FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/08 p. 4
  • Harena Natao ho Anao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Harena Natao ho Anao!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Harena Tsy Marina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mandray Fitahiana Ireo Manao ny Asan’ny Mpisava Lalana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Ireo Fitahiana Entin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Harena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 5/08 p. 4

Harena Natao ho Anao!

1. Nahoana ianao no tokony hieritreritra ny asan’ny mpisava lalana maharitra?

1 Te ho faly sy ho afa-po kokoa amin’ny fiainanao ve ianao? Tianao ve ny manampy ny hafa? Te hampitombo ny fanompoanao an’i Jehovah ve ianao? Raha izany, dia eritrereto raha afaka manao ny asan’ny mpisava lalana maharitra ianao. Mila jerena anefa aloha ireo andraikitra ara-pianakaviana sy adidy hafa sahaninao. Eo koa ny fahasalamana sy ny lafiny hafa.

2. Milazà harena ara-panahy sasany azon’ny mpisava lalana maharitra.

2 Nanoratra i Solomona fa ny vola aman-karena no porofon’ny fitahian’i Jehovah. (Ohab. 10:22) Ankehitriny kosa dia ny harena ara-panahy no azo avy amin’izany. Be dia be ny harena ara-panahy azon’ny mpisava lalana maharitra. Sambatra kokoa, ohatra, izy ireo satria mahafoy “fotoana” hanampiana ny hafa. (Kol. 4:5; Asa. 20:35) Hitan’i Jehovah sy ankasitrahany ny asa mafy sy ny fitiavana asehon’izy ireo. Tsy mety simba mihitsy ireny ‘harena any an-danitra’ ireny. (Matio 6:20; Heb. 6:10) Manana ‘maso tsotra’ koa ny mpisava lalana, ary matoky fa hanome izay ilainy i Jehovah. Mihamafy àry ny fifandraisany amin’i Jehovah.—Matio 6:22, 25, 32; Heb. 13:5, 6.

3. Inona no maha samy hafa ny mikatsaka harena ara-panahy sy mikatsaka vola aman-karena?

3 Matetika no mahatonga “faniriana maro tsy misy antony sady manimba”, ny fikatsahana vola aman-karena. (1 Tim. 6:9, 10; Jak. 5:1-3) Tsy mba toy izany kosa ny harena ara-panahy. Mandany fotoana betsaka amin’ny fanompoana ny mpisava lalana, ka lasa mifantoka amin’ny zava-dehibe kokoa. (Fil. 1:10) Niala tamin’ny asany, ohatra, ny rahalahy iray injeniera, ka nanao mpisava lalana. Nandany fotoana be mantsy ilay asany. Hoy izy: “Nandreraka be ny asako. Tsy mba toy izany anefa ny asan’ny mpisava lalana. Manampy olona hianatra ny fahamarinana aho izao. Asa mahafa-po sy tsara lavitra izany!”

4. Nahoana no fitahiana ho an’ny hafa ny mpisava lalana, ary nahoana izy ireo no mahita fifaliana?

4 Fitahiana ho an’ny hafa: Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” ny olona ankehitriny. (2 Tim. 3:1) Maro no kivy ka mila fanantenana. Faly erỳ ny mpitory ilay Fanjakana, rehefa manaiky ny vaovao tsara ny olona ka lasa falifaly eo amin’ny fiainana. Tena mahita fifaliana àry ny mpisava lalana, satria mandany ora 800 mahery izy ireo isan-taona, mba hanaovana an’io asa mamonjy aina io!—1 Tim. 4:16.

5, 6. Inona no mety hanampy anao ho lasa mpisava lalana maharitra?

5 Efa nodinihinao tsara ve raha afaka manao ny asan’ny mpisava lalana maharitra ianao? Mila ‘manararaotra ny fotoana’ angamba ianao, ka tsy mandany andro amin-javatra tsy dia lehibe. (Efes. 5:15, 16) Maro no efa nanao izany ary nanatsotra ny fiainany. Nahenany ny fotoana iasany, mba hanompoany bebe kokoa. Afaka mandamina ny fiainanao koa ve ianao mba hanatevin-daharana azy ireo?

6 Mangataha fahendrena amin’i Jehovah mba hahaizanao handamina fotoana. (Jak. 1:5) Inona no fitahiana ho azonao avy amin’izany? Hahazo harena ara-panahy be dia be ianao, ary hanome izay ilainao i Jehovah. (Matio 6:33) Izahao toetra amin’izany àry izy, dia handray “fitahiana manana amby ampy” ianao!—Mal. 3:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara