ary ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana. Dia nataony batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana ny olona.”—Matio 3:5, 6.

    Manamarina an’izany koa i Josèphe. Nanoratra izy hoe nisy “vahoaka” nanatona an’i Jaona, ary “nisy vokany be tamin’izy ireo ny zavatra nampianariny.”

Hitantsika amin’izany fa nino i Josèphe mpahay tantara hoe tena nisy i Jaona Mpanao Batisa. Afaka mino an’izany koa àry isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara