FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 52
  • Tifitra Variraraka any An-tsekoly: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tifitra Variraraka any An-tsekoly: Inona no Lazain’ny Baiboly?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Maninona no mihabetsaka ny herisetra?
  • Ahoana no iatrehana an’izany?
  • Ho foana ihany ve ny herisetra?
  • Lasa Hita Hatraiza Hatraiza ny Herisetra Ampiasana Basy: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Rahoviana vao Tsy Hisy Intsony ny Olona Mifamono Noho ny Politika? Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ny Fiafarana Maharitry ny Herisetra — Amin’ny Fomba Ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ahoana no Hiatrehako ny Loza Mamely Tampoka?
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 52
Voninkazo be dia be eo anoloan’ny sekoly iray nisian’ny tifitra variraraka.

MIAMBENA FOANA!

Tifitra Variraraka any An-tsekoly: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Nisy zavatra mampihoron-koditra nitranga tany Uvalde, tanàna kely any Texas, tamin’ny 24 Mey 2022. Nilaza ilay gazety hoe The New York Times fa “nisy lehilahy nitam-basy namono ankizy 19 sy mpampianatra roa ... tao amin’ny sekoly Robb Elementary School.”

Mampalahelo fa fahita matetika ny zavatra hoatr’izany. Nitatitra ny USA Today fa tany Etazonia fotsiny, dia “nisy tifitra variraraka tany an-tsekoly 249 tamin’ny herintaona. Izany ny antontan’isa betsaka indrindra taorian’ny 1970.”

Maninona no mitranga ny habibiana hoatran’ireo? Ahoana no iatrehantsika zava-dratsy hoatran’izany? Mbola ho foana ve ny herisetra? Mamaly an’izany ny Baiboly.

Maninona no mihabetsaka ny herisetra?

  • Lazain’ny Baiboly hoe “andro farany” izao andro iainantsika izao, dia betsaka ny olona “tsy ho tia ny mpianakaviny” sy “ho masiaka be”, izany hoe hahery setra sy hahavanon-doza. “Vao mainka hiharatsy kokoa” ny olona hoatr’izany. (2 Timoty 3:1-5, 13) Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Efa Voalazan’ny Baiboly Mialoha ve ny Toe-tsain’ny Olona Amin’izao Andro Izao sy ny Zavatra Ataony?”

Be dia be no mieritreritra hoe: ‘Fa maninona no avelan’Andriamanitra hitranga ny zava-dratsy hoatran’ireny tifitra variraraka ireny fa tsy sakanany?’ Raha tianao ho fantatra hoe inona no lazain’ny Baiboly momba an’izany, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Nahoana ny Tsara Fanahy no Mijaly?”

Ahoana no iatrehana an’izany?

  • “Izay ... voasoratra taloha dia nosoratana mba hampianarana antsika. Amin’izay isika dia hanana fanantenana, satria ... manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.”​—Romanina 15:4.

Afaka manampy anao hiatrika ny herisetra fahita amin’izao ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay gazety Mifohaza! hoe “Ho Foana Ihany ve ny Herisetra?”

Misy vaovao ratsy koa amin’izao ary mety hampahatahotra antsika izy ireny. Misy torohevitra azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hiatrika an’izany ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Matahotra Vaovao Ratsy ve ny Zanakao?”

Ho foana ihany ve ny herisetra?

  • “Hanafaka azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”​—Salamo 72:14.

  • “Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hifamely amin’ny sabatra intsony ireo firenena, sady tsy hianatra ady intsony.”​—Mika 4:3.

Hanao zavatra tsy vitan’ny olombelona Andriamanitra. Hanafoana ny fitaovam-piadiana sy ny herisetra rehetra ny Fanjakany any an-danitra. Raha tianao ho fantatra bebe kokoa hoe inona ny zavatra hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “‘Ho Be ny Fiadanana’ Rehefa Hitondra ny Tany Ilay Fanjakana.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara