FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb14 p. 152-153
  • Zavatra Sarobidy Kokoa Noho ny Diamondra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavatra Sarobidy Kokoa Noho ny Diamondra
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Raiki-pitia Tamin’i Sierra Leone Aho
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
  • Nisy Heriny teo Amin’ny Fiainako ny Asa Fampianarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Afaka Manao Fandrosoana Ara-panahy Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Diamondra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
yb14 p. 152-153

SIERRA LEONE SY GUINÉE

Zavatra Sarobidy Kokoa Noho ny Diamondra

Tamba Josiah

  • TERAKA 1948

  • BATISA 1972

  • TANTARANY Niasa tamin’ny toerana fitrandrahana diamondra, talohan’ny nahitany ny fahamarinana. Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Sierra Leone ankehitriny.

NIASA tamin’ny orinasa anglisy mpitrandraka vato tao Tongo, any avaratr’i Kenema, aho tamin’ny 1970. Nanan-karena diamondra io toerana io. Mba nitady diamondra ho ahy aho rehefa tsy niasa, ary namidiko tany Kenema izany. Nanararaotra nampifalifaly tena koa aho tany.

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny 1972, ary nianatra Baiboly. Nahafeno fepetra hatao batisa aho, dimy volana taorian’izay. Tsy nanana andro fialan-tsasatra intsony anefa aho. Niangaviako hanao ny asako àry ny mpiara-miasa tamiko, mba hahafahako mamonjy an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra hanaovana batisa ahy. Nanaiky izy fa karama herinandro, hono, no takalony. Tsy nampaninona ahy izany, satria zava-dehibe tamiko ny batisako. Tsy noraisiny indray anefa ilay karama nony tonga aho, satria zavatra tsara, hono, izany manompo an’Andriamanitra izany. Niala tamin’ilay asa be karama aho, enim-bolana taorian’izay, ary nanao mpisava lalana manokana. Te hanangona harena any an-danitra mantsy aho.—Mat. 6:19, 20.

Mpisava lalana manokana aho sady nanao ny asan’ny faritra tany amin’ny toerana maro, nandritra ny 18 taona. Nanambady an’i Christiana koa aho. Tena nanohana ahy izy ary tsy nivadika. Niteraka vavikely atao hoe Lynette izahay tatỳ aoriana.

Nofinofiko erỳ, fahiny, ny hahita diamondra. Izao anefa aho nahita zava-tsarobidy kokoa, dia ny harena ara-panahy

Mpisava lalana tany Bo izahay mivady, nandritra ny ady an-trano teto Sierra Leone. Be diamondra koa tany. Nahita “diamondra” ara-panahy be dia be koa anefa izahay. Nitombo 60 isan-jato mahery ny mpitory teo anivon’ny fiangonana, tao anatin’ny efa-taona. Misy fiangonana telo mandroso tsara izao any Bo.

Nasaina ho anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Sierra Leone aho, tamin’ny 2002. Mipetraka tsy lavitra ny Betela izahay mivady. Mpisava lalana manokana i Christiana, fa izaho kosa Betelita kilasimody. Manompo ao amin’ny Betela koa i Lynette, zanakay vavy, ary anisan’ny mpandika teny amin’ny teny krio.

Nofinofiko erỳ, fahiny, ny hahita diamondra. Izao anefa aho nahita zava-tsarobidy kokoa, dia ny harena ara-panahy. Nahita “diamondra” ara-panahy 18 koa aho, izany hoe olona nampiako hahita ny fahamarinana. Nitahy ahy tokoa i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara