“Asehoy fa Mahay Misaotra Ianareo”
1 Nanasitrana boka folo i Jesosy, nefa ny iray ihany no niverina nisaotra azy. Hoy àry i Jesosy: “Tsy efa voadio avokoa moa izy folo? Fa aiza ny sivy?” (Lioka 17:11-19) Tokony hahay hankasitraka sy haneho fisaorana isika, noho ireo fanomezana tsara sy fanomezana tonga lafatra rehetra avy amin’i Jehovah Andriamanitra! Be fitiavana sy malala-tanana mantsy io Raintsika any an-danitra io.—Kol. 3:15; Jak. 1:17.
2 Inona no zavatra sasany tokony hanehoantsika fankasitrahana? Eo ny vidim-panavotana, izay fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny olombelona. (Jaona 3:16) Misaotra an’i Jehovah koa isika, noho izy nitaona antsika hanatona azy. (Jaona 6:44) Eo koa ny firaisan-tsaina misy eo amintsika Kristianina. (Sal. 133:1-3) Azo antoka fa mbola maro ny fanomezan’i Jehovah mety ho tonga ao an-tsainao. Tsy irintsika mihitsy ny hitovy amin’ireo Israelita tsy nahay nankasitraka, izay nanadino ny asa nataon’i Jehovah ho azy ireo!—Sal. 106:12, 13.
3 Asehoy fa mahay misaotra ianao: Samy nankasitraka ny zavatra nataon’i Jesosy angamba ireo boka folo, fa ny iray ihany no naneho izany. (Lioka 17:15) Maneho fankasitrahana isika rehefa mazoto manao fanompoana. Raha tena mankasitraka ny zavatra rehetra nataon’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika, dia ho be fitiavana sy halala-tanana toa azy, ka hazoto hiresaka amin’ny hafa ny momba azy. (Lioka 6:45) Rehefa miresaka ny ‘fahagagana nataon’i Jehovah’ sy ny fikasany momba antsika isika, dia hitombo ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika azy.—Sal. 40:5.
4 Ampio ny hafa hahay hankasitraka: Tokony hitady fomba hanampiana ny zanatsika sy ny olona ampianarintsika Baiboly isika, mba hahatonga azy ireo hahay hankasitraka. Azon’ny ray aman-dreny atao, ohatra, ny miresaka amin’ny zanany momba ireo zavatra noforonin’i Jehovah. (Rom. 1:20) Afaka manontany toy izao koa ianao, rehefa mampianatra Baiboly: “Inona no toetran’i Jehovah hitanao avy amin’izany?” Rehefa mitombo ny fankasitrahan’ilay mpianatra an’Andriamanitra, dia hitombo koa ny fitiavany azy, ary vao mainka izy ho tapa-kevitra ny hampifaly azy.
5 Maro no tsy mahay mankasitraka sy tsy misaotra, amin’izao andro farany izao. (2 Tim. 3:1, 2) Azo antoka àry fa tena faly i Jehovah mahita an’ireo mpanompony be fandavan-tena, izay mazoto manao fanompoana mba hampisehoany ny fankasitrahany azy!—Jak. 1:22-25.