Karohy Ireo Olona Maniry Hianatra
1 “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy”. (Jaona 6:44). I Jehovah, izay mandinika ny fo, dia hamaly soa an’ireo izay maniry hianatra ka manao zavatra mifanaraka amin’izay ianarany. (Jer. 17:10; Jaona 6:45). Manana tombontsoa ho mpiara-miasa aminy isika eo am-pikarohana ireo mpandefitra izay maniry fatratra tontolo vaovao iray. — Sal. 37:11; 1 Kor. 3:9.
2 Nilazalaza an’ireo mpianany ho toy ny “mpanarato olona” i Jesosy. (Matio 4:19). Na dia mety hitaky hery aza indraindray io karazan’asa io, dia misy fahafaham-po lehibe amin’ny fahazoana vokatra tsara. Tsy miasa ho an’ny tombontsoan’ny tenantsika manokana isika, fa mamonjy an’ireo “hazandrano” tsy ho tratran’ny fandringanana azo antoka kosa. Ny mpanarato mahomby iray dia tsy maintsy mahalala izay tokony hatao mba hanintonana ny hazandrano. Toy izany koa, isika dia tsy maintsy mampiseho ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny fomba manintona mba hanairana ny fahalianan’ireo izay mihaino antsika. Marina indrindra izany rehefa manao fiverenana mitsidika isika. Inona no azontsika lazaina?
3 Raha nampiseho fahalianana tamin’ireo lahatsoratra tao amin’ilay “Ny Tilikambo Fiambenana” miresaka momba ny fivavahana ilay olona, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Teo aloha isika dia niresaka momba ny antony mahatonga olona maro ho tsy te hiresaka momba ny fivavahana. Tsy hitanao ho somary hafahafa ve izany, satria ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika dia milaza tena ho Kristiana? Angamba ianao manontany tena hoe nahoana ny fivavahana no mampisara-bazana sy miteraka ady hevitra be toy izany.” Avelao ilay olona hamaly. Avadiho ho eo amin’ny pejy 262 ny boky Fanjohian-kevitra, ary resaho aminy ny hevitra vitsivitsy eo ambanin’ilay lohateny hoe: “Nahoana no misy fivavahana be dia be toy izao?”
4 Ho azonao atao ny hampiasa itỳ tari-dresaka mitovy amin’ny etsy ambony itỳ mba hanombohana resaka momba ny fivavahana:
◼ “Misy fomba ve ahazoantsika antoka fa manana ny fivavahana marina isika? [Avelao ilay olona hamaly.] Noho ny fisian’ny fivavahana maro be aoka izany, dia olona maro no very hevitra sy misalasala.” Avadiho ny boky Fanjohian-kevitra ho eo amin’ny pejy 268-269, izay iresahana ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no hamantarana ny fivavahana marina?” Resaho fohifohy ny momba ilay fanontaniana faha-5 hoe: “Moa ve ireo mpikambana ao aminy mifankatia tokoa?” Hazavao fa zavatra maro kokoa no azo ianarana amin’ny alalan’ny fianaran’ny tenany manokana ny Baiboly.
5 Raha toa velom-panahiana ny amin’ireo toe-piainana eo amin’izao tontolo izao ilay tompon-trano, dia mety hirinao ny hanandrana an’itỳ:
◼ “Toa hita ho velom-panahiana ianao ny amin’ireo toe-piainana ratsy izay tsy maintsy zakaintsika eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny fitaizana ny fianakaviantsika. Ny Baiboly dia mampiharihary fampanantenana mahatalanjona izay hotanterahin’Andriamanitra amin’ny hoavy tsy ho ela.” Vakio ny Ohabolana 2:21, 22, ary hazavao fa i Jehovah dia nampanantena tontolo iray hisian’ny fiadanana maharitra.
6 Rehefa manao fiverenana mitsidika ianao aorian’ny nanombohan’ilay ezaka manokana fanelezana an’ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana, dia ataovy azo antoka ny hametraka iray amin’ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana amin’ireo tompon-trano izay mbola tsy nahazo azy io. Izay ho azonao lazaina amin’ny fiverenana mitsidika mba hanolokoloana ny fahalianan’ny olona nametrahana ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana dia horesahina ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana amin’ny volana May.
7 Koa satria “manan-kery” ny Tenin’Andriamanitra, dia tokony hiezaka ny hampiasa azy io isika amin’ireo fomba fampiseho ampiasaintsika. (Heb. 4:12, NW). Ataovy azo antoka fa nampirisika ilay tompon-trano hamaky mivantana avy ao amin’ny Baiboliny ianao. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:11.) Raha manao ny anjarantsika amim-pahazotoana isika, dia hitahy ny ezaka ataontsika i Jehovah.