FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/8 p. 3-4
  • Voavonjy Tamin’ny Fotoana Nisian’ny Loza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voavonjy Tamin’ny Fotoana Nisian’ny Loza
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fotoana mahadodona
  • Mifidiana ny fiainana!
  • Izay Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Ho Tanteraka Tsy Ho Ela Ny Fikasan’andriamanitra
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
  • Ireo Loza Araka ny Natiora — Tompon’andraikitra ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Azo atao ny manantena zavatra tsaratsara kokoa noho izao fiainana izao
    Azo Atao ny Manantena Zavatra Tsaratsara Kokoa Noho Izao Fiainana Izao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/8 p. 3-4

Voavonjy Tamin’ny Fotoana Nisian’ny Loza

NIRODANA tampoka ilay mangazay lehibe nisy rihana efatra tany Séoul, any Korea, ka olona an-jatony maro no tavela tao! Niasa andro aman’alina ireo mpiasa mpanao vonjy taitra mba hamonjena ain’olona maro araka izay azo atao. Arakaraka ny fandehan’ireo andro, dia nanomboka nihena ny fahafahana hahita olona maro kokoa mbola tsy maty saingy mbola tototry ny rihibato sy ny vy nisavovona be.

Tamin’ilay fotoana efa tsy nanantenana na inona na inona iny indrindra no nisy zava-mahagaga nitranga. Nisy feo iva nitoreo, re avy tany ambanin’ilay korontan-javatra rava. Nikoropaka nihady tamin’ny tanany fotsiny amin’izao ireo mpanao vonjy taitra mba hanafahana vehivavy iray 19 taona, izay nilevim-belona tao nandritra 16 andro be izao. Lalana fandalovan’ny ascenseur no nirodana ka lasa lavaka niaro azy tsy hirotsahan’ny rihibato nilanja aman-taoniny. Na dia very rano be sy naratra mafy aza izy, dia nihodivitra azy ny fahafatesana!

Amin’izao fotoana izao, dia zara raha misy volana iray tsy isian’ny tatitra momba ny loza, na horohoron-tany izany, na tafiotran’oram-baratra mahery, na fipoahan’ny volkano, na voina tsy nampoizina, na mosary. Ary mahaliana sy mahavariana olona an-tapitrisany maro mpanara-baovao ireo fitantarana mampitolagaga ny amin’ny nisian’ny olona voavonjy sy nieren-doza. Nodian-tsy hita anefa tamin’ny ankapobeny ny fampitandremana ny amin’ny hisian’ny loza iray ho avy — loza lehibe kokoa mbola tsy nisy toy izany teo amin’ny tantaran’ny olombelona. (Matio 24:21). Lazalazain’ny Baiboly amin’ireto teny ireto izany fisehoan-javatra ho avy izany: “Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin’ny faran’ny tany; ary amin’izany andro izany ny voavonon’i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.” — Jeremia 25:32, 33.

Teny manaitra re izany! Tsy sahala amin’ireo loza na voina araka ny natiora anefa io loza io noho izy tsy handripaka ny olona tsy an-kanavaka. Raha ny marina, dia azo atao — azonao atao — ny ho tafita velona!

Fotoana mahadodona

Mba hahatakaran’ny olona iray an’io zava-misy io amin’ny fomba feno, dia tsy maintsy azony aloha ny antony hitrangan’io loza haneran-tany io. Raha ny marina, dia izy io no hany tena vahaolana amin’ireo olana mianjady amin’ny olombelona. Vitsy ny olona amin’izao andro izao no mahatsiaro ho mandry feizay sy tsy mahatsapa ahiahy. Na dia eo aza ireo zava-bita tsara indrindra eo amin’ny sehatry ny siansa, dia manohy mandravarava ny mponin’ny tany ny valanaretina. Amoizana ain’olona an’arivony maro ireo ady vokatry ny tsy fifanarahan-kevitra ara-pivavahana sy ara-poko ary ara-politika. Manampy trotraka ny fahoriana sy ny fijalian’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy manan-tsiny ny mosary. Mikiky ny fiaraha-monina hatrany amin’ny fotony mihitsy ny fikororosiana ara-pitondran-tena; ratsy fitondran-tena hatramin’ny ankizy aza.

Miavaka ny fahamarinan’ny filazalazana omen’ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly, raha ny amin’izao tarehin-javatra misy antsika izao. Efa maherin’ny 1 900 taona lasa izay no nanoratana azy io. Milaza toy izao izy io: “Tsy maintsy takatrao fa ho feno loza amin’ny andro farany.” — 2 Timoty 3:1, The New Testament in Modern English, nataon’i J. B. Phillips; ampitahao amin’ny Matio 24:3-22.

Toa azon’ny saina ekena ve aminao ny hoe tsy hiraika amin’ny toe-piainana misy antsika ny Andriamanitra fitiavana iray? Hoy ny Baiboly: “(Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (...); tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana”. (Isaia 45:18). Eny, hiditra an-tsehatra izy fa tsy hamela an’itỳ planeta kanto itỳ hosimbana ka hahafongotra ny mponina rehetra eo aminy. Ny fanontaniana dia hoe: Ahoana no hanaovany izany?

Mifidiana ny fiainana!

Mamaly toy izao ny Baiboly ao amin’ny Salamo 92:7: “Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay”. Ny famongorana ny faharatsiana mihitsy no vahaolana hoentin’Andriamanitra ho an’ireo olana misy eto an-tany. Soa ihany fa tsy midika akory izany hoe tsy maintsy hofongorana daholo ny olona rehetra. Manome toky antsika toy izao ny Salamo 37:34: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.”

Ireo teny ireo dia manondro fa misy ny fahafahana ho voavonjy amin’ilay loza lehibe indrindra hamely ny olombelona. Nanome safidy antsika Andriamanitra. Azo ampiharina amintsika amin’izao andro izao koa ireo teny nampirisihan’i Mosesy an’ireo Isiraelita rehefa vonona ny hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Toy izao izany: “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao”. (Deoteronomia 30:19). Ahoana marina anefa no ‘ifidianana ny fiainana’ ka hahavoavonjy? Midika ho inona marina moa izany tena famonjena izany?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Yunhap News Agency/Sipa Press

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara