FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 72
  • Ahoana no Hahaizako Hitsitsy Vola?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hahaizako Hitsitsy Vola?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no ilaina ny mahay mitsitsy vola?
  • Ahoana no hanaovana an’izany?
  • Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?
    Mifohaza!—2006
  • Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Afaka Manampy Anao ve ny Baiboly Raha Manana Olana Ara-bola Ianao na Be Trosa?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 72
Ankizivavy mividy zavatra ao amin’ny Internet

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hahaizako Hitsitsy Vola?

“Nandehandeha tany an-tsena izaho vao haingana, mba hijerijery fotsiny. Nividy zavatra lafo be izaho rehefa tany, nefa izaho tsy nieritreritra ny hividy an’ilay izy akory tamin’ny voalohany.”​—Colin.

Nitsotra i Colin hoe tena tsy mahay mitsitsy vola izy. Hoatr’izany koa ve ianao? Hanampy anao àry ity lahatsoratra ity.

  • Nahoana no ilaina ny mahay mitsitsy vola?

  • Ahoana no hanaovana an’izany?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Nahoana no ilaina ny mahay mitsitsy vola?

Hevi-diso: Tsy hahavita na inona na inona ianao raha mieritreritra ny hitsitsy vola foana.

Ny tena marina: Vao maika ianao hahavita zavatra be dia be rehefa mahay mitsitsy vola. Hoy ilay boky hoe I’m Broke! The Money Handbook: “Raha hainao tsara ny mitsitsy vola, dia ho azonao daholo izay zavatra tianao, na amin’izao izany na amin’ny hoavy.”

Tadidio izao: Raha mahay mitsitsy vola ianao dia...

  • Hanam-bola rehefa tena mila an’izany. Hoy ny tanora iray antsoina hoe Inez: “Mba te handeha ho any Amerika Atsimo izaho any aoriana any. Dia sady manangom-bola aho no mieritreritra foana an’izany tanjoko izany.”

  • Ho kely ny trosanao na tsy hanana trosa mihitsy ianao. Hoy ny Baiboly: “Izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.” (Ohabolana 22:7) Hoy ny tovovavy iray antsoina hoe Anna: “Ho simba ny fiainanao raha bokan’ny trosa ianao. Ho afaka hifantoka amin’ny tanjonao kosa ianao raha tsy ananan’olona trosa.”

  • Ho hita hoe matotra ianao. Ho lasa olon-dehibe matotra ianao, raha izao ianao dia efa mahay mitsitsy vola. Hoy i Jean, 20 taona: “Hoatran’ny fanazaran-tena ilay izy. Amin’izao izaho dia efa miezaka ny hahay hitantam-bola, dia amin’izay izaho ho hoatr’izany foana any aoriana any.”

Tsara ho fantatra: Hoy ilay boky hoe The Complete Guide to Personal Finance: For Teenagers and College Students: “Raha tianao ny hoe tsy hiankina amin’iza na iza, dia tena hanampy anao voalohany indrindra ny mahay mitantam-bola. Tena ilainao mandritra ny androm-piainanao mantsy ny hoe mahay mitantam-bola.”

Ahoana no hanaovana an’izany?

Fantaro ilay fahazaran-dratsinao. Raha tsy manam-bola foana ianao dia fantaro aloha hoe inona no tena mandany ny volanao. Ilay mividy zavatra amin’ny Internet no mety hahavoa ny olona sasany. Ny hafa indray mety hoe mandany vola tsikelikely dia tsy manana intsony rehefa amin’ny faran’ny volana.

“Mihalany tsikelikely ny volako rehefa mividy zavatra isan’andro aho. Mividy zavatra kely ataoko fanomezana aho, ohatra, na misotro kafe any ivelany, na mividy zavatra misy fihenam-bidy. Gaga aho avy eo rehefa tonga ny faran’ny volana hoe nankaiza daholo ny volako.”​—Hailey.

Manaova teti-bola. Hoy ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” (Ohabolana 21:5) Ho arakao ny vola miditra sy mivoaka aminao raha manao teti-bola ianao. Hanampy anao tsy handany vola be loatra izany.

“Raha mandany vola be loatra ianao, dia diniho tsara hoe lany amin’inona ilay izy. Aza vidina intsony avy eo izay zavatra tsy tena ilainao akory. Ahenao foana ny zavatra vidinao. Farany dia lasa ny vola miditra aminao no betsaka noho ny vola laninao.”​—Danielle.

Aza miovaova hevitra. Fantaro foana hoe inona avy no andanianao vola ary aza mandanilany foana. Be dia be ny hevitra hanampy anao hanao an’izany. Ireto, ohatra, no ataon’ny tanora sasany:

  • “Tonga dia ataoko any amin’ny banky ny volako, amin’izay izaho tsy tratran’ny fakam-panahy hampiasa an’ilay izy.”​—David.

  • “Vola kelikely ihany no entiko rehefa miantsena aho. Amin’izay aho mantsy tsy afaka mandanilany vola.”​—Ellen.

  • “Raha misy zavatra tiako hovidina, dia tsy tonga dia vidiko ilay izy fa miandry elaela aho aloha. Amin’izay ho hitako eo raha tena ilaiko ilay izy na tsia.”​—Jesiah.

  • “Tsy hoe isaky ny misy fety na misy manasa aho dia mandeha foana. Tsy olana amiko mihitsy ny tsy mandeha rehefa tsy misy vola aho.”​—Jennifer.

Tsara ho fantatra: Tena zava-dehibe ny hoe mahay mitantam-bola. Manomboka mahatsapa an’izany i Colin, ilay niteny an’ilay teny erỳ ambony. Hoy izy: “Izaho no ho loham-pianakaviana indray andro any, nefa ahoana raha mandanilany vola aho? Raha izaho mbola tsy manambady izao aza tsy mahay mitantam-bola, koa mainka fa rehefa manambady!”

Soso-kevitra: “Resaho amin’ny olona anankiray hoe te hitsitsy vola ianao, dia asaivo manontany anao matetika izy hoe nahavita an’ilay izy ve ianao. Amin’izay ianao tsy halaim-panahy handanilany foana ny volanao.”—Vanessa.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Julie

“Tena ratsy be izany hoe bokan’ny trosa izany. Efa nahazo ahy indray mandeha mantsy izany, dia tsy te hiherika an’izany intsony aho. Lasa afaka manao izay tiako kosa aho, rehefa tsy ananan’olona trosa, sady milamin-tsaina kokoa.”—Julie.

Jesiah

“Matetika ny mpivarotra sy ny mpanao dokam-barotra no mahatonga anao hieritreritra hoe tsy maintsy mividy an’ilay izy izao dia izao ianao fa tsy tokony hiandriandry izany. Tokony hieritreritra tsara foana anefa ianao. Raha tsy manao an’izany ianao, dia mety hidika izany hoe tsy tokony hividy an’ilay izy.”—Jesiah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara