FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Novambra p. 16-21
  • Mpisoronabe Mahay Mangoraka i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpisoronabe Mahay Mangoraka i Jesosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • TONGA TETỲ ILAY ZANAKA MALALAN’ANDRIAMANITRA
  • NAHAY NIOMBOM-PIHETSEHAM-PO TAMIN’NY HAFA I JESOSY
  • AHOANA NO ANAHAFANTSIKA AN’ILAY MPISORONABE AMIN’IZAO?
  • AFAKA MANAMPY ANAO ILAY MPISORONABENTSIKA
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Vidim-panavotana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Lesona avy Amin’ireo 40 Andro Farany Nijanonan’i Jesosy Tetỳ An-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Ekeo hoe Voafetra ny Zavatra Fantatrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • “Manasitrana An’ireo Torotoro Fo” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Novambra p. 16-21

LAHATSORATRA FIANARANA 46

HIRA 17 “Sitrako Tokoa”

Mpisoronabe Mahay Mangoraka i Jesosy

“Fa ny antsika tsy hoe mpisoronabe tsy mba mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika.”​—HEB. 4:15.

HEVITRA HODINIHINA

Nahoana no manampy an’i Jesosy hanao ny asan’ny Mpisoronabe ilay izy mahay mangoraka, ary inona ny soa azontsika avy amin’izany dieny izao?

1-2. a) Nahoana i Jehovah no nandefa ny Zanany tetỳ an-tany? b) Inona no hodinihintsika ato? (Hebreo 5:7-9)

NIRAHIN’I Jehovah Andriamanitra ho etỳ an-tany ilay Zanany tiany indrindra, 2 000 taona teo ho eo izay. Nahoana? Teo aloha ilay hoe hanafaka ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana, ary hanala ny olana rehetra vokatry ny nataon’i Satana. (Jaona 3:16; 1 Jaona 3:8) Fantatr’i Jehovah koa anefa hoe raha lasa olombelona i Jesosy, dia hanampy azy ho Mpisoronabe mahay mangoraka izany. Nanomboka nanao an’io andraikiny io izy taorian’ny batisany tamin’ny taona 29.a

2 Hojerentsika ato hoe nahoana no nanampy an’i Jesosy ho Mpisoronabe mahay mangoraka ny zavatra niainany tetỳ an-tany. Nahoana no hoe “natao lavorary” i Jesosy mba hahavitany tsara an’io andraikiny io? Tena zava-dehibe ny hahalalantsika an’izany amin’izay ho mora kokoa amintsika ny hanatona an’i Jehovah sy hivavaka aminy, indrindra rehefa malahelo noho ny fahotantsika isika.​—Vakio ny Hebreo 5:7-9.

TONGA TETỲ ILAY ZANAKA MALALAN’ANDRIAMANITRA

3-4. Inona avy ny fiovana lehibe tamin’ny fiainan’i Jesosy tamin’izy tonga tetỳ an-tany?

3 Maro amintsika no efa niatrika fiovana, ohatra hoe nandao an’ilay fonenana tena tiantsika ary tafasaraka tamin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika. Tsy mora ny hoatr’izany. Mbola tsy nisy olona niatrika fiovana hoatran’ny an’i Jesosy anefa. Izy no ambony indrindra tamin’ny anjely tany an-danitra. Tena tian’i Jehovah izy, ary falifaly foana nanompo teo ‘ankavanany.’ (Sal. 16:11; Ohab. 8:30) Resahin’ny Filipianina 2:7 anefa hoe vonona ‘hamoy’ ny toerana ambony nananany tany an-danitra izy mba hiara-miaina amin’ny olona tsy lavorary teto an-tany.

4 Eritrereto koa ny zavatra niainan’i Jesosy tamin’izy mbola kely. Nahantra ny ray aman-dreniny rehefa jerena ny fanatitra nataon-dry zareo taorian’ny nahaterahany. (Lev. 12:8; Lioka 2:24) Rehefa fantatr’i Heroda Mpanjaka koa hoe teraka i Jesosy, dia notadiaviny hovonoina. Nentin’ny ray aman-dreniny nitsoa-ponenana tany Ejipta àry ilay zanany mba hiarovana ny ainy. (Mat. 2:13, 15) Tsy hoatr’izany mihitsy ny fiainany tany an-danitra!

5. Inona no hitan’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, ary nahoana izany no nanomana azy hanao ny asan’ny Mpisoronabe? (Jereo koa ny sary.)

5 Hitan’i Jesosy ny fijalian’ny olona nanodidina azy tamin’izy teto an-tany. Efa nanana havana maty izy, ohatra hoe rehefa maty i Josefa ilay ray nitaiza azy. Nifandray tamin’ny boka, ny jamba, ny malemy, ary tamin’ny ray aman-dreny namoy zanaka i Jesosy nandritra ny fanompoany. Nangoraka an’ireny olona ireny izy. (Mat. 9:2, 6; 15:30; 20:34; Mar. 1:40, 41; Lioka 7:13) Marina hoe efa hitany avy tany an-danitra ny fijaliana tetỳ an-tany. Lasa azony kokoa anefa tamin’izy tetỳ hoe hoatran’ny ahoana izany mijaly izany. (Isaia 53:4) Ireny zavatra hitany ireny no nanampy azy hahatakatra kokoa ny fihetseham-pon’ny olona tamin’ny toe-javatra samihafa. Na izy koa aza mantsy mba reraka, nalahelo, ary niady saina, hoatran’ny olombelona hafa rehetra ihany.

Misy olona maromaro manodidina an’i Jesosy. Miangavy azy ry zareo mba hanasitrana ny aretiny. Mangoraka lehilahy iray efa zokiolona sady marary izy ka mandray ny tanany.

Tena niahy ny fihetseham-pon’ny olona sy nahatakatra ny fijalian-dry zareo i Jesosy (Fehintsoratra 5)


NAHAY NIOMBOM-PIHETSEHAM-PO TAMIN’NY HAFA I JESOSY

6. Inona ny fanoharana nampiasain’i Isaia mpaminany mba hampisehoana hoe mahay mangoraka i Jesosy? (Isaia 42:3)

6 Tena nangoraka an’ireo ory sy nijaly i Jesosy nandritra ny fanompoany. Nanatanteraka faminaniana izy tamin’izany. Oharina amin’ny tanimboly azon-drano tsara na hazo ngezabe indraindray ny olona manankarena sy matanjaka ao amin’ny Soratra Hebreo. (Sal. 92:12; Isaia 61:3; Jer. 31:12) Ny olona mahantra sy iharan’ny tsy rariny kosa oharina amin’ny bararata folaka sy lahin-jiro mitsilopilopy. Tsy dia ilain’ny olona mantsy ny zavatra hoatr’ireo. (Vakio ny Isaia 42:3; Mat. 12:20) Nasain’i Jehovah nanoratra an’ireo fanoharana ireo i Isaia mpaminany. Hita amin’izy ireo hoe ho be fitiavana sy ho be fangorahana amin’ny olona tsy nasiana vidiny i Jesosy.

7-8. Nahoana no manatanteraka ny faminanian’i Isaia ny zavatra nataon’i Jesosy?

7 Rehefa nanoratra ny Filazantsara i Matio, dia nampihariny tamin’i Jesosy ilay tenin’i Isaia hoe: “Tsy hotapahiny ny bararata folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro mitsilopilopy.” Nandray soa tamin’ny fahagagana sasany nataon’i Jesosy ny olona niharan’ny tsy rariny, izay nahatsapa ho hoatran’ny bararata folaka. Nandray soa koa ny olona tsy nisy hantenaina, izay nihevitra ny tenany ho toy ny lahin-jiro mitsilopilopy efa hovonoina. Anisan’izany ny lehilahy iray rakotry ny habokana. Izy ve izao dia nanantena hoe ho sitrana indray, ka ho afaka hifanerasera amin’ny fianakaviany sy ny namany? (Lioka 5:12, 13) Ary ilay lehilahy marenina sady niraiki-dela? Mba hoatran’ny ahoana izao ny fihetseham-pony rehefa nahita olona niresaka be, nefa tsy fantany akory ny zavatra noresahin-dry zareo? (Mar. 7:32, 33) Tsy izay ihany anefa.

8 Betsaka koa ny Jiosy tamin’izany no nino hoe voasazy noho ny ota nataony na nataon’ny ray aman-dreniny ny olona iray matoa izy sembana na narary. (Jaona 9:2) Natao tsinontsinona àry ny olona hoatr’ireny. Nanasitrana an-dry zareo anefa i Jesosy sady nanampy an-dry zareo hahafantatra hoe tena miahy an-dry zareo Andriamanitra. Nanatanteraka ny faminanian’i Isaia izy tamin’izay. Inona ny toky ananantsika avy amin’izany?

9. Ahoana no ampisehoan’ny Hebreo 4:15, 16 hoe Mpisoronabe mahay mangoraka ny olona tsy lavorary i Jesosy?

9 Vakio ny Hebreo 4:15, 16. Afaka matoky isika hoe mbola hangoraka antsika foana i Jesosy. Inona ny dikan’izany? Te hanao zavatra ny olona mangoraka rehefa mahita olona mijaly sy maneho ny fihetseham-pony. Ny hevitr’ilay teny grika nadika hoe “mangoraka” dia hoe mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa sy miombom-pihetseham-po aminy. (Jereo koa ny Hebreo 10:34, satria nampiasa teny hoatran’io i Paoly ao.) Hita avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy hoe tena nangoraka izy rehefa nahita olona nijaly. Tsy adidy fotsiny no nanaovany an’izany, fa tena niahy sy tena te hanampy izy. Diniho, ohatra, tamin’izy nanasitrana an’ilay lehilahy boka. Tsy voatery nikasika an’ilay lehilahy izy, fa nangoraka azy izy dia nataony ihany izany. Izay indray angamba izy io vao nisy nikasika tao anatin’ny taona maro. Niahy manokana an’ilay lehilahy marenina koa i Jesosy, ka nentiny niala an’ilay vahoaka nitabataba izy mba hositraniny mitokana. Ankoatra izay, dia nisy vehivavy iray nibebaka nanasa ny tongotr’i Jesosy tamin’ny ranomasony, ary nanamaina an’izany tamin’ny volony. Nanambanimbany azy ny Fariseo iray nefa tena niaro azy i Jesosy. (Mat. 8:3; Mar. 7:33; Lioka 7:44) Hita hoe tsy nihatakataka tamin’ny olona sembana na mpanota be i Jesosy. Nandray tsara azy ireny kosa izy, ary nasehony tamin’izy ireny hoe tiany ry zareo. Afaka matoky isika hoe mangoraka antsika hoatr’izany koa izy.

AHOANA NO ANAHAFANTSIKA AN’ILAY MPISORONABE AMIN’IZAO?

10. Inona avy no ampiasaintsika amin’izao mba hanampiana ny marenina sy ny jamba? (Jereo koa ny sary.)

10 Mpanara-dia an’i Jesosy isika, ka miezaka manahaka azy. Miezaka mafy àry isika mba haneho fitiavana, hahay hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa, ary hangoraka an-dry zareo. (1 Pet. 2:21; 3:8) Tsy mahay manasitrana ny marenina na ny jamba isika, kanefa afaka manampy an-dry zareo amin’ny lafiny ara-panahy. Misy amin’ny tenin’ny tanana 100 mahery, ohatra, ny boky sy gazetintsika. Fiteny 60 mahery koa izao no amoahana ny bokintsika amin’ny soratra braille mba hahasoa an’ireo jamba na tsy dia mahita tsara. Misy feo manazava sary koa ny video-ntsika ary misy amin’ny fiteny 100 mahery izany. Natao ireo rehetra ireo mba hanampiana ny jamba sy ny marenina hifandray akaiky amin’i Jehovah sy ny Zanany.

Sary: 1. Rahalahy sy anabavy manao hiran’ilay Fanjakana amin’ny tenin’ny tanana mandritra ny fivoriana. 2. Anabavy iray jamba mamaky Baiboly amin’ny soratra braille.

Misy amin’ny fiteny 1 000 mahery izao ny boky sy gazetintsika

Ankavia: Tenin’ny tanana 100 mahery

Ankavanana: Soratra braille amin’ny fiteny 60 mahery

(Fehintsoratra 10)


11. Ahoana no ahitana hoe miahy ny karazan’olona rehetra ny fandaminana, hoatran’ny nataon’i Jesosy? (Asan’ny Apostoly 2:5-7, 33) (Jereo koa ny sary.)

11 Miezaka mafy manampy ny karazan’olona rehetra koa ny fandaminan’i Jehovah. Tadidinao angamba fa nandatsaka fanahy masina i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, amin’izay mba haheno ny vaovao tsara tamin’ny “fiteniny” izay rehetra tonga tamin’ny fetin’ny Pentekosta. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:5-7, 33.) Manaraka ny tari-dalan’i Jesosy koa ny fandaminana amin’izao, ka mamokatra boky sy gazety amin’ny fiteny 1 000 mahery. Ny sasany amin’ireo fiteny ireo anefa olona vitsy ihany no mampiasa azy. Olona vitsivitsy any Amerika avaratra sy atsimo ihany, ohatra, no mampiasa ny sasany amin’ny teny indianina amerikanina. Namoahana ny boky sy gazetintsika anefa ny 160 mahery amin’ireo fiteny ireo, amin’izay mba betsaka araka izay azo atao ny olona maheno ny vaovao tsara. Misy amin’ny teny rômania 20 mahery koa ireny boky sy gazetintsika ireny, ka an’arivony amin’ny olona mampiasa an’ireo fiteny ireo no manaiky ny fahamarinana.

Sary: 1. Anabavy indianina amerikanina mitsikitsiky mamihina Baiboly iray amin’ny fiteniny. 2. Anabavy rômania iray sy ny zanany vavy mankafy fandaharana ara-panahy.

Ankavia: Teny indianina amerikanina 160 mahery

Ankavanana: Teny rômania 20 mahery

(Fehintsoratra 11)


12. Inona koa ny fanampiana omen’ny fandaminan’i Jehovah?

12 Ankoatra ny ezaka atao mba hampielezana ny vaovao tsara, dia miezaka manampy an’ireo tratran’ny loza araka ny natiora koa ny fandaminana. Olona an’arivony no manolo-tena an-tsitrapo mba hanampy an’ireo rahalahy sy anabavy tra-boina. Manorina trano fivoriana tsotsotra koa ny fandaminana, mba hahafahan’ny olona mianatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra sy ny fitiavany.

AFAKA MANAMPY ANAO ILAY MPISORONABENTSIKA

13. Ahoana avy no anampian’i Jesosy antsika?

13 Mpiandry tena tsara i Jesosy, ka ataony azo antoka hoe manana an’izay rehetra ilaintsika isika tsirairay mba hahafahantsika mifandray akaiky amin’i Jehovah foana. (Jaona 10:14; Efes. 4:7) Indraindray mantsy isika kivy, dia mahatsapa ho hoatran’ny lahin-jiro mitsilopilopy na bararata folaka. Marary mafy angamba isika, na nanao fahadisoana, na manana olana amin’ny mpiara-manompo. Mety ho sarotra amintsika ilay hoe hifantoka amin’ny fanantenantsika fa tsy hifantoka amin’ny olana mahazo antsika amin’izao. Tadidio anefa hoe mahita an’izay manjo anao i Jesosy sady mahatsapa ny fihetseham-ponao. Te hanampy anao izy satria mangoraka anao. Afaka manome ny fanahy masina, ohatra, izy mba hampahery anao rehefa kivy ianao. (Jaona 16:7; Tit. 3:6) Azony ampiasaina koa ireo ‘lehilahy natao fanomezana’ sy ny mpiara-manompo hafa, mba hampahery sy hanohana ary hanampy anao.​—Efes. 4:8.

14. Inona no azonao atao rehefa kivy ianao?

14 Raha torotoro fo àry ianao na mahatsiaro ho hoatran’ny lahin-jiro mitsilopilopy, dia tadidio hoe i Jesosy no Mpisoronabentsika. Tsy ny ho faty ho antsika fotsiny no nandefasan’i Jehovah azy tetỳ, fa ny mba hahatakarany kokoa hoe hoatran’ny ahoana ny olana mahazo antsika olombelona tsy lavorary. Raha kivy àry ianao noho ny fahotanao na noho ny fahalemenao, dia matokia fa vonona hanampy anao i Jesosy.​—Heb. 4:15, 16.

15. Ahoana no anampiana ny olona niala tamin’ny fiangonana mba hiverina indray, araka ny tantaran’i Stefano?

15 Mahazo ny tari-dalan’i Jesosy koa ny vahoakany, rehefa manampy an’ireo niala tamin’ny andian’ondry mba hiverina amin’i Jehovah. (Mat. 18:12, 13) Diniho ny tantaran’i Stefano.b Efa 12 taona izy no nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana, dia nanapa-kevitra izy hoe hivory amin’izay. Izao no noteneniny: “Tsy mora tamiko ilay izy, nefa te ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah indray aho. Noraisin’ny anti-panahy tsara aho rehefa tonga tany. Mbola nahatsapa ho tsy mendrika anefa aho indraindray, dia tsy te hiezaka intsony. Fa nampahatsiahivin’ireo rahalahy aho hoe tsy tian’i Jehovah sy Jesosy hilavo lefona aho. Rehefa voaray indray aho, dia nandray tsara ahy sy ny fianakaviako ny fiangonana manontolo.” Nanaiky hianatra Baiboly ny vadiko tatỳ aoriana, dia miara-manompo an’i Jehovah izao izahay. Tena faly be ilay Mpisoronabe tia antsika mahita hoe mahazo ny fanampiana ilainy ny olona mibebaka mba hiverenany ao amin’ny fiangonana indray.

16. Nahoana no mahafaly ny hoe manana Mpisoronabe mahay mangoraka?

16 Nanampy olona be dia be i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany ary tamin’ny fotoana nilan-dry zareo azy mihitsy izany. Afaka matoky koa isika amin’izao hoe hanome ny fanampiana ilaintsika izy rehefa mila an’izany isika. Rehefa any amin’ny tontolo vaovao indray izy dia hanampy ny olombelona mankatò mba ho afaka tanteraka amin’ny vokatry ny ota sy ny tsy fahalavorariana. Tia be antsika i Jehovah sady mamindra fo, dia nanome antsika Mpisoronabe mahay mangoraka. Tena mankasitraka an’i Jehovah isika!

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Nahoana ny zavatra niainan’i Jesosy tetỳ an-tany no nanomana azy hanao ny asan’ny Mpisoronabe?

  • Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy ny Isaia 42:3?

  • Ahoana no anampian’ilay Mpisoronabe antsika amin’izao?

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

a Rehefa lasa Mpisoronabe i Jesosy dia nanolo ny asan’ny mpisoronabe teo amin’ny Jiosy. Manazava bebe kokoa an’izany ilay lahatsoratra hoe “Tombontsoa ny Manompo ao Amin’ilay Tempoly Ara-panahy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Oktobra 2023, p. 26, feh. 7-9.

b Novana ny anarana sasany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara