Manosika Antsika Hitory ny Fitiavana
1 Fanta-daza ho mpitory be zotom-po ny hafatra momba ilay Fanjakana isika Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 24:14). Maherin’ny enina tapitrisa ny Vavolombelon’i Jehovah marisika maneran-tany; manampy izany isa izany ireo vaovao rehefa manatevin-daharana antsika amin’ny fitoriana izy ireo. Miorina amin’ny isan’ny mandray anjara amin’io asa io no anangonana ny isa.
2 Inona no manosika antsika hanolo-tena ho amin’io asa sarotra io? Tsy terena isika na voasariky ny fahazoan-javatra ara-nofo na omena voninahitra manokana. Teo am-boalohany, dia maro tamintsika no natahotra satria nahatsapa ho tsy ampy fahaizana, ary matetika no tsy nandray tsara ny olona. (Matio 24:9). Tsy mahatakatra izay manosika antsika ny ankamaroan’ireo mpitazana. Tsy maintsy misy antony mahery mahatonga antsika haneho fikirizana.
3 Ny herin’ny fitiavana: Nampahafantarin’i Jesosy ny lehibe indrindra amin’ny didy rehetra, rehefa nilaza izy fa ‘tsy maintsy tia an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra’, isika. (Marka 12:30). Ny fitiavantsika an’i Jehovah dia mifototra amin’ny fahatsapana fankasitrahana lalina ny maha izy azy sy ny anjara asany, dia ilay Mpanapaka Tompom-piandrianana sy Mpamorona ny zava-drehetra, izay “miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery”. (Apok. 4:11). Tsy manam-paharoa ny toetrany mahatalanjona. — Eks. 34:6, 7.
4 Manosika antsika hampamirapiratra ny fahazavantsika eo anatrehan’ny olona ny fahafantarana sy ny fitiavana an’i Jehovah. (Matio 5:16). Mamirapiratra ny fahazavantsika rehefa midera azy ampahibemaso isika, sy miresaka momba ny asany mahatalanjona, ary mampiely ny hafatra momba ny Fanjakany. Tahaka ilay anjely manidina eo afovoan’ny lanitra, dia ‘manana filazantsara mandrakizay hotorina amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra’, isika. (Apok. 14:6). Ny fitiavantsika no hery ao ambadiky ny asa fitoriana maneran-tany.
5 “Fahadalana” ka tsy tokony horaharahaina ny asa fitoriantsika, araka ny fihevitr’izao tontolo izao. (1 Kor. 1:18). Nisy ezaka niely patrana natao mba hanafoanana ny asantsika. Nanatanjaka antsika hanambara toy izao nambaran’ny apostoly izao ny fitiavana tsy mivadika ananantsika: “Izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay (...) Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asa. 4:20; 5:29). Mitatra maneran-tany hatrany ny asa fitoriana na dia eo aza ny fanoherana.
6 Ny fitiavantsika an’i Jehovah dia tahaka ny afo mandoro izay manery antsika hanambara ny hatsarany. (Jer. 20:9; 1 Pet. 2:9). Hanohy ‘hampahafantatra any amin’ny firenena ny asany isika fa asa lehibe no nataony’! — Isaia 12:4, 5.