Fanontanian’ny Mpamaky
Moa ve ny Tetragrama (ireo litera hebreo efatra nanoratana ny anaran’Andriamanitra) hita ao amin’ilay kopian’ny soratra hebreo momba ny Matio, izay nataon’i Shem-Tob ben Isaac Ibn Shaprut, dokotera jiosy tamin’ny taonjato faha-14?
Tsia, tsy hita ao izy io. Na dia izany aza anefa, dia tena mampiasa ny hoe hash·Shem’ (voasoratra manontolo na nohafohezina) in-19 io soratra momba ny Matio io, araka ny nohazavaina eo amin’ny pejy faha-13 amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1996.
Ny teny hebreo hoe hash·Shem’ dia midika hoe “ilay Anarana”, izay azo antoka fa manondro ny anaran’Andriamanitra. Ohatra, ao amin’ny soratr’i Shem-Tob, ny endriny nohafohezina amin’ny hash·Shem’ dia miseho ao amin’ny Matio 3:3, andalan-teny izay nanononan’i Matio ny Isaia 40:3. Ara-dalàna ny hanatsoahan-kevitra fa rehefa nanonona andininy avy tao amin’ny Soratra Hebreo, izay nahitana ny Tetragrama, i Matio, dia nampiditra ilay anaran’Andriamanitra tao amin’ny Filazantsarany. Koa na dia tsy mampiasa ny Tetragrama aza ilay soratra hebreo nomen’i Shem-Tob, ny nampiasany ny hoe “ilay Anarana”, toy ny ao amin’ny Matio 3:3, dia manohana ny fampiasana ny hoe “Jehovah” ao amin’ny Soratra Grika Kristiana.
Nadikan’i Shem-Tob tao amin’ilay asa sorany fiadian-kevitra hoe ʼEʹven boʹchan ilay soratra hebreo momba ny Matio. Inona anefa no loharanon-kevitra nakana an’io soratra hebreo io? Ny Profesora George Howard, izay nanao fikarohana be dia be momba an’io raharaha io, dia manipy hevitra fa “ilay Matio hebreo nampiasain’i Shem-Tob dia tokotokony ho tao anatin’ireo taonjato efatra voalohany tamin’ny andro kristiana no nanaovana azy”.a Mety hisy tsy hiombon-kevitra aminy amin’io lafiny io.
Nanamarika toy izao i Howard: “Ilay Matio hebreo nampidirina ho anisan’io soratra io dia miavaka indrindra indrindra noho ireo fahasamihafany maro amin’ilay Matio grika kanônika.” Ohatra, araka ny soratr’i Shem-Tob, dia nilaza toy izao tamin’i Jaona i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tamin’ireo rehetra nateraky ny vehivavy dia tsy nisy nitsangana izay lehibe kokoa noho i Jaona Mpanao Batisa.” Izy io dia tsy mampiditra ireo tenin’i Jesosy nanaraka an’io, manao hoe: “Nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.” (Matio 11:11). Amin’ny fomba somary mitovy amin’izany, dia misy fahasamihafana maro eo amin’ny soratra amin’ny teny hebreo voatahiry izay anisan’ny Soratra Hebreo sy ny fomba filazan’ny fandikan’ny Septante grika ny andininy mifanandrify aminy. Na dia ekentsika aza ny fisian’ireo fahasamihafany ireo, dia mbola manana anjara toerana eo amin’ny fandinihana ampiasana fampitahana ihany ny soratra tranainy toy izany.
Araka ny nambara teo aloha, ny soratr’i Shem-Tob momba ny Matio dia mirakitra ny hoe “ilay Anarana” eo amin’ny toerana izay misy antony tsara hinoana fa tena nampiasan’i Matio ny Tetragrama. Araka izany, nanomboka tamin’ny 1950, ny soratr’i Shem-Tob dia nampiasaina ho fanohanana ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, ary mbola tononina izy io ao amin’ny The New World Translation of the Holy Scriptures—With References.b
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa ny New Testament Studies, Boky faha-43, Laharana 1, Janoary 1997, pejy faha-58-71.
b Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1984.