Mangataha Fanampiana
1 Ny teny ara-tsindrimandry hoe “tsy ho mora setraina” dia milaza mazava tsara ny fotoan-tsarotra misy antsika. (2 Tim. 3:1, NW ). Noho izany, inona no azonao atao rehefa tojo zava-manahirana ara-panahy, izay mety ho tsy hainao atrehina, ianao?
2 Vonona ny hiresaka amin’ny mpikambana iray matotra ara-panahy ao amin’ny kongregasiona ve ianao? Mety hisalasala ny sasany, satria menatra na tsy ta hanery ny hafa hanao zavatra ho azy, na misalasala ny amin’ny fisian’ny olona iray tena afaka manampy. Marina aloha fa tokony hiezaka hiantsoroka ireo andraikitry ny tenantsika manokana, araka izay fara herintsika, isika, nefa tsy tokony hisalasala isika hitady fanampiana foana, raha ny amin’ny fahasalamantsika ara-panahy. — Gal. 6:2, 5.
3 Izay tokony hatao voalohany: Mety haniry hanatona ny mpitarika ny fianarana ny bokinao ianao, ary hanontany raha afaka miara-miasa aminy eny amin’ny fanompoana. Izany dia hanome anao fahafahana hilaza aminy ny fanirianao hitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy. Raha mpanampy amin’ny fanompoana izy, dia ampahafantaro azy fa mila fanampiana ara-panahy ianao, ary dia hangataka an’ireo loholona mba hanampy anao izy. Na, mety hanatona ny iray amin’ireo loholona ianao, mba hiresaka momba ny raharaha mampanahy anao.
4 Karazana fanampiana inona no ilainao? Nisy zavatra nampihena ny zotom-ponao ve? Ray na reny mitaiza irery ny zanakao ve ianao, ka miezaka hihazona ny zanakao ho eo anivon’ny kongregasiona? Zokiolona mila fanampiana ve ianao? Sa, misy zava-manahirana iray manakivy anao? Mety ho sarotra ny misetra ny fotoan-tsarotra misy antsika — nefa tsy hoe tsy azo atao izany. Azo atao ny mahazo fanampiana.
5 Ny fomba anampian’ny loholona: Tena miahy amim-pahatsorana ireo loholona. Hihaino ireo zavatra mampanahy anao izy ireo. Raha misy mpitory hafa miatrika vato misakana mitovy amin’izany, dia hanisy fiheverana izany ireo loholona, rehefa miandry sy mampianatra ny kongregasiona izy ireo. Noho izy ireo “ohatra ho an’ny andian’ondry”, dia vonona hatrany izy ireo hiara-miasa aminao amim-pifaliana. (1 Pet. 5:3, NW ). Ny fihainoanao an’ireny rahalahy za-draharaha ireny manjohy hevitra momba ny foto-pitsipiky ny Baiboly, dia afaka manatsara ny fanompoanao sy manampy anao eo amin’ny fiainanao manokana. — 2 Tim. 3:16, 17.
6 I Jesosy dia nanome antsika “fanomezana voaforona lehilahy” maro. (Efes. 4:8, NW, f.a.p.). Midika izany fa miasa ho anao ireo loholona. Vonona hanampy anao izy ireo. Raha ny marina, dia ‘anao’ izy ireo. (1 Kor. 3:21-23). Koa aza miahotra àry, fa aoka kosa ianao ho sahy hiteny. Angataho ny fanampiana ilainao.