Dariosy — Mpanjaka Iray Nanao ny Rariny
NIREHAREHA toy izao indray andro ny mpanjaka nalaza iray momba ireo tetik’asa fanorenana natombony: “Ny mandan’i Babylona dia mbola nohodidiniko manda mafy iray, teo amin’ny ilany atsinanana. Nanao hady vory nanodidina azy aho (...) Manda goavana iray vita tamin’ny molanga sy biriky, izay tahaka ny tendrombohitra tsy azo afindra, no natsangako.” Eny, nanao fandaharam-panorenana lehibe i Nebokadnezara, Mpanjaka babylonianina, sady niezaka nanamafy ilay tanàna renivohitry ny empirany. Hita anefa fa tsy hoe tsy azo noresena araka ny niheverany azy akory ny tanànan’i Babylona.
Nanaporofo izany ny zava-nitranga tamin’ny 5 Oktobra 539 al.f.i. Nandresy an’i Babylona ary namono an’i Belsazara, mpanapaka kaldeanina teo aminy, i Kyrosy II, mpanapaka persanina tamin’izay, nampian’ny tafik’i Media. Iza tamin’izay no hanapaka voalohany an’io tanàna vao resy io? Nanoratra toy izao i Daniela mpaminanin’Andriamanitra, izay tao anatin’ilay tanàna fony izy io resy: “Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enin-polo taona no andro niainany.” — Daniela 5:30–6:1.
Iza moa i Dariosy? Mpanapaka nanao ahoana izy io? Ahoana no nitondrany an’i Daniela mpaminany, izay natao sesitany tany Babylona efa hatramin’ny 70 taona izao?
MPANJAKA IRAY IZAY KELY FOTSINY NO FANTATRA MOMBA AZY
Kely fotsiny no fantatra momba ny tantaran’i Dariosy Medianina. Saika tsy nisy mihitsy ny firaketana an-tsoratra navelan’ireo Medianina. Ambonin’izany, dia tsy feno fa bangabanga ny fitantarana hita teo amin’ireo vato fisaka misy soratra cunéiforme ana hetsiny maro nofongarina tany Moyen-Orient. Vitsy koa ireo asa soratra hafa tranainy tsy ara-pivavahana izay mbola misy amin’izao fotoana izao, no sady mifanalavitra zato taona na mihoatra amin’ireo fisehoan-javatra mahakasika an’i Dariosy.
Na dia izany aza, dia toa tondroin’ny porofo fa afaka nahazo toky ny amin’ny fankatoavan’ny Medianina azy i Kyrosy II, mpanapaka persanina, taorian’ny nahazoany an’i Ekbatàna, renivohitr’i Media. Niara-niady teo ambany fitarihany ny Medianina sy ny Persanina taorian’izay. Momba ny fifandraisan’izy ireo, dia toy izao no nomarihin’i Robert Collins mpanoratra, tao amin’ny bokiny hoe The Medes and Persians: “Nitovy zo ary nifanaraka tamin’ireo Persanina ny Medianina. Nomena andraikitra ambony teo amin’ny fitondrana sivily matetika izy ireo ary koa toeran’ny mpitarika teo amin’ny tafika persanina. Tsy manavaka ny hoe resy sy mpandresy ireo vahiny rehefa miresaka momba ny Medianina sy ny Persanina.” Nitambatra tamin’i Persa, araka izany, i Media mba hahaforona ny Empira Medianina sy Persanina. — Daniela 5:28; 8:3, 4, 20.
Nandray anjara lehibe tokoa teo amin’ny fandresena an’i Babylona ny Medianina. Ampahafantarin’ny Soratra Masina fa i “Dariosa, zanak’i Ahasoerosy, avy amin’ny taranaky ny Mediana” no mpanjaka voalohany teo amin’ny Empira Medianina sy Persanina, nanapaka an’i Babylona. (Daniela 9:1). Anisan’ny fahefana nananany tamin’ny naha Mpanjaka azy, ny namoaka lalàna “araka ny lalàn’ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana”. (Daniela 6:9). Izay lazain’ny Baiboly momba an’i Dariosy dia ahafahantsika mahalala amin’ny ambangovangony ny toetrany, ary koa ny antony tsara homarihina tsy nahitana filazana momba azy, ivelan’ny fivavahana.
NAHAZO TOMBONTSOA MANOKANA I DANIELA
Tsy ela taorian’ny nandraisany fahefana tao Babylona, dia nanendry “solo-mpanjaka roa-polo amby zato (...), izay hanapaka ny fanjakana rehetra”, i Dariosy, hoy ny Baiboly; ary teo ambonin’izy ireo, “dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin’ireo”. (Daniela 6:2, 3). Nahadikidiky an’ireo komandy hafa tokoa ny toerana ambony notanan’i Daniela. Tsy isalasalana fa ny fifikiran’i Daniela tamin’ny fahamarinana dia mazàna nisakana azy ireo tsy handray kolikoly, ka azo inoana fa niteraka lolompo. Tsy maintsy ho nisy heriny teo amin’ireo komandy ireo koa ny fitsiriritana, satria tia kokoa an’i Daniela ny mpanjaka ary nieritreritra ny hanendry azy ho praiministra.
Mba hamaranana izany toe-javatra izany, dia namolavola fandrika iray ara-dalàna ireo komandy roa sy ireo solo-mpanjaka. Nankeo anoloan’ny mpanjaka izy ireo ary nanolotra taminy mba hosoniaviny, didy iray izay mandrara ny ‘hanaovana fangatahana na amin’Andriamanitra na amin’olona’, afa-tsy amin’i Dariosy ihany, mandritra ny 30 andro. Nanolo-kevitra izy ireo fa tokony hatsipy any an-davaky ny liona izay rehetra mandika izany didy izany. Nampinoana an’i Dariosy fa nankasitrahan’ireo olona ambony rehetra tao amin’ny fitondrana izany didy izany, ary toa fanehoan’izy ireo ny fankatoavany ny mpanjaka ilay tolo-kevitra. — Daniela 6:2-4, 7-9.
Nanisy sonia ilay didy i Dariosy ary tsy ela dia niatrika ny vokany. Noho izy nanohy nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra dia tonga ny mpandika lalàna voalohany i Daniela. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:29.) Natsipy tany an-davaky ny liona i Daniela nahatoky, na dia niezaka tamim-pahatsorana aza ny mpanjaka nitady fomba hialana tamin’ilay lalàna tsy azo ovana. Nilaza ny fatokisany i Dariosy fa nanana ny fahefana mba hitsimbinana ny ain’ilay mpaminany ny Andriamanitr’i Daniela. — Daniela 6:10-18.
Niolomay nankany an-davaky ny liona i Dariosy rehefa avy nandany ny alina tsy nahitan-tory sady nifady hanina. Toy inona moa ny hafaliany nahita an’i Daniela velona soa aman-tsara sady tsy naninon-tsy naninona! Nampanipy avy hatrany an’ireo niampanga an’i Daniela sy ny fianakavian’izy ireo tany an-davaky ny liona ny mpanjaka, ho sazin’izy ireo ara-drariny. Namoaka baiko koa izy ‘mba hangovitan’ny olona sy hatahorany eo anatrehan’Andriamanitr’i Daniela eran’ny fanjakany rehetra’. — Daniela 6:19-28.
Mazava fa nanaja ny fivavahana sy ny Andriamanitr’i Daniela i Dariosy ary dodona ny hanarina ny tsy nety. Tsy maintsy ho nitarika ireo olona ambony hafa sisa hankahala azy anefa ny nanasaziany an’ireo niampanga an’i Daniela. Ambonin’izany, dia tsy maintsy ho niteraka hatezerana mafy teo amin’ireo mpisorona babylonianina nanam-pahefana, ny fanambaran’i Dariosy nandidy ny olona rehetra eran’ny fanjakany mba ‘hatahotra eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniela’. Koa satria azo antoka fa nanan-kery teo amin’ireo mpandika soratra ireo anton-javatra ireo, dia tsy mahagaga raha toa ka novana ny firaketana an-tsoratra ary nofoanana ny porofo mahakasika an’i Dariosy. Ny fitantarana fohy ao amin’ny bokin’i Daniela anefa dia milazalaza an’i Dariosy ho mpanapaka iray nanao ny rariny sy ny hitsiny.