FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb22 Septambra p. 13
  • Ny Zavatra Mampiavaka An’ilay Boky hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Zavatra Mampiavaka An’ilay Boky hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!”
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Mitovitovy Aminy
  • Mampiasà Video Rehefa Mampianatra Baiboly
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Ny Tilikambo Fiambenana Gazety Fianarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Lany Amin’ny Fitaovana Elektronika ve ny Fotoananao?
    Mifohaza!—2015
  • Nohatsaraina Ity Gazetintsika Ity!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
mwb22 Septambra p. 13

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ny Zavatra Mampiavaka An’ilay Boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

Tianao angamba ny video sy ny fanontaniana mampisaintsaina ao amin’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Ary ahoana ilay hoe “Misy Miteny Hoe”, sy ilay hoe “Tanjona”, ary ilay hoe “Jereo koa Ireto”? Inona koa no hitanao hoe manampy ao amin’ilay boky rehefa mampianatra Baiboly?​—Mt 28:19, 20.

Ilay boky hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” ao amin’ny “JW Library.” Sary kely mampiseho ny “Video sy Lahatsoratra ho an’ny Fizarana 1.”

Video sy Lahatsoratra: Ahoana raha boky vita pirinty no tianao hampiasaina rehefa mampianatra Baiboly? Ahoana no hahitanao ny video rehetra? Midira ao amin’ilay fizarana mifandray amin’ilay toko ianaranareo ao amin’ny JW Library. Eny amin’ny farany ambany misy hoe “Video sy Lahatsoratra” ho an’io fizarana io dia midira ao. (Jereo ny sary 1.)

“Endrika Sary” (Mode Image): Raha mampiasa fitaovana elektronika ianao rehefa mampianatra Baiboly, dia mety hanampy anao mandritra an’ilay fianarana ilay hoe “Endrika Sary.” Raha mbola eo amin’ilay pejy misy an’ilay lesona ianao, dia tsindrio ilay teboka telo eny ambony ankavanana dia tsindrio avy eo ilay hoe “Endrika Sary.” Mety hanampy anao hahita mantsy io hoe inona no ifandraisan’ilay zavatra ianaranareo amin’ny foto-kevitr’ilay lesona. Raha tianao haverina ho lasa endrika soratra indray ilay izy, dia tsindrio indray ilay teboka telo eny ambony ankavanana dia avy eo ilay hoe “Endrika Soratra” (Mode Texte), na tsindrio ilay sary boribory volomparasy eny amin’ny faran’ny pejy.

Ilay boky hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” ao amin’ny “JW Library.” Sary kely mampiseho an’ilay hoe “Vonona ve Aho?” sy ilay hoe “Fanamarihana.”

“Vonona ve Aho?”: Any amin’ny faramparan’ilay boky no misy an’ireo efajoro ireo. Ao no ahitana ny fepetra takina amin’izay te hitory miaraka amin’ny fiangonana sy te hatao batisa. (Jereo ny sary 2.)

Fanamarihana: Misy fanazavana fanampiny momba ny zavatra lehibe sasany ny ao amin’ilay hoe Fanamarihana. Raha endrika elektronika ny boky ampiasainao, dia misy rohy any amin’ny faran’ny fanamarihana tsirairay, ka raha tsindrianao iny dia tafaverina any amin’ilay lesona ianaranareo ianao. (Jereo ny sary 2.)

Raha mandroso ilay olona ampianarinao dia vitao hatramin’ny farany foana ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, na dia efa vita batisa alohan’ny hahavitan’ilay boky aza izy. Afaka manisa ora sy fiverenana mitsidika ary fampianarana foana ianao rehefa manao an’izany, na dia efa vita batisa aza ilay mpianatra. Raha misy mpitory hafa miaraka aminao dia afaka manisa ora koa izy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara