FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w08 1/5 p. 16-17
  • Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Momba ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
  • Iza avy no mpitondra ao amin’izy io?
  • Aiza no hisy an’ilay Fanjakana?
  • Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ahoana ny olona ratsy?
  • Iza no hiaina eto an-tany rehefa hitondra ilay Fanjakana?
  • Inona no hataon’ilay Fanjakana ho an’ny olombelona?
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
w08 1/5 p. 16-17

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...

Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Fitondrana naorin’Andriamanitra izy io, ary hitondra ny tany manontolo. Hoy i Jesosy: ‘Mivavaha toy izao ianareo: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” ’—Matio 6:9, 10; Daniela 2:44.

Iza avy no mpitondra ao amin’izy io?

Vao teraka i Jesosy dia efa voalaza fa ho Mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny anjely iray tamin’i Maria: ‘Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka izy.’ (Lioka 1:30-33) Nofidin’i Jesosy hiara-manjaka aminy koa ny mpanara-dia azy sasany. Hoy izy tamin’ny apostoliny: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana.” (Lioka 22:28, 29; Daniela 7:27) Olona 144 000 no hiara-manjaka aminy.—Apokalypsy 5:9, 10; 14:1.

Aiza no hisy an’ilay Fanjakana?

Hanjaka avy any an-danitra izy io. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Handeha aho ka hanomana toerana [any an-danitra] ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo ho any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa. Hankany amin’ny Ray aho.’—Jaona 14:2, 3, 12; Daniela 7:13, 14.

Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ahoana ny olona ratsy?

Haringan’i Jesosy ny ratsy fanahy. Hoy izy: “Rehefa tonga ny Zanak’olona [Jesosy] amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy ... Ary ireo [ratsy fanahy] ho any amin’ny fandringanana mandrakizay, fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”—Matio 25:31-34, 46.

Iza no hiaina eto an-tany rehefa hitondra ilay Fanjakana?

Hoy i Jesosy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5; Salamo 37:29; 72:8) Dieny izao dia efa mifankatia ireo olona hiaina eto an-tany amin’izany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba ifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.”—Jaona 13:34, 35.

Inona no hataon’ilay Fanjakana ho an’ny olombelona?

Hanasitrana ny aretina rehetra i Jesosy. Nitory “momba ny fanjakan’Andriamanitra” izy tetỳ an-tany, “sady nanasitrana an’ireo nila fanasitranana.” (Lioka 9:11) Hoy ny apostoly Jaona rehefa avy nahazo fahitana momba an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty: ‘Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho. Nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana aho, nanao hoe: “Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony.” ’—Apokalypsy 21:1-4.

Hanova ny tany ho Paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ilay jiolahy niara-novonoina tamin’i Jesosy: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Hoy i Jesosy taminy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:42, 43; Isaia 11:4-9.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 8a

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara